\v 45 Nahita an'i Natanaela i Filipo ka niteny taminy hoe: “Izy izay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy ireo mpaminany, hitanay Izy, dia Jesosy zanak'i Josefa, avy any Nazareta.”
\v 50 Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: “Satria ve Aho niteny taminao hoe: ‘Nahita anao teo ambanin'ny hazon'aviavy Aho,’ no hinoanao? Hahita zavatra tsara mihoatra noho izany ianao.”
\v 51 Avy eo Izy niteny hoe: “Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa hahita ny lanitra hisokatra ianareo, ary ireo anjelin'Andriamanitra hiakatra sy hidina eo ambonin'ny Zanak'Olona.”
\v 7 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: “Fenoy rano ny siny.” Ka nofenoin'izy ireo hatramin'ny molony izany.
\v 8 Nony avy eo dia hoy Izy tamin'ireo mpanompo hoe: “Manovoza amin'izany ary ento any amin'ny tompon'andraikitry ny fikarakarana.” Ka notanterahin'izy ireo izany.
\v 13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
\v 14 Nahita mpivarotr'omby, ondry ary voromailala tao an-tempoly Izy, ary nipetraka tao ihany koa ireo mpanakalo vola.
\v 15 Noho izany dia nanamboatra karavasy izy ka nandroaka azy rehetra hivoaka ny tempoly, na ny ondry na omby. Nandraraka ny volan'ireo mpanakalo vola Izy ary nananjera ny latabatr'izy ireo.
\v 3 Dia namaly azy Jesosy nanao hoe: “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy hahita ny fanjakan' Andriamanitra izy.”
\v 4 Nikodemosy niteny taminy hoe: “Amin'ny fomba ahoana no hahateraka ny olona iray raha efa antitra izy? Tsy afaka hiditra fanindroany ao an-kibon-dreniny izy ary hateraka, sa ve afaka?”
\v 5 Namaly Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina, dia marina tokoa, fa raha tsy nateraka tamin'ny rano sy ny fanahy ny zanak'olona, dia tsy afaka hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
\v 8 Ny rivotra mitsoka na aiza na aiza iriany; renao ny feony, fa tsy fantatrao izay niaviany na izay alehany. Tahaka izany avokoa izay ateraky ny Fanahy.”
\v 9 Namaly Nikodemosy ka niteny taminy hoe: “Ahoana ny fomba hahatanterahan'izany zavatra izany?”
\v 10 Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: “Mpampianatra an'Israely ve ianao, dia mbola tsy azonao ihany izany zavatra izany?
\v 11 Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa izay fantatray no resahanay, ary izahay manambara ny momba izay hitanay. Kanefa mbola tsy manaiky ny fanambaranay ianareo.
\v 12 Raha nanambara taminareo ny zavatra tety an-tany Aho nefa tsy hinoanareo, amin'ny fomba ahoana no hinoanareo Ahy raha hitantara aminareo ny zava-misy any an-danitra Aho?
\v 13 Tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany, dia Ilay zanak'Olona izany.
\v 14 Ary toy ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava tany an'efitra, no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,
\v 15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
\v 16 Fa tena tian'Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.
\v 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ilay Zanaka lahy ho amin'izao tontolo izao mba hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao amin'ny alalany.
\v 18 Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka sahady satria tsy nino ny anaran'ilay Zanaka lahy iray sy tokan'Andiamanitra.
\v 19 Izao no anton'ny fitsaràna: tonga teto amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa dia naleon'ny olombelona ny haizina toy izay ny mazava satria ratsy ireo asa nataony.
\v 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava ary tsy manatona izany mba tsy ho hita miharihary ireo asany.
\v 29 Ny ampakarina dia an'ny mpampakatra. Ary ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra nohon'ny amin'ny fahenoana ny feon'ny mpampakatra. Izany, ary, no mameno ny hafaliako.
\v 31 Izy izay avy any ambony dia ambonin'ny zava-drehetra. Izy izay avy eto an-tany dia avy eto an-tany ary miresaka momban'ny eto an-tany. Izay avy any an-danitra dia ambonin'ny zava-drehetra.
\v 32 Izy dia manambara ny momba izay hitany sy reny, kanefa dia tsy misy mandray ny fanambarany.
\v 33 Izay nandray ny fanambarany kosa dia nanamafy fa marina Andriamanitra.
\v 34 Fa ilay iray nirahin'Andriamanitra dia milaza ny tenin'Andriamanitra. Satria tsy nasiany fetra ny fanomezana ny Fanahy.
\v 35 Ny Ray tia ilay zanaka lahy ary nametraka ny zava-drehetra teo ampelan-tanany.
\v 9 Avy eo hoy ilay vehivavy samaritana taminy hoe: “Ahoana ianao, izay Jiosy, no mangataka amiko, izay vehivavy samaritana, rano ho sotroina?” Fa ireo Jiosy tsy misy hifandraisana amin'ny Samaritana.
\v 10 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: “Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra, sy izay miteny aminao hoe: ‘Omeo aho ho sotroiko,’ dia ianao indray no ho nangataka taminy, ka omeny rano velona.”
\v 11 Hoy ilay vehivavy taminy hoe: “Tompoko, Ianao dia tsy manana fanovozana ary ny fatsakana lalina. Koa aiza no hahazoanao rano velona?
\v 12 Ianao dia tsy lehibe, moa va, noho Jakoba razambentsika, izay nanome anay ny fatsakana sy nisotro tamin'izany ny tenany, tahaka ny nataon'ireo zanany sy ireo bibiny?”
\v 13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: “Izay rehetra misotro amin'ity rano ity dia mbola hangetaheta indray,
\v 14 fa na iza na iza misotro amin'ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay. Fa kosa, ny rano izay homeko azy dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny, izay mitondra any amin'ny fiainana mandrakizay.”
\v 15 Hoy ravehivavy taminy hoe: “Tompoko, omeo izany rano izany aho mba tsy hangetaheta sy ho tonga hatsaka eto intsony.”
\p
\v 16 Hoy Jesosy tamin-dravehivavy hoe: “Mandehana, antsoy ny vadinao, dia miverena aty.”
\v 20 Ireo razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity, kanefa ianareo manambara fa Jerosalema no toerana tokony hivavahan'ny olona.”
\v 21 Hoy Jesosy taminy hoe: “Minoa Ahy, ravehivavy, fa ho avy ny andro izay hideranareo ny Ray ka sady tsy amin'ity an-tendrombohitra ity no tsy any Jerosalema.
\v 22 Fa ianareo miankohoka amin'izay tsy fantatrareo. Izahay kosa miankohoka amin'izay fantatray, satria ny famonjena dia avy amin'ireo Jiosy.
\v 23 Kanefa, ho avy ny andro, ary tonga ankehitriny, rehefa hidera ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana ireo tena mpivavaka, satria ny Ray dia mitady olona tahaka izany ho mpidera Azy.
\v 32 Fa hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Izaho dia manana hanin-ko hanina izay tsy fantatrareo.”
\v 33 Ka nifampiteny ireo mpianatra hoe: “Tsy nisy olona nitondra zavatra ho hanina ho Azy, sa ve nisy?”
\v 34 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: “Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy ary manao ny asany.
\v 35 Moa Ianao tsy milaza hoe: “Efa-bolana sisa dia ho avy ny fararano?’ Lazaiko aminareo, hatopazo ny masonareo dia jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka ary ho jinjaina ireo!
\v 43 Taorian'ireo roa andro ireo, dia niala avy tao Izy hakany Galilia.
\v 44 Fa Jesosy mihintsy no nanambara fa ny mpaminany dia tsy manan-danja ao amin'ny taniny manokana.
\v 45 Rehefa tonga tao Galilia Izy, dia nandray Azy ireo Galiliana. Izy ireo dia nahita ny zavatra rehetra izay nataony tao Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana, satria nandeha tany amin'ny andro firavoravoana ihany koa izy ireo.
\v 46 Ary tonga tao Kana ao Galilia indray Izy, izay toerana nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa iray izay nanana zanaka lahy marary tao Kapernaony.
\v 47 Rehefa reny fa avy any Jodia ho any Galilia Jesosy, dia nankeo amin'i Jesosy izy ary nangataka taminy mba hidina ary hanasitrana ny zanany lahy, izay efa ho faty.
\f + \ft Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha tsara indrindra dia manala ny and. 4 hoe: “Fa nisy anjelin'ny Tompo iray nidina ka nampihetsika ny rano indraindray ary na iza na iza nandroso nankao rehefa nihetsika ny rano dia sitrana tamin'ireo aretina izay namparary azy na inona na inona.” \f*
\v 6 Rehefa hitan'i Jesosy nandry teo izy, sy taorian'ny nahatsapany fa efa an-taona maro izy no teo, dia hoy Izy taminy hoe: “Te-ho sitrana ve ianao?”
\v 7 Namaly ilay lehilahy marary hoe: “Tompoko, tsy manana na iza na iza aho handroboka ahy ao anaty farihy rehefa mihetsika ny rano. Rehefa mandeha aho, dia misy misosoka eo alohako.”
\v 8 Hoy Jesosy taminy hoe: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.”
\v 19 Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa ny Zanaka dia tsy afaka manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray ihany, fa na inona na inona ataon'ny Ray, dia ataon'ny Zanaka ihany koa ireo zavatra ireo.
\v 20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka nampiseho azy ny zavatra rehetra izay nataon'ny tenany, ary hampiseho azy zavatra lehibe mihoatra noho ireo Izy mba ho gaga ianareo.
\v 21 Fa tahaka ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany ihany koa no ameloman' ny Zanaka izay tiany.
\v 22 Fa ny Ray dia tsy mitsara na iza na iza, fa nomeny ny Zanaka ny fitsarana rehetra
\v 23 mba hanajan'ny rehetra ny Zanaka tahaka ny hanajan'izy ireo ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ilay Ray naniraka Azy.
\v 24 Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa izay mandre ny teniko sy mino izay naniraka Ahy dia manana ny fiainana mandrakizay ka tsy ho helohina, fa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.
\v 25 Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa avy ny ora, ary tonga izany ankehitriny, rehefa handre ny feon'ny Zanak'Andriamanitra ny maty, ary ho velona ireo izay mandre.
\v 26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ao Aminy, no nanomezana ny zanaka ihany koa mba hananany fiainana ao Aminy,
\v 27 ary nomen'ny Ray fahefana hitsara ny Zanaka noho Izy Zanak'olona.
\v 28 Aza gaga amin'izany, fa avy ny andro handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony
\v 29 ka hivoaka: ireo izay nanao ny tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho amin'ny fiainana, fa ireo izay nanao ny ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho amin'ny fitsarana.
\v 30 Tsy afaka manao na inona na inona raha Izaho ihany. Araka izay reko, no itsarako, ary ny fitsarako dia marina satria tsy mitady ny sitrapoko manokana Aho fa ny sitrapon'Izy izay naniraka Ahy.
\v 34 Kanefa ny fanambarana izay raisiko dia tsy avy amin'ny olona. Milaza izany zavatra izany Aho mba mety ho voavonjy ianareo.
\v 35 Jaona dia jiro nirehitra sy nanazava, ary ianareo naniry ny hifaly vetivety tao amin'ny fahazavany.
\v 36 Kanefa ny fanambarako dia mbola lehibe noho ny an'i Jaona, fa ireo asa nomen'ny Ray ho tanterahiko, ireo asa izay ataoko ireo, no manambara ny momba Ahy fa nirahin'ny Ray Aho.
\v 37 Ny Ray Izay naniraka Ahy mihintsy no nanambara Ahy. Tsy mbola nandre ny feony na nahita ny tavany ianareo.
\v 38 Ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino ilay nirahiny ianareo.
\v 39 Mitady ny Soratra Masina ianareo satria heverinareo fa ao amin'ireo no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireo Soratra Masina ireo ihany no manambara momba Ahy,
\v 40 kanefa tsy vonona ny hanatona Ahy ianareo mba hanananareo fiainana.
\v 15 Rehefa hitan'i Jesosy fa ho avy izy ireo haka Azy sy hanandratra Azy an-keriny ho mpanjaka, dia niverina teny an-tendrimbohitra irery indray Izy.
\v 21 Avy eo dia vonona ny handray Azy tao amin'ilay sambokely izy ireo, ary teo no eo dia tonga teny amin'ilay toerana alehan'izy ireo ilay sambokely.
\v 26 Jesosy namaly azy ireo, nanao hoe: “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa mitady Ahy ianareo, tsy nohon' ny nahitanareo famantarana, fa nohon'ny nihinanareo ny mofo ka voky.
\v 27 Aza miasa ho an'ny hanina mety levona, fa miasà ho an'ny hanina izay maharitra ho an'ny fiainana mandrakizay izay homen'ny Zanak'Olona anareo, satria Andriamanitra Ray no nanisy tombo-kase taminy.”
\v 32 Avy eo Jesosy namaly azy ireo hoe: “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
\v 33 Satria ny mofon'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao.”
\v 37 Ny rehetra izay omen'ny Raiko Ahy dia hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho ariako.
\v 38 Fa nidina avy any an-danitra aho, tsy mba hanao ny sitrapoko manokana, fa ny sitrapon'Izy izay naniraka Ahy.
\v 39 Ary izao no sitrapon'Izy izay naniraka Ahy, dia ny tsy hanariako izay rehetra nomeny Ahy, fa hanangana azy ireo amin'ny andro farany.
\v 40 Satria izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny mba hahazoan'ny rehetra izay mahita ny Zanaka sy mino Azy ny fiainana mandrakizay ary ho hatsangako amin'ny andro farany izy.
\v 41 Avy eo nimonomonona momba Azy ireo Jiosy satria Izy nilaza hoe: “Izaho no mofo nidina avy any an-danitra.”
\v 42 Ary hoy izy ireo hoe: “Tsy ilay Jesosy zanak'i Josefa ve io, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Ahoana ary no ilazany hoe: ‘Nidina avy any an-danitra Aho'?”
\v 43 Jesosy namaly ka nanao tamin'izy ireo hoe: “Ajanony ny fimonomononana eo anivonareo.
\v 45 Izany dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: ‘Hampianarin'Andriamanitra izy rehetra.’ Izay rehetra nandre sy nianatra tamin'ny Ray no manatona Ahy.
\v 51 Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Raha misy olona mihinana amin'ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy. Ny mofo izay homeko no nofoko ho an'ny fiainan'izao tontolo izao.”
\v 52 Niha-tezitra ireo Jiosy ka nanomboka niady hevitra, nanao hoe: “Ahoana no afahan'io lehilahy io manome antsika ny nofony hoanina?” Ary hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe:
\v 53 “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'Olona ianareo sy misotro ny ràny, dia tsy hanana fiainana ao aminareo.
\v 12 Nisy resaka be dia be momba Azy teo anivon'ireo vahoaka. Ny sasany milaza fa: “Lehilahy tsara Izy.” Ireo hafa miteny hoe: “Tsia, mitarika ny vahoaka any amin'ny fahaverezana Izy.”
\v 17 Raha misy olona maniry hanao ny sitrapony, dia hahafantatra momban'io fampianarana io izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na Izaho no miteny avy amin'ny tenako.
\v 18 Na iza na iza miteny avy amin'ny tenany dia mitady ny voninahitry ny tenany manokana, fa na iza na iza mitady ny voninahitr'izay naniraka azy, dia io olona io no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.
\v 22 Nomen'i Mosesy ny famoràna ianareo (tsy hoe avy amin'i Mosesy izany, fa avy amin'ireo razana), ary amin'ny Sabata dia mamora olona ianareo.
\v 23 Raha amin'ny Sabata no amoràna ny olona mba tsy ho voadika ny lalàn'i Mosesy, dia nahoana ianareo no tezitra amiko raha nanasitrana tanteraka olona iray tamin'ny Sabata Aho?
\v 26 Jereo, miresaka miharihary Izy, ary tsy misy miteny na inona na inona Azy izy ireo. Dia ho fantatrin'ny mpitondra tokoa ve fa Izy no Kristy, sa ahoana?
\v 33 Hoy Jesosy avy eo hoe: “Kely sisa ny fotoana hiarahako aminareo, dia handeha ho any amin'ilay naniraka Ahy Aho.
\v 34 Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay halehako, tsy ho azonareo aleha.”
\v 35 Noho izany ireo Jiosy dia nifampiresaka hoe: “Fa handeha ho aiza io lehilahy io no tsy ho vitantsika ny hitady Azy? Handeha ho any amin'ireo izay niparitaka nakany amin'i Grika dia hananatra ireo Grika ve?
\v 36 Ary inona ny dikan'ny teny nolazainy hoe: ‘Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay haleako, tsy ho azonareo aleha'?”
\v 12 Niteny tamin'izy ireo indray Jesosy, manao hoe: “Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy dia tsy handeha amin'ny haizina fa hanana ny fahazavan'ny fiainana.”
\v 13 Hoy ireo fariseo taminy hoe: “Ianao dia manambara ny tenanao; tsy marina ny fanambaranao.”
\v 14 Jesosy namaly ka nanao tamin'izy ireo hoe: “Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako. Fantatro ny nihaviako sy ny lalana alehako, fa ianareo kosa tsy mahafantatra izay nihaviako na izay alehako.
\v 19 Hoy izy ireo taminy hoe: “Aiza ny rainao?” Jesosy namaly hoe: “Tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; raha nahafantatra Ahy ianareo, dia mahafantatra ny Raiko ihany koa.”
\v 24 Noho izany, nambarako taminareo fa ho faty ao amin'ny fahotanareo ianareo. Fa raha tsy mino ianareo fa IZAHO NO IZY, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo.”
\v 28 Hoy Jesosy hoe: “Rehefa asandratrareo ny Zanak'Olona, dia ho fantatrareo fa izaho no IZY, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho. Araka ny nampianarin'ny Ray Ahy, no hilazako ireo zavatra ireo.
\v 41 Ianareo dia manao ny asan'ny rainareo.” Hoy izy ireo taminy hoe: “Tsy teraka tamin'ny fijangajangana izahay; iray ihany ny Rainay: dia Andriamanitra.”
\v 42 Jesosy niteny azy ireo hoe: “Raha Andriamaitra no rainareo, dia tokony ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nandehanako aty; fa tsy tonga ho azy Aho, fa Izy no naniraka Ahy.
\v 52 Hoy ireo jiosy taminy hoe: “Ankehitriny fantatray fa manana demonia Ianao. Efa maty Abrahama sy ireo mpaminany; kanefa ianao milaza hoe: ‘Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.’
\v 53 Tsy lehibe noho ny rainay Abrahama izay efa maty Ianao, sa ve lehibe? Ireo mpaminany ihany koa dia maty. Manao ny tenanao ho Iza moa Ianao?”
\v 54 Jesosy namaly hoe: “Raha mankalaza ny tenako Aho, dia ho tsinotsinona ny voninahitro; ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitra no mankalaza Ahy.
\v 55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho mahafantatra Azy. Raha milaza Aho hoe: ‘Tsy mahafantatra Azy Aho,’ dia ho tahaka anareo, mpandainga. Kanefa, fantatro Izy ka mitandrina ny teniny Aho.
\v 56 Ny rainareo dia nifaly nahita ny androko; nahita izany izy dia faly.”
\v 18 Ary mbola tsy nino ny momba azy ihany ireo Jiosy hoe izy dia efa jamba ka nahiratra raha tsy niantso ny ray aman-drenin'ilay lehilahy nahiratra izy ireo.
\v 22 Nilaza izany ireo ray aman-dreniny, satria natahotra ireo jiosy izy ireo. Satria efa nifanaiky ireo jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia ho roahina hiala ao amin'ny synagoga izy.
\v 25 Avy eo dia namaly ilay lehilahy hoe: “Tsy fantatro aloha raha mpanota Izy. Ny hany fantatro dia izao: efa jamba aho taloha, fa ankehitriny aho mahita.”
\v 26 Avy eo dia hoy izy ireo taminy hoe: “Fa inona no nataony taminao? Ahoana ny fomba nampahiratany ny masonao?”
\v 27 Dia namaly izy hoe: “Efa nambarako taminareo, fa tsy nihaino ianareo! Ka nahoana ianareo no te-hihaino izany indray? Te-ho isan'ny mpianany ihany koa ve ianareo, sa tsy izany?”
\v 28 Naneso azy izy ireo ka niteny hoe: “Ianao no mpianany, fa izahay mpianatr'i Mosesy.
\v 29 Fantatray fa efa niresaka tamin'i Mosesy Andriamanitra, fa raha izany lehilahy izany dia tsy fantatray izay nihaviany.”
\v 30 Dia namaly ilay lehilahy ka nanao tamin'izy ireo hoe: “Mahagaga izany, tsy fantatrareo izay niaviany, kanefa nampahiratra ny masoko Izy.
\v 33 Koa raha tsy avy amin'Andriamanitra izany lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona.”
\v 34 Ary dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: “Tena teraka tamin'ny ota ianao, dia ianao indray ve no hampianatra anay?” Avy eo dia noroahin'izy ireo hivoaka izy.
\v 39 Jesosy nilaza hoe: “Fa fitsarana no nahatongavako eto amin'izao tontolo izao mba hahiratra ireo izay jamba ary mba ho tonga jamba ireo izay mahiratra.”
\v 40 Nandre izany ny sasany tamin'ireo Fariseo izay niaraka taminy ka nanontany Azy hoe: “Ary izahay ihany koa ve jamba?”
\v 41 Fa Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: “Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka, fa ianareo kosa ankehitriny milaza hoe: ‘Mahiratra izahay,’ dia mbola mitoetra ny helokareo.”
\v 1 “Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa izay tsy miditra ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika lalana hafa, dia mpangalatra sy mpandroba izy.
\v 8 Izay rehetra tonga talohako dia mpangalatra sy mpandroba, satria tsy nihaino azy ireo ny ondry.
\v 9 Izaho no vavahady. Raha misy miditra ao amin'ny alalako, dia ho voavonjy izy; hiditra sy hivoaka izy ary hahita ny fihinanana.
\v 10 Fa ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handrava. Fa Izaho kosa avy mba hananan'izy ireo fiainana ary hanana izany be dia be.
\v 11 Izaho no mpiandry tsara. Ny mpiandry tsara dia manolotra ny ainy hamonjena ny ondriny.
\v 12 Ny mpikarama dia tsy mpiandry ary tsy tompon'ny ondry. Raha nahita ambodia manatona izy dia handao ny ondry ka hitsoaka, ary ny ambodia misambotra sy mampiparitaka azy ireo.
\v 13 Mandositra izy satria mpikarama ka tsy miraharaha ny ondry.
\v 14 Izaho no mpiandry ondry tsara, ary fantatro ny Ahy, ary fantany Aho.
\v 15 Ny Ray mahafantatra Ahy, ary Izaho mahafantatra ny Ray, ary Izaho manolotra ny aiko ho an'ny ondry.
\v 16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho. Tsy maintsy ho entiko ihany koa ireny, ary izy ireo handre ny feoko mba ho tonga andiany iray ihany sy mpiandry iray.
\v 17 Izao no antony hitiavan'ny Ray Ahy: mahafoy manolotra ny aiko Aho mba handraisako izany indray.
\v 24 Avy eo notangoronan' ireo Jiosy Izy ary niteny taminy hoe: “Mandrapaha- rahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, dia hambarao miharihary aminay.”
\v 25 Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: “Efa nanambara anareo aho, fa tsy mino ianareo. Ireo asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko, ireo no manambara ny mahakasika Ahy.
\v 33 Namaly Azy ireo Jiosy hoe: “Tsy ny asa tsara no hitorahanay vato anao, fa ny fitenenan-dratsy, satria ianao, olombelona, dia manao ny tenanao ho Andriamanitra.”
\v 34 Namaly azy ireo Jesosy hoe: “Tsy efa voasoratra ao amin'ny lalànareo ve hoe: ‘Hoy Aho hoe: “andriamanitra ianareo"'?
\v 36 moa ve ilay nohamasinin'ny Ray sy nirahina ho amin'izao tontolo izao no ataonareo hoe: ‘Miteny ratsy Ianao,’ noho Izaho niteny hoe: ‘Izaho no Zanak'Andriamanitra'?
\v 38 Fa raha manao ireny Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ireo asa mba hahafantaranareo sy hahazoanareo fa ny Ray dia ato Amiko ary Izaho ao amin'ny Ray.”
\v 3 Ary ireo mpirahavavy naniraka olona ho any amin'i Jesosy, nilaza hoe: “Tompo, jereo, fa marary ilay tianao.”
\v 4 Rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy hoe: “Tsy fahafatesana no hiafaran'ity aretina ity, fa kosa ho fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra mba hanandratana ny Zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'izany.”
\v 7 Ary taorian'izany, dia niteny tamin'ireo mpianatra Izy hoe: “Andeha isika ho any Jodia indray.”
\v 8 Hoy ireo mpianatra taminy hoe: “Raby, amin'izao dia mikasa ny hitora-bato Anao ireo Jiosy, ka mbola hiverina ho any indray ve Ianao?”
\v 9 Ary namaly Jesosy hoe: “Tsy roa ambin'ny folo ora ve ny fahazavan'ny andro? Raha misy olona mandeha amin'ny andro mazava, dia tsy ho tafintohina izy, satria mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
\v 10 Kanefa, raha mandeha amin'ny alina izy, dia ho tafintohina satria tsy ao aminy ny fahazavana.”
\v 29 Rehefa ren'i Maria izany, dia nitsangana faingana izy dia nankany aminy.
\v 30 Ary Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna fa mbola teo amin'ilay toerana nihaonan'i Marta taminy ihany.
\v 31 Noho izany ireo Jiosy, izay niaraka taminy tao an-trano sy nampahery azy, rehefa nahita an'i Maria nitsangana faingana ka lasa nivoaka, dia nanaraka azy, nihevitra fa handeha hitomany any amin'ny fasana izy.
\v 32 Rehefa tonga teo amin'ny toerana nisy an'i Jesosy i Maria ka nahita Azy, dia niankohoka izy ary niteny taminy hoe: “Tompo, raha teto ianao, dia tsy maty ny anadahiko.”
\v 36 Avy eo hoy ireo Jiosy hoe: “Jereo ny haben'ny fitiavany an'i Lazarosy!”
\v 37 Fa ny sasany tamin'izy ireo niteny hoe: “Moa ve tsy hain'ity lehilahy ity, izay nampahiratra ny mason'ilay jamba, ny manao izay tsy ho nahafaty ity lehilahy ity koa?”
\v 41 Dia nohesorin'izy ireo ny vato. Jesosy nanandratra ny masony ka niteny hoe: “Ray ô, misaotra Anao Aho satria nihaino Ahy Ianao.
\v 42 Fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao, fa nohon'ny vahoaka mijoro manodidina Ahy no nilazako izany, mba hafahan'izy ireo mino fa Ianao no naniraka Ahy.”
\v 47 Avy eo ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo namory ny Synedriona niaraka ary nanao hoe: “Inona no hataontsika? Ity lehilahy ity dia manao famantarana maro.
\v 48 Raha avelantsika amin'izao Izy, dia hino Azy ny rehetra; ary ho avy ny Romana haka ny tananàntsika sy ny firenentsika.”
\v 51 Ary izay nolazainy dia tsy nataony ho azy ihany. Fa kosa, noho izy mpisoronabe tamin'io taona io, dia naminany fa tokony ho faty ho an'ny firenena Jesosy;
\v 52 ary tsy ho an'ny firenena fotsiny ihany, fa mba hampiray ny zanak'Andriamanitra izay niparitaka koa.
\v 53 Ka nanomboka tamin'io andro io dia nanao tetika ny fomba hamonoana an'i Jesosy izy ireo.
\v 55 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ary maro tamin'ireo tany ivelan'ny tanàna no niakatra tao Jerosalema mialohan'ny Paska mba hanadio ny tenan'izy ireo.
\v 57 Ary efa nanome baiko ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo fa raha misy mahalala ny misy an'i Jesosy, dia tokony milaza izy mba hisamboran'izy ireo Azy.
\v 1 Enin'andro mialohan'ny Paska, dia tonga tao Betania Jesosy, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay efa natsangan'i Jesosy tamin'ny maty.
\v 2 Ka nanao sakafo ho Azy izy ireo, ary Marta no nandroso azy ireo, fa Lazarosy kosa dia anisan'ireo niara-nipetraka tamin'i Jesosy teo amin'ny latabatra.
\v 3 Avy eo Maria naka menaka manitra iray litatra izay vita tamin'ny narda sarobidy, ka nanosotra ny tongotr'i Jesosy tamin'izany, ary namafa ny tongony tamin'ny volon-dohany. Feno ny hanitr'ilay menaka ny trano.
\v 24 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa raha tsy latsaka amin'ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra amin'ny tenany irery izany; fa raha maty izany, dia hamokatra be.
\v 25 Izay tia ny fiainany dia hanary izany; fa izay mankahala ny fiainany eto amin'izao tontolo izao kosa dia hitazona izany ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
\v 26 Raha misy manompo Ahy, aoka izy hanaraka Ahy; ary izay hitoerako, dia ao ihany koa no hitoeran'ny mpanompoko. Raha misy manompo Ahy, dia hanome voninahitra azy ny Ray.
\v 27 Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko ary inona no tokony ho teneniko? ‘Ray o, vonjeo amin'ity ora ity Aho'? Kanefa noho izany antony izany no nahatongavako amin'izao fotoana izao.
\v 28 Ray o, hankalazao ny anaranao.” Avy eo nisy feo nanako avy any an-danitra nanao hoe: “Efa nankalazaiko izany ary mbola ho hankalazaiko indray.”
\v 29 Ary ireo vahoaka nitsangana teo sy nandre izany dia nilaza fa nisy kotroka teo. Ny sasany nilaza hoe: “Nisy anjely niresaka taminy.”
\v 30 Jesosy namaly ary niteny hoe: “Izany feo izany dia tsy tonga ho Ahy, fa ho anareo.
\v 34 Ireo vahoaka namaly Azy hoe: “Renay tamin'ny lalàna fa Kristy dia hijanona mandrakizay. Ahoana no hafahanao milaza hoe: ‘Ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hasandratra'? Iza izany Zanak' Olona izany?”
\v 35 Avy eo Jesosy niteny azy ireo hoe: “Ny hazavana dia mbola hiaraka aminareo mandritry ny fotoana fohy. Mandehana dieny mbola manana hazavana, mba tsy hafahan'ny haizaina mialoha anareo. Izay mandeha amin'ny haizina dia tsy mahalala ny lalana alehany.
\v 36 Raha mbola manana ny hazavana ianareo, dia minoa izany mba ho zanakin'ny hazavana ianareo.” Jesosy nilaza ireo zavatra ireo ary avy eo dia tsy hita ary niery azy ireo.
\v 42 Kanefa na izany aza, dia maro tamin'ireo mpanapaka no nino an'i Jesosy; fa noho ireo Fariseo, dia tsy niaiky izany izy ireo mba tsy ho voasakana ho ao amin'ny synagoga.
\v 43 Tian'izy ireo kokoa ny fiderana avy amin'ny olona noho ny fiderana avy amin'Andriamanitra.
\v 1 Ary andro mialohan'ny firavoravoan'ny Paska izao. Fantatr'i Jesosy fa tonga ny ora hialany eto amin'izao tontolo izao ka handeha any amin'ny Ray. Rehefa nitia ny mpiara-dia taminy teto amin'izao tontolo izao Izy, dia nitia azy ireo hatramin'ny farany.
\v 2 Ary ny devoly dia efa nametraka izao tao an-tsain'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, dia ny hamadihana an'i Jesosy.
\v 3 Izy dia nahafantatra fa ny zavatra rehetra dia efa napetrakin'ny Ray teo am-pelatanany ary Izy dia avy amin'Andriamanitra ary hiverina any amin' Andriamanitra.
\v 4 Nitsangana Izy teo am-pisakafoana ary nanala ny akanjony ivelany. Avy eo Izy naka lamba ary nisalotra izany.
\v 5 Avy eo nandraraka rano tao anaty siny Izy dia nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianatra ary namafa azy ireo tamin'ilay lamba nisalorany.
\v 6 Nanatona an'i Simona Petera Izy, ary hoy Petera taminy hoe: “Tompo, hanasa ny tongotro ve Ianao?”
\v 7 Jesosy namaly ary niteny taminy hoe: “Izay ataoko dia mbola tsy ho azonao izao ny heviny, fa ho azonao ihany izany any aoriana.”
\v 8 Hoy Petera taminy hoe: “Tsy hanasa ny tongotro mihintsy Ianao.” Jesosy namaly azy hoe: “Raha tsy manasa ny tongotrao Aho, dia tsy manana anjara ato amiko ianao.”
\v 9 Hoy Simona Petera taminy hoe: “Tompo, aza ny tongotro ihany no sasana, fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.”
\v 10 Hoy Jesosy taminy hoe: “Izay efa nandro dia tsy mila izany, afa-tsy ny manasa tongony ihany, fa izy dia efa madio tanteraka; ianao dia madio, fa tsy ny rehetra nefa.”
\v 11 (Satria efa fantatr'i Jesosy hoe iza ilay hamadika Azy; izany no antony nilazany hoe: “Tsy ianareo rehetra no madio.”)
\v 12 Ka rehefa avy nanasa ny tongotr'izy ireo Jesosy sy naka ireo lambany ka nipetraka indray, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Fantatrareo ve ny nataoko ho anareo?
\v 14 Kanefa raha Izaho, sady Tompo no mpampianatra, no nanasa ny tongotrareo, ianareo ihany koa dia tokony hifanasa ny tongotrareo.
\v 15 Satria efa nanome ohatra ho anareo Aho ka mba tokony hanao toy izay nataoko ho anareo ihany koa ianareo.
\v 16 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa ny mpanompo dia tsy lehibe kokoa noho ny tompony; na koa ny mpitondra hafatra dia tsy lehibe kokoa noho ilay naniraka azy.
\v 17 Raha fantatrareo ireo zavatra ireo, dia ho tahiana ianareo raha manatanteraka izany.
\v 18 Tsy ianareo rehetra no resahiko; fantatro ireo izay nofidiako—fa izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: ‘Izay mihinana ny mofoko dia nanandratra ny vodi-tongony hamadika Ahy.’
\v 29 Ny sasany nieritreritra hoe, satria Jodasy no nitazona ny kitapom-bola, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: “Vidio ny zavatra rehetra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana,” na hoe tokony hanome zavatra ho an'ny mahantra izy.
\v 36 Hoy Simona Petera taminy hoe: “Tompo, fa andeha ho aiza Ianao?” Namaly Jesosy hoe: “Izay alaehako, dia tsy afaka hanarahanareo Ahy izao, fa hanaraka ianareo any aoariana.”
\v 37 Dia hoy Petera taminy hoe: “Tompo, nahoana aho no tsy afaka manaraka Anao izao? Hafoiko ho Anao ny aiko.”
\v 38 Dia namaly Jesosy hoe: “Hafoinao ho Ahy ve ny ainao? Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa mbola tsy haneno akory ny akoho dia efa handà Ahy in-telo ianao.”
\v 8 Hoy Filipo tamin'i Jesosy hoe: “Tompo, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izany.”
\v 9 Hoy Jesosy taminy hoe: “Efa hatry ny ela no niarahako taminareo dia mbola tsy fantatrareo foana ve Aho, ry Filipo? Na iza na iza nahita Ahy dia nahita ny Ray. Koa ahoana no hitenenanao hoe: ‘Asehoy anay ny Ray'?
\v 10 Tsy mino ve ianareo fa ao amin'ny Ray Aho ary ny Ray ato amiko? Ireo teny izay lazaiko aminareo dia tsy lazaiko avy amin'ny fahefako manokana, fa ilay Ray velona ato anatiko no manao ny asany.
\v 11 Minoa Ahy fa Izaho dia ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko, raha tsy izany dia minoa noho ireo asa manokana.
\v 12 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, izay mino Ahy dia hanao ny asa izay ataoko, ary hanao asa lehibe mihoatra noho ireny izy satria ho any amin'ny Ray Aho.
\v 13 Na inona na inona angatahinareo amin'ny Anarako, dia tanterahiko izany mba hanomezam-boninahitra ny Ray ao amin'ny Zanaka.
\v 14 Raha mangataka zavatra amin'ny anarako ianareo, dia ho tanterahiko izany.
\v 21 Izay manana ireo didiko ka mitandrina ireny dia izy ilay tia Ahy, ary izay tia Ahy dia ho tiavin'ny Raiko koa, ary Izaho hitia azy sy hiseho aminareo.”
\v 28 Efa renareo Aho niteny taminareo hoe: ‘Andeha Aho, ary hiverina any aminareo indray.’ Raha nitia Ahy ianareo, dia tokony hiravoravo satria hankany amin'ny Ray Aho, satria ny Ray dia lehibe kokoa noho Izaho.
\v 4 Mitoera ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampana tsy afaka mamokatra voankazo amin'ny tenany raha tsy mitoetra ao amin'ny voaloboka izany, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao amiko.
\v 5 Izao no voaloboka, ianareo no sampana. Izay mitoetra ato Amiko ary Izaho ao Aminy, dia mamokatra be izy, fa raha tsy misy Ahy dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
\v 6 Raha misy olona tsy mitoetra ao Amiko, dia ho ariana tahaka ny sampana izy ary halazo, ary izy ireo manangona ireo sampana ary manary izany any amin'ny afo, ary may izy ireo.
\v 7 Raha mitoetra ao Amiko ianareo, ary raha mitoetra ao aminareo ireo teniko, angataho na inona na inona irianareo, dia ho atao aminareo izany.
\v 8 Ny Raiko dia omem-boninahitra amin'izao, dia ny hamokaranareo voankazo bebe kokoa ka ho porofo fa mpianatro ianareo.
\v 9 Tahaka ny nitiavan'i Ray Ahy, no nitiavako anareo. Mitoera ao amin'ny fitiavako.
\v 10 Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy nitoerako tao amin'ny fitiavany.
\v 11 Nilaza ireny zavatra ireny taminareo Aho mba ho ao aminareo ny fifaliako ary mba ho feno ny fifalianareo.
\v 12 Izao no didiko, dia ny hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
\v 13 Tsy misy manam-pitiavana lehibe mihoatra noho izao, dia ny manolotra ny ainy ho an'ireo sakaizany.
\v 15 Tsy hiantso anareo hoe mpanompoko intsony Aho, satria ny mpanompo dia tsy mahafantatra izay ataon'ny tompony. Nantsoiko hoe namako ianareo, satria ny zavatra rehetra izay reko tamin'ny Raiko, dia nampahafantariko anareo.
\v 16 Tsy nifidy Ahy ianareo, fa Izaho no nifidy anareo ary nanendry anareo mba andeha ka hamokatra, ary mba tokony hitoetra ny vokatrareo. Natao izany mba na inona na inona angatahinareo amin'ny Ray amin'ny Anarako, dia homeny anareo izany.
\v 17 Ireny zavatra ireny no andidiko anareo mba hifankatiavanareo.
\v 20 Tsarovy ny teny nolazaiko taminareo hoe: ‘Ny mpanompo dia tsy lehibe noho ny tompony.’ Raha nanenjika Ahy izy ireo, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy ireo, dia hitandrina ny anareo koa.
\v 22 Raha tsy tonga sy niteny tamin'izy ireo Aho, dia tsy ho nanota izy ireo, fa ankehitriny tsy afa-miala amin'ny fahotany izy ireo.
\v 23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko ihany koa.
\v 24 Raha tsy nahavita ireo asa izay tsy nataon'ny olon-kafa teo anivon'izy ireo Aho, dia tsy ho nanan-keloka izy ireo, fa ankehitriny efa sady hitany no halany Izaho sy ny Raiko.
\v 2 Ho roahin'izy ireo ao amin'ny synagoga ianareo. Fa tonga ny andro rehefa hihevitra izay rehetra mamono anareo fa izy ireo dia manolotra zavatra tsara ho an'Andriamanitra.
\v 3 Ho ataon'izy ireo izany satria tsy mahalala ny Ray na ny Tenako izy ireo.
\v 4 Nolazaiko anareo ireo zavatra ireo mba rehefa avy ny oran'izy ireo, dia ho tsaroanareo fa efa nolazaiko taminareo ny momba azy ireo. Tsy nambarako taminareo ireo zavatra ireo tany am-piandohana, satria mbola teo aminareo Aho.
\v 6 Fa satria nolazaiko taminareo ireo zavatra ireo, dia alahelo no nameno ny fonareo.
\v 7 Fa lazaiko marina aminareo, tsara kokoa ho anareo ny handehanako. Satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho tonga aminareo ny Mpampahery, fa raha mandeha Aho, dia handefa azy ho aminareo.
\v 8 Rehefa tonga izy, dia hanaporofo amin'izao tontolo izao ho diso momban'ny fahotana, ny fahamarinana, ary moban'ny fitsarana—
\v 16 Afaka fotoana fohy dia tsy hahita Ahy intsony ianareo, ary afaka fotoana fohy hafa dia hahita Ahy indray ianareo.”
\v 17 Avy eo ny sasany tamin'ireo mpianany nifampiresaka hoe: “Inona ary izany lazainy antsika izany hoe: ‘Afaka fotoana fohy dia tsy hahita Ahy intsony ianareo ary afaka fotoana fohy hafa dia hahita Ahy indray ianareo,’ sy hoe: ‘Satria ho any amin'ny Ray Aho'?”
\v 20 Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa hitomany ianareo ary hitaraina, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho feno alahelo ianareo, kanefa ho lasa hafaliana izany alahelonareo izany.
\v 21 Rehefa mihetsi-jaza ny vehivavy iray dia malahelo satria tonga ny fotoany, fa rehefa teraka kosa ilay zazakely, dia tsy tsaroany intsony ny alahelony nohon'ny hafaliany fa nisy zazakely teraka eo amin'izao tontolo izao.
\v 22 Ka malahelo ianareo ankehitriny, kanefa Aho mbola hiaona aminareo indray, ary ho faly ny fonareo, ary tsy hisy hanaisotra izany hafalianareo izany aminareo.
\v 23 Amin'izany andro izany dia tsy hangataka amiko na inona na inona ianareo. Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, raha mangataka na inona na inona amin'ny Ray amin'ny anarako ianareo, dia homeny anareo izany.
\v 24 Hatramin'izao anefa tsy mbola nanagataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo. Mangataha, dia homena ianareo mba ho feno ny hafalianareo.
\v 1 Rehefa avy niteny ireo zavatra ireo Jesosy, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: “Ray ô, tonga ny fotoana, mankalazà ny Zanakao mba hankalazan'ny Zanaka Anao_
\v 7 Ankehitriny fantatr'izy ireo fa ny zavatra rehetra izay nomenao Ahy dia avy aminao,
\v 8 satria nomeko azy ireo avokoa ny teny izay nomenao Ahy. Noraisin'izy ireo ireny ary fantany marina tokoa fa avy taminao Aho, ary nino izy ireo fa Ianao no naniraka Ahy.
\v 9 Mivavaka ho azy ireo Aho. Tsy mivavaka ho an'izao tontolo izao Aho fa ho an'ireo izay nomenao Ahy, noho izy ireo Anao.
\v 10 Ny zavatra rehetra izay Ahy dia Anao, ary izay Anao dia Ahy, ary hankalazaina amin'ireny Aho.
\v 11 Tsy amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa ireo olona ireo dia eto amin'izao tontolo izao, ary manatona anareo Aho. Ray Masina o, tazomy amin'ny anaranao izay nomenao Ahy izy ireo mba hitambatra ho iray, tahaka ny maha iray Antsika.
\v 12 Raha mbola teo amin'izy ireo Aho, dia nihazona azy ireo tamin'ny anaranao, izay nomenao Ahy. Niaro azy ireo Aho, ary tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ny zanaky ny fahaverezana ihany, mba ho tanteraka ny Soratra Masina.
\v 20 Izaho dia tsy mivavaka ho an'ireo fotsiny, fa ho an'ireo izay hino Ahy amin'ny alalan'ny tenin'izy ireo koa
\v 21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao. Mivavaka Aho mba ho ao amintsika ihany koa izy ireo mba hinoan'izao tontolo izao fa naniraka Ahy Ianao.
\v 22 Ny voninahitra izay nomenao Ahy, dia nomeko azy ireo, mba ho iray izy ireo, tahaka ny maha iray antsika.
\v 23 Izaho ao amin'izy ireo, ary Ianao ato amiko—ka ho tena iray tanteraka tokoa izy ireo, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa naniraka Ahy Ianao, ary nitia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.
\v 26 Nampahafantariko azy ireo ny anaranao, ary mbola ho hampahafantariko izany mba ho ao amin'izy ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho ho ao amin'izy ireo.”
\v 16 fa Petera dia nijoro tao ivelan'ny vavahady. Noho izany ilay mpianatra hafa, izay fantatry ny mpisoronabe, dia nivoaka ka niresaka tamin'ilay mpanompo vavy izay mpiambina ny vavahady ary nitondra an'i Petera hiditra.
\v 28 Avy eo nentin'izy ireo avy tao amin'i Kaiafa ho any anaty rova Jesosy. Mbola maraina be ny andro tamin'izany, ary izy ireo dia tsy niditra tao anaty rova mba tsy ho voaloto fa efa hihinana ny Paska.
\v 33 Avy eo niditra tao anaty rova indray Pilato ka niantso an'i Jesosy ary niteny taminy hoe: “Ianao ve no mpanjakan'ny Jiosy?”
\v 34 Jesosy namaly hoe: “Manontany avy amin'ny tenanao ve ianao, sa nisy hafa niteny anao momba Ahy?”
\v 35 Pilato namaly hoe: “Tsy Jiosy aho, sa tsy izany?” Ny vahoakanao sy ireo lohan'ny mpisorona no nanolotra anao tamiko. Inona no nataonao?”
\v 36 Jesosy namaly hoe: “Ny fanjakako dia tsy avy eto amin'izao tontolo izao. Fa raha mba ao anatin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia hiady ireo mpanompoko mba tsy hanolorana Ahy amin'ireo Jiosy. Fa ankehitriny ny fanjakako dia tsy avy ety.”
\v 37 Avy eo Pilato niteny taminy hoe: “Mpanjaka ary ve izany Ianao?” Jesosy namaly hoe: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Fa ho amin'izany tanjona izany no nahaterahako, ary ho amin'izany antony izany no niaviko eto amin'izao tontolo izao, mba hijoroko vavolombelona amin'ny fahamarinana. Ireo rehetra izay an'ny fahamariana dia mihaino ny feoko.”
\v 39 Fa ianareo manana fomba izay hanafahako olona iray ho aminareo amin'ny Paska. Noho izany tianareo ve ny hanafahako aminareo ny mpanjakan'ny Jiosy?”
\v 40 Avy eo ireo nihiaka mafy indray izy ireo ary niteny hoe: “Tsy io lehilahy io, fa Barabasy.” Ary Barabasy dia mpangalatra.
\v 31 Satria andron'ny fihomanana tamin'izany, ka mba tsy hijanona eo amin'ny hazofijaliana mandritry ny Sabata (satria ny Sabata dia andro manan-danja manokana) ireo vata-mangatsiaka, dia nangataka tamin'i Pilato ireo Jiosy avy eo, ny mba hanapahana ny tongotr'izy ireo ary hanalana azy ireo.
\v 32 Avy eo nanatona ireo miaramila ka nanapaka ny tongotr'ilay lehilahy voalohany sy ilay lehilahy faharoa izay voahombo niaraka tamin'i Jesosy.
\v 33 Rehefa nanatona an'i Jesosy izy ireo, dia nahita fa efa maty Izy, ka tsy notapahin'izy ireo ny tongony.
\v 34 Kanefa, nisy miaramila iray nanindrona ny lanivoany tamin'ny lefona, ary avy hatrany dia nisy rà sy rano niraraka.
\v 35 Ilay iray izay nahita izany dia nijoro vavombelona, ary marina ny fanambarany. Fantany fa marina izay nolazainy mba hinoanareo ihany koa.
\v 38 Taorian'ireo zavatra ireo, Josefa avy ao Arimatia, hatramin'ny naha-mpianatr'i Jesosy azy (fa tao amin'ny mangingina nohon'ny fatahorana ireo Jiosy), nanontany an'i Pilato raha afaka maka ny vatan'i Jesosy izy. Nomen'i Pilato alalana izy. Ka tonga Josefa ary naka ny vatany.
\v 39 Tonga tany ihany koa Nikodemosy, izy izay tonga voalohany hijery an'i Jesosy ny alin'iny. Ary nitondra menaka manitra sy vahona izy, teo amin'ny zato litatra teo ny fatrany.
\v 40 Ka noraisin'izy ireo ny vatan'i Jesosy ary namono izany tamin'ny lambam-paty sy zava-manitra, araka ny fomba fandevenana Jiosy.
\v 15 Hoy Jesosy taminy hoe: “Ravehivavy, Nahoana ianao no mitomany? Fa iza no jerenao?” Noheveriny fa ilay mpiambina anefa Izy, ka hoy izy taminy hoe: “Tompoko, raha Ianao no naka Azy, dia lazao amiko ny nametrahanao Azy, fa ho alaiko any Izy.”
\v 17 Hoy Jesosy taminy hoe: “Aza mikasika Ahy, fa tsy mbola niakatra any amin'ny Ray Aho, fa mandehana any amin'ireo rahalahiko ary teneno azy ireo fa hiakatra any amin'ny Raiko sy Rainareo Aho, ary ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo.”
\v 30 Ankehitriny Jesosy dia nanao famantarana maro hafa teo anatrehan'ireo mpianany, famantarana izay tsy voasoratra tao anatin'ity boky ity,
\v 31 fa ireo dia voasoratra mba hafahanareo mino fa Jesosy no Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra, ary rehefa mino Azy ianareo, dia hahazo ny fiainana amin'ny anarany.
\v 6 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: “Atsipazo eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo.” Ka dia natsipin'izy ireo ny haraton'izy ireo ary tsy nahavita nampiakatra izany tao nohon'ny habetsaky ny hazandrano.
\v 7 Avy eo hoy ilay mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera hoe: “Ny Tompo io.” Rehefa ren'i Simona Petera fa ny Tompo io, dia nampiditra ny ambonin'ankanjony izy (satria tsy niakanjo izy), ka nitsambikina tao anaty ranomasina.
\v 25 Misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy. Raha voasoratra tsirairay avy izany, dia heveriko fa na dia izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky izay ho soratana.