# Ny zanaka vavy virjinin'i Ziona Ny hoe "zanaka vavy virijiny" dia sarinteny ilazana an'i Jerosalema toy ny hoe tanora, feno hery ary tsara tarehy. DH: "Ny vahoaka tsara tarehin'i Jerosalema" Ny fomba fiteny hoe "zanaka vehivavy" dia nampiasain'ireo mpandika baiboly sasany mba hanomezana toetoetra mampiavaka ireo tanàna. # Ny zanaka vavy virjinin'i Ziona manao tsinontsinona anao sy mihomehy ho amin'ny fahafaham-baraka. Ny zanaka vavin'i Jerosalema manifikifi-doha aminao Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo. # Ny zanaka vavin'i Jerosalema Ny hoe "zanaka vavy" dia sarinteny ilazana ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "Ny vahoakan'ny tanànan'i Jerosalema" # manifikifi-doha aminao Izany fihetsika izany dia sarinteny ilazana fa nanao tsinontsinona ny fireharehan'ireo Asyriana izy ireo. DH: "manao tsinontsinona anao" # nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana Ny hoe "nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana" dia sarinteny ilazana ny fiavonavonana misoritra eny amin'ny endrika. DH: "nijery tam-pireharehana fatratra" (UDB) # ilay Masin'Israely Fomba fiteny ilazana an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.