# Izao no fiarovako ... ahy: Moa Ireo mety ho dikany: 1) ireo teny manaraka dia ny fiarovan-tenan'i Paoly na 2) ireo teny ao amin'ny 9:1 dia fiarovan-tenan'i Paoly, "Izao no fiarovan-tenako ... ahy.Moa." # Moa ve izahay tsy mahazo alalana ny hihinana sy hisotro? Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Manana zo tanteraka hahazo hanina sy zava-pisotro avy amin'ireo fiangonana izahay." # izahay Eto ny hoe: "izahay" dia maneho an'i Paoly sy Barnabasy. # Moa ve izahay tsy manana zo hitondra vady izay mpino, tahaka ny ataon'ireo apostoly sasany, sy ireo rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy? Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Raha manana vady mpino izahay, dia manana zo hitondra azy ireo miaraka aminay tahaka ny ataon'ireo apostoly hafa mitondra ny azy ireo, sy ireo rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy." # Sa Barnabasy sy izaho irery no tsy maintsy miasa? Manao izay hahamenatra an'ireo Korintiana i Paoly. DH: "toa mieritreritra ianareo fa ny olona izay mila miasa mba hahazo vola dia i Barnabasy sy izaho irery ihany."