\v 5 Fa iza tamin'ireo anjely no mba nilazan'Andriamanitra hoe: “Zanako ianao, tonga rainao Aho androany" Ary indray hoe: “Ho ray ho azy Aho, ary izy ho zanaka ho Ahy"?
\v 8 Fa momban'ny Zanaka dia hoy Izy hoe: “Ny seza fiandriananao, ry Andriamanitra, dia mandrakizay ary ho doria. Ny tehin'ny fanjakanao dia tehin'ny fitsarana.
\v 12 Hamoritra azy ireo tahaka ny fitafiana ianao, ary hovaina tahaka ny poti-damba izy ireo. Fa ianao dia tahaka izany, ary ny taonanao dia tsy hanam-pahataperana.”
\v 13 Fa iza tamin'ireo anjely no nitenenan' Andriamanitra tamin'ny fotoana rehetra hoe: “Mipetraha eo amin'ny tanana ankavanako mandra-panaovako ireo fahavalonao ho seza ho an'ny tongotrao"?
\v 1 Noho izany isika dia tsy maintsy mitandrina bebe kokoa amin'izay rentsika, mba tsy hanara-drenirano amin'izany isika.
\v 2 Fa raha marina ny hafatra izay notenenina tamin'ny alalan'ireo anjely, ary ny fandikan-dalàna rehetra sy ny tsy fankatoavana dia mandray sazy ara-drariny,
\v 3 dia ahoana ary no hafahantsika mandositra raha tsy miraharaha izany famonjena lehibe loatra izany isika? Io no famonjena izay nambaran'ny Tompo voalohany sy namafisin'ireo izay nandre izany tamintsika.
\v 4 Tamin'io fotoana io ihany Andriamanitra dia nanaporofo izany tamin'ny famantarana, fahagagana, ary asa mahery samihafa, ary tamin'ny fizarana ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina araka ny sitrapony.
\v 6 Fa kosa, nisy olona nijoro vavolombelona an'izany tany ho any, manao hoe: “Inona ny olona, no misaina azy ianao? Na ny zanak'olona, no mikarakara azy ianao?
\v 8 Ny zavatra rehetra dia nampanekenao eo ambanin' ny tongony.” Fa ho azy no nampaneken' Andriamanitra ny zavatra rehetra. Tsy namela na inona na inona izy ka tsy nampanekeny azy. Fa ankehitriny isika dia tsy mbola mahita ny zavatra rehetra nampanekena azy.
\v 9 Fa isika mahita ilay iray izay nataony ambany noho ireo anjely nandritry ny fotoana fohy: Jesosy, izay, nohon'ny fijaliany sy ny fahafatesany, dia nosatrohina satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera. Ka ankehitriny tamin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nanandramany ny fahafatesana ho an'ny olona rehetra.
\v 10 Fa mety amin'Andriamanitra izany, satria ny zavatra rehetra dia misy ho Azy ary amin'ny alalany, mba hitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra. Mety aminy ny hahatonga ny mpitarika ny famonjena azy ireo ho feno amin'ny alalan'ny fijaliany.
\v 11 Fa na ny olona izay manamasina na ireo izay voamasina dia manana loharano iray. Noho izany dia tsy menatra miantso azy ireo hoe rahalahy Izy.
\v 14 Noho izany, satria nofo aman-drà ireo zanak'Andriamanitra, dia nizara zavatra toy izany niaraka tamin'izy ireo ihany koa Jesosy, mba ho amin'ny alalan'ny fahafatesana no hanafoanany ny iray izay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly izany.
\v 15 Izany dia mba hanafahany ireo rehetra izay nohon'ny tahotra ny fahafatesana dia niaina ny fiainan'izy rehetra ireo tao amin'ny fanandevozana.
\v 16 Fa mazava ho azy fa tsy ireo anjely no vonjeny; fa kosa, ny taranak'i Abrahama.
\v 17 Noho izany dia mendrika Azy ny atao tahaka ireo rahalahiny amin'ny fomba rehetra, mba ho mpisoronabe feno famindram-po sy fahatokisana Izy amin'ny fifandraisana amin'ireo zavatr' Andriamanitra, ary mba hitondra momban'ny famelana ireo fahotan'ny olona.
\v 18 Satria Jesosy mihintsy no nijaly sy nalaina fanahy, dia afaka manampy ireo izay alaim-panahy Izy.
\v 13 Fa kosa, mifampahereza isan'andro, raha mbola misy ny antsoina hoe: “Anio", mba tsy hisy aminareo ho mafy fo amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotana.
\v 14 Fa isika dia tonga mpiara-miasa amin'i Kristy raha toa ka mihazona mafy ny fahatokisantsika Azy hatrany am-piandohana ka hatrany amin'ny fiafarana.
\v 1 Noho izany, aoka hitandrina tsara isika mba tsy hisy aminareo ny tsy afaka hahatratra ny teny fampanantenana navela ho anareo mba hidiranareo ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra.
\v 2 Fa isika dia nanambarana ny vaovao mahafaly tahaka azy ireo. Fa izany hafatra izany dia tsy nisy tombony ho an'ireo izay tsy nitambatra tao amin'ny finoana niaraka tamin'ireo izay nankatoa. \f + \ft Fanamarihana: ny dikanteny sasany dia mivaky toy izao: “Fa izany hafatra izany dia tsy nisy tombony ho an'ireo izay nandre azy tamin'ny tsy finoana.” \f*
\v 3 Fa isika izay nino dia ireo izay hiditra amin'izany fitsaharana izany, araka izay efa nolazainy hoe: “Tahaka ny nianianako tamin'ny fahatezerako, dia tsy hiditra velively ao amin'ny fitsaharako izy ireo.” Fa na izany koa aza, ny asa famoronany dia vita tamin'ny fanorenana izao tontolo izao.
\v 4 Fa izy niteny tany ho any momban'ny andro faha-fito hoe: “Andriamanitra nitsahatra tamin'ny andro faha-fito tamin'ny asany rehetra.”
\v 11 Noho izany aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, mba tsy hisy na iray aza ho tafalatsaka amin'ny karazana tsy fankatoavana izay nataon'izy ireo.
\v 12 Fa ny tenin'Andriamanitra dia velona sy mandaitra ary maranitra noho ny sabatra roa lela. Izany dia manindrona hatramin'ny fanasarahana ny aina amin'ny fanahy, sy ny tonona amin'ny tsoka mihintsy aza. Ka afaka fantarina ny eritreritry ny fo sy ireo fikasana.
\v 13 Tsy nisy famoronana niafina teo anatrehan'Andriamanitra. Fa kosa, ny zavatra rehetra dia miharihary sy misokatra eo imason'ilay iray izay tsy maintsy hampamoahintsika.
\v 1 Fa ny mpisoronabe rehetra, voafidy avy tamin'ny olona, dia notendrena mba hiasa amin'ny anaran'ny olona amin'ireo zavatra mahakasika an' Andriamanitra, ka mba hanolorany fanomezana sy fanatitra ho an'ny ota.
\v 2 Izy dia afaka mifanaraka mora amin'ny tsy mahalala sy ny maniasia satria izy tenany ihany koa dia voadidin'ny fahalemena.
\v 3 Noho izany, izy ihany koa dia notakiana hanolotra sorona ho an'ireo otany manokana, tahaka ny nataony ho an'ireo otan'ny olona.
\v 4 Tsy ho an'ny tenany no handraisan'ny olona izany voninahitra izany. Fa kosa, izy dia nantsoin' Andriamanitra, tahaka an'i Arona.
\v 5 Dia toy izany, Kristy tsy mba nanome haja ny tenany mihintsy tamin'ny fanaovany ny tenany ho mpisoronabe. Fa kosa, ilay iray izay niresaka taminy niteny hoe: “Zanako Ianao; anio dia tonga Rainao Aho.”
\v 11 Manan-kambara betsaka momban'i Jesosy izahay, fa sarotra ny manazava izany hatramin'ny naha-lalindalovana ny fandrenesanareo.
\v 12 Fa amin'izao fotoana izao dia tokony ho mpampianatra ianareo, ianareo dia mbola mila olona hampianatra anareo ireo fitsipika fototry ny hafatr'Andriamanitra. Ronono no ilainareo, fa tsy ventin-tsakafo!
\v 13 Fa ny olona izay misotro ronono fotsiny dia tsy ampy traikefa amin'ny hafatry ny fahamarinana, satria izy dia mbola zaza kely.
\v 14 Fa ny ventin-tsakafo dia ho an'ireo lehibe. Ireo dia izay voahofana tamin'ny fanavahana ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany noho'ny fahamatoran'izy ireo.
\v 1 Noho izany, andeha havelantsika ny fiantombohan'ny hafatr'i Kristy ka handroso amin'ny fahamatorana. Andeha isika tsy hametraka indray ny fototry ny fibebahana nohon'ny asan'ny maty sy ny finoana an'Andriamanitra,
\v 2 na ny fototry ny fampianarana momban'ny batisa, ny fametrahan-tanana, ny fitsanganan'ireo olona maty, ary ny fitsarana mandrakizay.
\v 3 Hanao izany ihany koa isika raha avelan'Andriamanitra.
\v 4 Fa tsy hay atao ho an'ireo izay efa nohazavaina indray mandeha izany, izay nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, izay nandray ny Fanahy Masina,
\v 5 ary izay nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ireo herin'ny vanim-potoana ho avy,
\v 6 saingy avy eo dia lavo—tsy hay atao ny mamerina azy ireo amin'ny fibebahana indray. Izany dia satria nomboan'izy ireo ho an'ny tenan'izy ireo indray ny Zanak'Andriamanitra, ary nalainy baraka ampahibemaso.
\v 7 Fa ny tany izay mitroka ny orana mateti-piavy amin'izany, sy izay mamokatra ireo zava-maniry ilain'ireo olona izay niasana ny tany—io no tany izay mandray fitahiana avy amin'Andriamanitra.
\v 8 Fa raha mamokatra tsilo izany, dia tsy misy ilàna azy ary efa akaikin'ny fanozonana. Ny fiafaran'izany dia amin'ny firehetana.
\v 9 Fa izahay dia resy lahatra ny amin'ireo zavatra tsara kokoa momba anareo, ry malala, zavatra izay mahakasika ny famonjena, na dia miteny tahaka izany aza izahay.
\v 10 Fa Andriamanitra dia tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo nohon'ny anarany, satria ianareo dia nanompo ireo mpino ary mbola manompo azy ireo hatrany.
\v 11 Maniry mafy izahay mba haneho fahazotoana tahaka izany hatramin'ny farany ny tsirairay aminareo ho an'ny antoky ny fahatokiana feno.
\v 12 Izany dia mba tsy ho lasa kamo ianareo, fa ho mpaka-tahaka an'ireo izay mandova ireo fampanantenana amin'ny finoana sy faharetana.
\v 16 Fa ny olona dia mianiana amin'ny olona izay lehibe kokoa noho ny tenan'izy ireo. Isakin'ny tapitra ny fifamalian'izy ireo, dia misy voady iray natao ho fanamafisana.
\v 17 Rehefa nanapa-kevitra ny hampiseho mazava kokoa tamin'ireo mpandovan'ny fampanantenana ny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjony Andriamanitra, dia nomeny antoka tamin'ny voady izany.
\v 18 Nataony izany mba ho amin'ny alalan'ny zavatra tsy azo ovaina anankiroa— izay tsy hain'Andriamanitra ny mandainga amin'izany—dia hanana fampaherezana matanjaka mba hihazonana mafy ny fahatokiana izay napetraka teo anoloantsika, isika, izay nandositra mba hanana fialofana.
\v 19 Manana izany toky izany isika ho aro sy vatofantsika azo hiankinana ho an'ny fanahintsika, fahatokiana izay miditra ao amin'ny fitoerana anatiny ao ambadiky ny lamba.
\v 20 Jesosy niditra tao amin'izany fitoerana izany toy ny mpialoha lalana ho antsika, ka tonga mpisoronabe mandrakizay manaraka ny fomban'i Melkizedeka.
\v 2 Izy no nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. Ny anarany hoe “Melkizedeka” dia midika hoe “mpanjakan'ny fahamarinana.” Ny anarany hafa dia “mpanjakan'i Salema,” izany dia: “mpanjakan'ny fiadanana.”
\v 11 Ankehitriny raha azo atao amin'ny alalan'ny fisoronana levitika ny fahatanterahana (fa tao ambanin'izany ny olona no nandray ny lalàna), dia filàna bebe kokoa inona no mety nisy ho an'ny mpisorona hafa mba hitsanganana araka ny fomban'i Melkizedeka, ary tsy raisina araka ny fomban'i Arona?
\v 12 Fa rehefa novàna ny fisoronana, dia tsy maintsy hovàna ihany koa ny lalàna.
\v 13 Fa ilay iray izay nilazana ny momban'ireo zavatra ireo dia an'ny foko hafa, izay tsy misy olona manompo eo amin'ny alitara mihintsy.
\v 14 Fa mazava ankehitriny, fa avy amin'i Joda no nahaterahan'ny Tompontsika, foko izay tsy nolazain'i Mosesy mihintsy ny mahakasika ireo mpisorona.
\v 15 Izay lazaintsika dia efa mazava kokoa raha misy mpisorona hafa mitsangana amin'ny endrik'i Melkizedeka.
\v 16 Tsy avy tamin'ny fototry ny lalànan'ny taranaky ny nofo no nahatonga azy ho mpisorona, fa kosa avy tamin'ny fototry ny herin'ny fiainana tsy mety levona.
\v 26 Fa ny mpisoronabe tahaka izany dia mety ho antsika. Izy dia tsy manam-pahotana, tsy manan-tsiny, madio, nosarahana tamin'ireo mpanota, ary tonga ambony noho ireo lanitra.
\v 27 Tsy mila izy, tsy tahaka ireo mpisoronabe, hanolotra sorona isan'andro, ny voalohany ho an'ireo fahotany manokana, ary avy eo ho an'ireo fahotan'ny olona. Efa nanao izany indray mandeha ho an'ny rehetra izy, rehefa nanolotra ny tenany.
\v 28 Fa ny lalàna manondro ny olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe. Fa ny tenin'ny fianianana, izay tonga taorian'ny lalàna, dia nanendry Zanaka lahy, izay natao tonga lafatra mandrakizay.
\v 1 Ary ny fototry ny zavatra lazainay dia izao: Isika dia manana mpisoronabe izay nipetraka teo an-tanan'ankavanan'ny seza fiandrianan'ilay be Voninahitra any an-danitra.
\v 2 Izy dia mpanompo ao amin'ny toerana masina, ilay tabernakely marina izay ny Tompo, fa tsy ny olona, no nanorina azy.
\v 5 Izy ireo dia manompo ao amin'ny tabernakely izay tandindona sy aloky ny zavatra any an-danitra. Izany dia toy ny nampitandreman' Andriamanitra an'i Mosesy raha izy handeha hanamboatra tabernakely: hoy Andriamanitra hoe: “Jereo mba ho ataonao araka ny modely izay efa naseho anao teny an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.”
\v 8 Fa rehefa nahita tsiny tamin'ny olona Andriamanitra, dia hoy Izy hoe: “Indro, ho avy ny andro—hoy ny Tompo—rehefa hanao fanekena vaovao amin'ny olon'Israely sy ny olon'i Joda Aho.
\v 10 Fa izao no fanekena izay ho hataoko amin'ny olon'Israely aorian'ireny andro ireny—hoy ny Tompo. Hataoko ao an-tsain'izy ireo ny lalàko, ary ho soratako ao am-pon'izy ireo ihany koa izany. Ho Andriamanitr'izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko.
\v 11 Izy ireo dia tsy hampianatra ny mpiara-monina ary ny rahalahiny avy, hiteny hoe: ‘Fantaro ny Tompo.’ Fa hahafantatra Ahy ny rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra amin'izy ireo.
\v 1 Ary na dia ny fanekena voalohany aza dia nanana fitsipi-pivavahana sy fitoerana masina eto an-tany.
\v 2 Fa nisy tabernakely izay nomanina. Ny efitra voalohany, izay nisy ny fitoeran-jiro, ny latabatra, ary ny mofon'ny fanatrehana, dia nantsoina hoe fitoerana masina.
\v 3 Ao ambadiky ny lamba faharoa dia nisy efitra iray hafa, antsoina hoe toerana masina indrindra.
\v 4 Nisy alitara volamena ho an'ny ditin-kazo manitra izany. Nisy ny fiaran'ny fanekena ihany koa, izay rakotra volamena tanteraka. Tao anatin'izany dia nisy siny volamena izay nisy ny mana, ny tehin'i Arona izay naniry, ary ireo vato fisaky ny fanekena.
\v 5 Eny ambonin'ny fiaran'ny fanekena, dia kerobima be voninahitra maro no manaloka ny sarona fanaronana, izay tsy afaka resahanay amin'ny antsipirihiny ankehitriny.
\v 6 Rehefa voahomana ireo zavatra ireo, dia niditra tao amin'ny efitra ivelan'ny tabernakely foana ireo mpisorona mba hanao ny fanompoan'izy ireo.
\v 7 Fa ny mpisoronabe ihany no niditra indray mandeha isan-taona tao amin'ny efitra faharoa, ary niaraka tamin'ny rà izay natolony ho an'ny tenany sy ho an'ireo fahotana tsy ninian'ireo olona.
\v 8 Nasehon'ny Fanahy Masina fa ny lalana mankao amin'ny toerana masina indrindra dia mbola tsy naseho raha mbola mitsangana ny tabernakely voalohany.
\v 9 Izany dia fanoharana ho an'izao fotoana ankehitriny izao. Ireo fanomezana sy ireo sorona izay atolotra ankehitriny dia samy tsy afaka hahatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka iray.
\v 10 Mifantoka amin'ny sakafo sy zava-pisotro sy karazam-pomba fidiovana maro fotsiny ireo. Ireo rehetra ireo dia fitsipika ho an'ny nofo avokoa izay nomena mandra-panamboarana ny fandaminana vaovao.
\v 12 Tsy tamin'ny ràn'ireo osy lahy sy vantotr'omby vavy izany, fa tamin'ny ràny manokana izay niditra tao amin'ny toerana masina indrindra indray mandeha monja ho an'ny rehetra ary niaro ny famonjentsika mandrakizay.
\v 13 Fa raha ny ràn'ireo osy sy ireo omby lahy ary ny famafazana ny lavenon'ny vantotr'omby vavy eo amin'ireo izay lasa maloto no manokana azy ireo eo amin'Andriamanitra ho fanadiovana ny nofon'izy ireo,
\v 14 toy ny ahoana ny fihoaran'ny ràn'i Kristy, izay nanolotra ny Tenany tsy misy kilema ho an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, hanadio ny fieritreretantsika hiala amin'ny asa maty mba hanompoana ilay Andriamanitra velona?
\v 15 Noho izany antony izany, dia Izy no mpanalalana ny fanekena vaovao. Izany dia, satria nisy fahafatesana iray niseho mba hanafaka ireo izay ambanin'ny fanekena voalohany amin'ny fahotan'izy ireo, dia handray ny fampanantenan'ny lova mandrakizay ireo izay voaantso.
\v 16 Fa raha misy didim-pananana, ny fahafatesan' ilay olona izay nanao izany dia tsy maintsy voaporofo.
\v 17 Fa rehefa misy fahafatesana ihany vao manan-kery ny didim-pananana, satria tsy manan-kery izany raha toa ka mbola velona ilay olona izay nanao izany.
\v 18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza tsy natao raha tsy nisy rà.
\v 19 Fa rehefa nanome ny didy rehetra tao amin'ny lalàna tamin'ireo olona rehetra Mosesy, dia naka ny ràn'ireo omby sy ireo osy, niaraka tamin'ny rano, volon'ondry jaky mena, sy hysopa izy, ary namafy teo amin'ny boky sy ny olona rehetra.
\v 23 Noho izany dia nilaina ny tandindon'ireo zavatra any an-danitra mba ho voadion'ny soron'ireo biby ireo. Na izany aza, ireo zavatry ny lanitra mihintsy no nila nodiovina tamin'ny sorona tsara kokoa.
\v 24 Fa Kristy dia tsy niditra tao amin'ny toerana masina indrindra izay nataon'ny tanana, izay tandindon'ilay iray izay tena izy fotsiny ihany. Fa kosa niditra tany an-danitra mihintsy Izy, mba hiseho eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ho antsika ankehitriny.
\v 25 Tsy nandeha tao mba hanolotra ny tenany imbetsaka Izy, tahaka ny fanaon'ny mpisoronabe, izay miditra ao amin'ny toerana masina indrindra isan-taona niaraka tamin'ny ràn'ny hafa.
\v 26 Fa raha izany ny zava-nitranga, dia nila nijaly imbetsaka nanomboka tamin'ny fanorenana izao tontolo izao Izy. Fa ankehitriny dia indray mandeha monja no nampisehoana Azy mba hanaisotra ny fahotana amin'ny alalan'ny soron'ny tenany ihany.
\v 27 Efa natao ho faty indray mandeha ny olon-drehetra, ary aorian'izany no ho avy ny fitsarana.
\v 28 Tahaka izany ihany koa, Kristy, izay natolotra indray mandeha mba hanala ireo fahotan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy handraraha ny ota, fa ho an'ny famonjena ireo izay miandry Azy amim-paharetana.
\v 1 Fa ny lalàna dia alok'ireo zavatra tsara ho avy fotsiny, fa tsy tena endrik'ireo zavatra ireo. Ireo izay manatona an'Andriamanitra dia tsy afaka ny ho lafatra amin'ny alalan'ny sorona mitovy amin'izay entin'ireo mpisorona isan-taona.
\v 2 Raha izany tsy efa nitsahatra ny nanolotra ireny sorona ireny ve izy ireo? Amin'izany tranga izany, raha efa nodiovina indray mandeha monja izy ireo, dia tsy mba hahafantatra ny ota intsony ireo mpivavaka.
\v 3 Fa amin'ireo sorona ireo dia misy fampatsiahivana ireo ota isan-taona.
\v 4 Satria ny ràn'ny omby lahy sy osy lahy dia tsy mahavita manala ireo ota.
\v 8 Voalohany niteny izy hoe: “Tsy sorona, na koa fanatitra, na fanatitra nodorana, na sorona ho an'ny ota no nirinareo. Ary Ianao tsy nifaly tao amin'izy ireny.” Ireny dia sorona izay atolotra araka ny lalàna.
\v 9 Ary niteny izy hoe: “Jereo, inty Aho hanao ny sitrakareo.” Izy dia nanala ny fampiharana voalohany mba hametrahana ny fampiharana faharoa.
\v 16 “Ity no fanekena izay ho ataoko miaraka amin'izy ireo aorian'ireo andro ireo, hoy ny Tompo. Hapetrako ao am-pon'izy ireo ny lalàko, ary hanoratra izany ao an-tsain'izy ireo Aho.
\v 23 Aoka isika hiazona mafy ny fanekena ny fiandrandrana mahatokintsika, tsy am-pihozongozonana, satria Andriamanitra, izay nampanantena, dia mahatoky.
\v 24 Aoka isika handinika ny fomba handrisihana ny tsirairay amin'ny fitiavana sy ireo asa tsara.
\v 25 Aoka isika tsy hanajanona ny fiarahana miangona, tahaka ny nataon'ny sasany. Fa kosa, mifankahereza hatrany hatrany, ary maika fa hitanareo fa manakaiky ny andro.
\v 26 Fa raha toa isika minia manota rehefa avy nandray ny fahalalana ny marina, dia tsy misy fanatitra ho an'ny ota intsony.
\v 27 Fa kosa, tokana ihany ny fiandrasana mahatahotry ny fitsarana, ary fahatezerana mirehitra izay hamotika ireo fahavalon'Andriamanitra.
\v 28 Na iza na iza nandà ny lalàn'i Mosesy dia ho faty tsy misy indrafo amin'ny fijorona vavolombelon'ireo roa na telo izay nanatri-maso.
\v 29 Fanasaziana ratsy lavitra toy ny ahoana no eritreretinareo fa mendrika ireo izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra, izay nanao ny ràn'ny fifanekena ho tsy masina—Ilay rà izay nanamasinana Azy—ary naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
\v 34 Satria ianareo dia nanana fangoraham-po tamin'ireo izay voafonja, ary ianareo dia nanaiky tamin-pifaliana ny fangalàna ny fanananareo. Dia nahafantatra ianareo fa ny tenanareo dia manana fananana tsara kokoa sy maharitra mandrakizay.
\v 39 Fa isika dia tsy anisan'ireo izay mihemotra ho amin'ny faharavana. Fa kosa, isika dia anisan'ireo izay manana finoana ho amin'ny fihazonana ny fanahintsika.
\v 1 Ary ny finoana no antoka amin'ireo zavatra nandrasana tamim-pahatokiana. Io no porofon'ireo zava-mitranga izay mbola tsy hita.
\v 2 Fa noho izany ireo razambe dia nankatoavina nohon'ny finoan'izy ireo.
\v 3 Amin'ny finoana no hahafantarantsika fa ny didin'Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, ka izay hita maso dia tsy natao tamin'ny zavatra izay hita maso.
\v 5 Tamin'ny finoana no namindrana an'i Enoka mba tsy ahitany ny fahafatesana. “Tsy hita izy, satria nalain'Andriamanitra.” Fa talohan'ny nakana azy, dia nijoroana vavolombelona fa nankasitrahan' Andriamanitra izy.
\v 7 Tamin'ny finoana Noa, no nomena ny hafatra avy amin'Andriamanitra momba ireo zavatra izay tsy mbola hita, niaraka tamin'ny fanajana an' Andriamanitra no nanamboarany ny sambo izay namonjeny ny ankohonany. Fa tamin'ny fanaovana izany, no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araky ny finoana.
\v 11 Tamin'ny finoana, na dia Saraha izy tenany izay momba aza, no nahazoan'i Abrahama ny fahafahana ho ray. Nitranga izany na dia efa tena antitra aza izy, satria noheverina ho toy ilay mahatoky nomena ilay fampanantenana izy.
\f + \ft Fanamarihana: Misy fanontaniana momban'ny hoe ny finoan'i Abrahama sa ny finoan'i Saraha no navohitra. “Tamin'ny finoan'i Saraha, na dia efa antitra aza izy, no nahazoany ny hery hanan'anaka, na dia efa tena antitra aza izy hitondra zaza, satria nihevitra ilay nanome ilay fampanantenana azy ho mahatoky.” \f*
\v 12 Noho izany, avy amin'izany lehilahy izany, izay efa ho faty, no nahaterahan'ireo izay toy ireo kintana eny an-danitra ny hamaroany sy toy ny fasika manamorona ny ranomasina, izay tsy voaisa.
\v 13 Tao amin'ny finoana ireny rehetra ireny no maty tsy nandray ireo fampanantenana. Fa kosa, taorian'ny nahitana sy niarahabana azy ireo avy eny alavitra, dia nanaiky izy ireo fa vahiny sy sesi-tany ety an-tany.
\v 14 Ho an'ireo izay miteny toy izany zavatra izany dia manazava fa mitady tanindrazana izy ireo.
\v 15 Raha nieritreritra ny firenena izay nialany izy ireo, dia mety nanana fahafahana hiverina.
\v 16 Fa tahaka izany, naniry firenena tsaratsara kokoa izy ireo, ka izany, ilay any an-danitra. Noho izany tsy mahamenatra an'Andriamanitra ny voaantso hoe Andriamanitr'izy ireo, ka nanomana tanàna ho azy ireo Izy.
\v 21 Tamin'ny finoana Jakoba, tamin'izy efa ho faty, no nitso-drano ireo zanak'i Josefa tsirairay avy. Nivavaka Jakoba, nitehana tamin'ny lohan'ny tehiny.
\v 22 Tamin'ny finoana Josefa, rehefa nanakaiky ny fiafarany, no niresaka ny fiaingan'ny zanak'Israely avy any Egypta ary nanafarany ny amin'ny taolany.
\v 23 Tamin'ny finoana Mosesy, rehefa teraka izy, dia nafenin'ireo ray aman-dreniny nandritry ny telo volana satria hitan'izy ireo fa zaza tsara izy. Tsy natahotra ny didin'ny mpanjaka izy ireo.
\v 24 Tamin'ny finoana Mosesy, taorian'ny nahalehibe azy, no nandà ny hiantsoana azy ho zanaka lahin'ny zanaka vavin'i Farao.
\v 25 Fa kosa, nisafidy ny hijaly niaraka tamin'ny vahoakan'Andriamanitra izy, toy izay hankafy ireo fahafinaretan'ny fahotana mandritry ny fotoana fohy.
\v 27 Tamin'ny finoana no nialan'i Mosesy tany Egypta. Tsy natahotra ny fahatezeran'ny mpanjaka izy, fa niaritra izany toy ny nahitany ilay tsy hita maso.
\v 28 Tamin'ny finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, mba tsy hikasika ny zanaka lahimatoan'ireo Israelita ny mpandringana ny zanaka lahimatoa.
\v 29 Tamin'ny finoana no niampitan'izy ireo ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina. Rehefa nanandrana nanao izany ireo Egyptiana, dia voatelina izy ireo.
\v 1 Noho izany, satria isika voadidina vavolombelona maro be toy ny rahona, dia andeha isika hamela ny vesatra rehetra sy ny fahotana mora manodidina antsika. Andeha isika hihazakazaka am-paharetana ny fihazakazahana izay napetraka teo alohantsika.
\v 2 Andeha isika hitandrina amin'i Jesosy, ny mpampiatomboka sy mpanantanteraka ny finoana. Fa nohon'ny hafaliana izay napetraka teo anoloany, dia niaritra ny hazofijaliana Izy, tsy niraharaha ny henatr'izany, ary nipetraka teo an-tanan'an-kavanan'ny seza fiandrianan' Andriamanitra.
\v 3 Noho izany eritrereto ny momba Azy, ilay iray izay niaritra fanoherana toy izany avy tamin'ireo mpanota hanohitra ny tenany, mba tsy ho reraka ao am-ponareo ianareo ka hilavo lefona.
\v 5 ary adinonareo ny fampaherezana izay nampianarina anareo toy ny amin'ireo zanaka hoe: “Ry zanako lahy, aza manamaivana ny fitsipiky ny Tompo, na mihareraka raha ahitsiny ianareo.”
\v 7 Miareta fijaliana toy ny fitsipika. Andriamanitra dia mitondra anareo toy ny zanaka. Fa zanaka inona no teo ka tsy nofaizin'ny rainy?
\v 8 Fa raha tsy manana fitsipika ianareo, izay ananan'ny olona rehetra, dia zazasary ianareo fa tsy zanany.
\v 9 Ary koa, nanana ny ray ara-nofo toy ny mpanafay isika, ary nanaja azy ireo isika. Tsy tokony hankatoa kokoa ny Rain'ny fanahy ve isika ary ho velona?
\v 10 Fa etsy andaniny, ireo raintsika nanafay antsika nandritry ny andro vitsy araka izay marina tamin'izy ireo.
\v 11 Nefa etsy ankilany, Andriamanitra nanao izany ho an'izay tsara ho antsika mba hafahantsika manana anjara amin'ny fahamasinany. Tsy misy famaizana mitranga ho mahafinaritra, fa manaintaina aza. Kanefa izany aoriana kely dia mamokatra ny vokatra feno fiadanan'ny fahamarinana ho an'ireo izay nozarina tamin'izany.
\v 13 Manaova lalana mahitsy ho an'ny tongotrareo, mba izay malemy dia tsy hipitsoka fa ho sitrana aza.
\v 14 Manenjeha fiadanana miaraka amin'ny olona rehetra, ary ny fahamasinana ihany koa izay tsy hahitan'iza na iza ny Tompo raha tsy miaraka amin'izany.
\v 15 Mitandrema mba tsy hisy na iza na iza tsy hanana ny fahasoavan'Andriamanitra, ary tsy hisy fakan'ny fahangidiana mitombo hiteraka korontana, mba tsy ho maro no lasa voaloto amin'izany.
\v 16 Mitandrema mba tsy hisy fijangajangana na olona tsy an'Andriamanitra toa an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany ho an'ny sakafo iray.
\v 17 Fa ianareo mahafantatra fa rehefa afaka izany, rehefa naniry ny handova ny fitahiana izy, dia nolavina, satria tsy nahita irika amin'ny fibebahana izy, na dia nikatsaka izany tamin-dranomaso aza.
\v 18 Fa ianareo tsy tonga teo amin'ny tendrombohitra izay tsy azo kasihina, tendrombohitry ny afo mandoro, haizina, fahamaizinana, ary tafiotra.
\v 19 Ianareo dia tsy tonga teo amin'ny trompetra maneno mafy, na teo amin'ny feo izay miteny ireo teny izay ny mpihaino izany dia nangataka mba tsy hisy teny hafa ho lazaina amin'izy ireo.
\v 20 Fa izy ireo tsy afaka niaritra izay nodidiana hoe: “Fa na dia ny biby mikasika ny tendrombohitra aza, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany.”
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha dia mivaky toy izao: “Fa na dia biby iray izay mikasika ny tendrombohitra aza, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany na ho vonoina amin'ny zana-tsipika.” \f*
\v 26 Tamin'ny fotoana iray, ny feony nanozongozona ny tany. Fa ankehitriny Izy nampanantena sy niteny hoe: “Mbola hanozongozona indray mandeha tsy ny tany ihany aho, fa ny lanitra ihany koa.”
\v 4 Aoka ho hajain'ny tsirairay ny fanambadiana. Aoka ny fandrian'ny fanambadiana mba hadio, fa Andriamanitra dia hitsara ireo mpangala-badin'olona sy ireo mpijangajanga.
\v 10 Isika dia manana alitara izay tsy ananan'ireo izay manompo ny tabernakely fahefana hihinana.
\v 11 Fa ny ràn'ireo biby novonoina atao fanatitra ho an'ny ota dia nentin'ny mpisoronabe tao amin'ny toerana masina, nandritr'izany ny vatan'izy ireo dia nodorana tany ivelan'ny toby.
\v 21 dia hanatsara anareo amin'ny asa tsara rehetra mba hanaovana ny sitrapony. Izy anie hiasa ao anatintsika izay tena ankasitrahana eo anatrehany, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, izay homena ny voninahitra mandrakizay. Amena.