plt_tn/1co/09/03.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Izao no fiarovako ... ahy: Moa
Ireo mety ho dikany: 1) ireo teny manaraka dia ny fiarovan-tenan'i Paoly na 2) ireo teny ao amin'ny 9:1 dia fiarovan-tenan'i Paoly, "Izao no fiarovan-tenako ... ahy.Moa."
# Moa ve izahay tsy mahazo alalana ny hihinana sy hisotro?
Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Manana zo tanteraka hahazo hanina sy zava-pisotro avy amin'ireo fiangonana izahay."
# izahay
Eto ny hoe: "izahay" dia maneho an'i Paoly sy Barnabasy.
# Moa ve izahay tsy manana zo hitondra vady izay mpino, tahaka ny ataon'ireo apostoly sasany, sy ireo rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy?
Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Raha manana vady mpino izahay, dia manana zo hitondra azy ireo miaraka aminay tahaka ny ataon'ireo apostoly hafa mitondra ny azy ireo, sy ireo rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy."
# Sa Barnabasy sy izaho irery no tsy maintsy miasa?
Manao izay hahamenatra an'ireo Korintiana i Paoly. DH: "toa mieritreritra ianareo fa ny olona izay mila miasa mba hahazo vola dia i Barnabasy sy izaho irery ihany."