plt_tn/2ki/19/20.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ny zanaka vavy virjinin'i Ziona
Ny hoe "zanaka vavy virijiny" dia sarinteny ilazana an'i Jerosalema toy ny hoe tanora, feno hery ary tsara tarehy. DH: "Ny vahoaka tsara tarehin'i Jerosalema" Ny fomba fiteny hoe "zanaka vehivavy" dia nampiasain'ireo mpandika baiboly sasany mba hanomezana toetoetra mampiavaka ireo tanàna.
# Ny zanaka vavy virjinin'i Ziona manao tsinontsinona anao sy mihomehy ho amin'ny fahafaham-baraka. Ny zanaka vavin'i Jerosalema manifikifi-doha aminao
Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo.
# Ny zanaka vavin'i Jerosalema
Ny hoe "zanaka vavy" dia sarinteny ilazana ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "Ny vahoakan'ny tanànan'i Jerosalema"
# manifikifi-doha aminao
Izany fihetsika izany dia sarinteny ilazana fa nanao tsinontsinona ny fireharehan'ireo Asyriana izy ireo. DH: "manao tsinontsinona anao"
# nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana
Ny hoe "nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana" dia sarinteny ilazana ny fiavonavonana misoritra eny amin'ny endrika. DH: "nijery tam-pireharehana fatratra" (UDB)
# ilay Masin'Israely
Fomba fiteny ilazana an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.