plt_tn/2ki/16/13.md

24 lines
991 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Izao no nataon'i Ahaza mpanjaka rehefa tafaverina avy tany Damaskosy ka namangy ny alitara vaovao izay nandidiany ny hanganana izany.
# Nanao ny fanatiny dorana ... izy
Nanao ny fanatiny dorana ... i Ahaza mpanjaka"
# teo amin'ny alitara
Ilay alitara izay nasain'i Ahaza natsangan'i Oria no tiana ho lazaina amin'izany.
# Ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh
Ilay alitara izay nahorin'ny Israely efa tany aloha be araka ny toromarik'Andriamanitra izany.
# Ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh
Ny andian-teny hoe "anatrehan'i Yaveh" dia sarinteny ilazana ny toerana izay nanehoan'i Yaveh ny voninahiny tany aloha. DH: "Ny alitara varahina izay teo anatrehan'ny tempoly"
# teo anoloan'ny tempoly, avy teo anelanelan'ny alitarany sy ny tempolin'i Yaveh ary nataony teo amin'ny faritra avaratry ny alitarany izany.
Ireo andian-teny roa ireo dia samy milaza ny toerana nisy ilay alitara. Teo amin'ny toerana iray ihany izany.