plt_tn/1co/10/01.md

32 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Mampatsiahy azy ireo ny ohatra momba ny faharatsiana sy ny fanompoan-tsampy niainan'ireo Jiosy razan'izy ireo taloha i Paoly.
# ireo raintsika
Paoly dia maneho ny andron'i Mosesy ao amin'ny bokin'ny Eksodosy rehefa nandositra namakivaky ny Ranomasina mena nohon'ny fanenjehan'ireo miaramila Egyptiana ny Israely. Ny teny hoe: "-ntsika" dia manondro ny tenany sy ireo Korintiana.
# namakivaky ny ranomasina
Izany ranomasina izany dia fantatra amin'ny anarana hoe: Ranomasina Mena.
# namakivaky
"nandeha namakivaky"
# Ny rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy
"Nanaraka izy rehetra ary nanolo-tena ho an'i Mosesy"
# tao amin'ny rahona
tamin'ny rahona izay naneho ny fanatrehan'Andriamanitra ary nitarika ireo zanak'Israely nandritra ny andro
# nisotro ranom-panahy mitovy ... vatolampim-panahy
"Nisotro ilay rano izay navoakan'Andriamanitra tamin'ny fomba nihoatra ny voajanahary ary tamin'ny vatolampy ... vato mihoatra ny voajanahary"
# dia Kristy izany vatolampy izany
DH: "Kristy no niasa tamin'izany vatolampy izany"