\v 4 Hoy Yaveh tamin'i Hosea hoe: “Ataovy hoe Jezirela ny anarany. Fa ao anatin'ny fotoana fohy dia hanasazy ny ankohonan'i Jeho Aho nohon'ny fandatsahan-drà tany Jezirela, ary hamarana ny fanjakan'ny ankohonan'Israely Aho.
\v 5 Amin'izany andro izany dia ho tapahiko ao amin'ny Lohasahan'i Jezirela ny tsipìkan'Israely.”
\v 10 Fa ny isan'ny ankohonan'Israely kosa dia ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hay afatra na isaina. Ary amin'ny toerana izay nitenenana tamin'izy ireo hoe: ‘Tsy oloko ianareo,’ no hilazana amin'izy ireo hoe: ‘Olon'ilay Andriamanitra velona ianareo.’
\v 11 Hiangona ny mponin'i Joda sy ny mponin'Israely. Hanendry mpitarika iray ho azy izy ireo, ary hiakatra avy amin'ny tany izy ireo, fa ho lehibe ny andron'i Jezirela.
\v 2 Manaova fitoriana hanohitra ny reninao, Manaova fitoriana, satria tsy vadiko izy, ary Izaho tsy vadiny. Aoka izy hanala ny fivarotan-tenany tsy ho eo anoloany, sy ireo fihetsika fijangajangany tsy ho eo anelanelan'ny nonony.
\v 3 Raha tsy izany, haboridako izy ka hasehoko ny fitanjahany tahaka ny tamin'ny andro nahaterahany. Hataoko tahaka ny efitra izy, tahaka ny tany karakaina, ary hataoko matin'ny hetaheta izy.
\v 5 Satria ny renin'izy ireo dia efa mpivaro-tena, ary izy izay nitondra vohoka azy ireo dia efa nanao fihetsika mahamenatra. Hoy izy hoe: “Hanaraka ireo olon-tiako aho, satria izy ireo no nanome mofo sy rano ho ahy, ny volon'ondry sy rongoniko, ny diloiloko sy rano.”
\v 9 Koa halaiko indray ny variny amin'ny fotoam-pijinjana, ary ny divaiko vaovao amin'ny fotoanany. Halaiko indray ny volon'ondriko sy ny rongoniko izay nampiasaina mba hanafenana ny fitanjahany.
\v 19 Hampanantena ny ho vadinao mandrakizay Aho. Hampanantena ny ho vadinao amin'ny fahamarinana, ny rariny, ny tsy fivadiham-panekena, ary famindram-po Aho.
\v 4 Fa ireo olon'Israely dia hiaina andro maro tsy misy mpanjaka, andrian-dahy, sorona, andry vato, efoda na sampin-trano.
\v 5 Ary avy eo ny olon'Israely dia hiverina ary hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo sy Davida mpanjakan'izy ireo, ary amin'ireo andro farany, dia ho avy amin-kovitra eo anatrehan'i Yaveh sy ny hatsarany izy ireo.
\v 3 Ka mihamaina ny tany, ary ketraka izay rehetra monina amin'izany; ireo bibi-dia any an-tsaha sy ny vorona eny amin'ny lanitra, na ny trondro any anaty ranomasina aza, dia esorina.
\v 4 Fa aza mamela na iza na iza hanao fitoriana; aza mamela na iza na iza hiampanga ny hafa. Fa ianareo izany, ry mpisorona, izay ampangaiko.
\v 5 Ho tafintohina ianareo mpisorona mandritra ny andro; ho tafintohina miaraka aminareo ihany koa ireo mpaminany amin'ny alina, ary ho potehiko ny reninareo.
\v 6 Ringana ny oloko nohon'ny tsy fahampian'ny fahalalana. Satria efa nandà ny fahalalana ianareo mpisorona, Izaho ihany koa dia handà anareo amin'ny maha mpisorona ho Ahy. Satria nohadinoinareo ny lalàko, na dia Andriamanitrareo aza Aho, dia hanadino ireo zanakareo ihany koa Aho.
\v 12 Manontany ireo sampiny hazo ny oloko, ary ny tapa-kazon'izy ireo nanome faminaniana ho azy ireo. Fa namitaka azy ireo ny fanahin'ny fijangajangana, ary nitondra tena toy ny mpijangajanga izy ireo raha tokony nahatoky ny Andriamanitr'izy ireo
\v 15 Fa ianao, ry Israely, na dia nanao fijangajangana aza, dia enga anie Joda tsy ho tonga meloka. Aza mandeha any Gilgala, ianao ry vahoaka; aza mandeha miakatra any Betavena, ary aza mianiana, manao hoe: “Raha mbola velona koa Yaveh.”
\v 16 Fa Israely dia nitondra tena tamin'ny fahamafisan-doha, tahaka ny ombivavy mafy loha. Ahoana no hitondran'i Yaveh azy ireo eny amin'ny fihinanam-bilona tahaka ny zanak'ondry any amin'ny tanin'ahitra?
\v 1 “Henoy izao, ry mpisorona! Manongilàna sofina, ry ankohonan'Israely! Mihainoa, ry ankohonan'ny mpanjaka! Fa ny fitsarana dia avy hanohitra anareo rehetra. Fa efa fandrika tany Mizpa ianao ary harato nivelatra teo amin'ny Tabara.
\v 5 Ny fireharehan'Israely dia vavolombelona manohitra azy; koa ho tafintohina amin'ny fahamelohan'izy ireo Israely sy Efraima; ary Joda ihany koa dia ho tafintohina miaraka amin'izy ireo.
\v 13 Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary hitan'i Joda ny ratrany, dia nandeha tany Asyria i Efraima, ary Joda nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ilay mpanjaka lehibe. Fa tsy afaka nitsabo anareo izy ry olona na nanasitrana ny ratranareo.
\v 14 Koa ho toy ny liona amin'i Efraima Aho, ary ho toy ny liona tanora amin'ny ankohonan'i Joda. Izaho, eny Izaho, no hamiravira ary handeha; ho entiko izy ireo, ary tsy hisy hanavotra azy ireo.
\v 3 Aoka hahafantatra an'i Yaveh isika; aoka ho dodona ny hahalala an'i Yaveh isika. Ny fiposahany dia azo antoka tahaka ny mangiran-dratsy; ho avy amintsika tahaka ny ranon'orana Izy, toy ny loharanon'orana izay manondraka ny tany.”
\v 4 Ry Efraima, inona no hataoko miaraka aminao? Ry Joda, inona no hataoko miaraka aminao? Ny fahatokianao dia toy ny rahon'ny maraina, tahaka ny ando izay vetivety dia lasa.
\v 1 Isaky ny te-hanasitrana an'Israely Aho, dia miseho ny fahotan'i Efraima, sy ny asa ratsin'i Samaria, satria mamitaka izy ireo; tonga ny mpangalatra, ary ny andiana mpandroba manafika eny an-dalambe.
\v 6 Fa amin'ny fo toy ny lafaoro, no hieverany ireo tetika famitahan'izy ireo. Mirehitra mandritra ny alina tontolo ny fahatezeran'izy ireo; ny amin'ny maraina dia mirehitra toy ny afo midedadeda izany.
\v 10 Ny avonavon'Israely dia vavolombelona miampanga azy; na izany aza, dia tsy niverina tamin'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, na nitady Azy, na dia teo aza izany rehetra izany.
\v 12 Rehefa mandeha izy ireo, dia ho velariko eo amin'izy ireo ny haratoko, hampidiniko toy ny voron'ny lanitra izy ireo. Hanasazy azy ireo ao amin'ny firohotany Aho.
\v 1 “Ametraho anjomara eo amin'ny molotrao! Misy voromahery tonga eo amin'ny tranon'i Yaveh satria nandika ny fanekeko sy nikomy nanohitra ny lalàko ny olona.
\v 7 Fa ny olona mamafy rivotra dia mijinja tadio. Tsy misy salohiny ny vary maniry eny an-tsaha; tsy misy ventiny ny vokatr'izany. Raha tonga matoy izany, dia handrapaka izany ny vahiny.
\v 13 Raha ny amin'ireo soron'ny fanatitro, dia manao sorona hena izy ireo ary mihinana izany, kanefa Izaho, Yaveh, dia tsy manaiky ireo. Ankehitriny hieritreritra ny momba ny helony Aho ary hanasazy ny amin'ny otany. Hiverina any Egypta izy ireo.
\v 1 Aza mifaly, amin'ny hafaliana toy ireo olona hafa, ry Israely. Fa tsy nahatoky ianao, nahafoy ny Andriamanitrao. Tianao ny mandoa ny karama angatahin'ny mpivaro-tena amin'ny famoloana rehetra.
\v 3 Tsy hitoetra ao amin'ny tanin'i Yaveh intsony izy ireo; fa kosa, hiverina any Egypta i Efraima, ary indray andro izy ireo dia hihinana sakafo maloto any Asyria.
\v 4 Tsy handraraka fanatitra divay ho an'i Yaveh izy ireo, na hankasitrahany. Ho toy ny sakafon'ny mpisaona aminy ny soron'izy ireo: izay rehetra mihinana izany dia ho voaloto. Fa ny sakafon'izy ireo dia ho azy ireo irery ihany; tsy hiditra ny tranon'i Yaveh izany.
\v 7 Ho tonga ny andro famaizana; tonga ny andro famaliana. Aoka ho fantatry ny Israely rehetra ireo zavatra ireo. Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona azon-tsindrimandry, nohon'ny helokareo lehibe sy fandrafianareo lehibe.
\v 8 Ny mpaminany no mpiambina an'i Efraima ho an'ny Andriamanitro. Fa misy fandri-borona amin'ny lalany rehetra, ary ny fankahalana azy dia ao an-tranon'ny Andriamaniny.
\v 9 Efa nanimba toetra fatratra toy ny tamin'ny andron'i Gibea izy ireo. Ho tsaroan'Andriamanitra ny helok'izy ireo, ary ho faiziny ny fahotan'izy ireo.
\v 11 Raha ny amin'i Efraima, dia hanidina toy ny vorona ny voninahitr'izy ireo. Tsy hisy fahaterahana, tsy hisy fananan'anaka, ary tsy hisy torotoronina.
\v 1 Israely dia voaloboka mandrobona izay mamokatra ny voany. Araka ny nitomboan'ny voany, no habetsaky ny alitara nataony. Araka ny namokaran'ny taniny maro, no nanatsarany ireo andrim-batony.
\v 2 Mamitaka ny fon'izy ireo; ankehitriny dia tsy maintsy hibaby ny helony izy ireo. Ho arodan'i Yaveh ny alitaran'izy ireo; ho ravainy ireo andrim-batony.
\v 8 Ho rava ny toerana avon'ny faharatsiana rehetra. Izany no fahotan'Israely! Ny tsilo sy ny ahitra dia hitombo eo amin'ny alitaran'izy ireo. Hilaza amin'ny tendrombohitra ny vahoaka hoe: “Sarony izahay!” ary amin'ny havoana hoe: “Mianjerà aminay!”
\v 12 Mamafaza fahamarinana ho an'ny tenanareo, ary jinjao ny Mamafaza fahamarinana ho an'ny tenanareo, ary jinjao ny voakatry ny tsy fivadiham-panekena. Vakio ny tany mbola tsy nohasainareo, fa fotoana hitadiavana an'i Yaveh izao, mandram-piaviny sy handatsahany fahamarinana eo aminareo.
\v 2 Arakaraka ny niantsoana azy ireo, no nanalaviran'izy ireo Ahy. Ary nanao sorona ho an'i Bala sy nandoro ny ditin-kazo manitra ho an'ny sampy izy ireo.
\v 8 Ahoana no handaozako anao, ry Efraima? Ahoana no hanolorako anao, ry Israely? Ahoana no hanaovako anao tahaka an'i Adma? Ahoana no hanaovako anao tahaka an'i Zeboima? Niova ny tao anatin'ny foko; efa niakatra ny fangoraham-poko rehetra.
\v 9 Tsy hanatanteraka ny fahavinirako Aho; tsy handringana an'i Efraima intsony. Fa Andriamanitra Aho fa tsy olona; Izaho Ilay Masina eo aminareo, ary tsy ho avy amin'ny fahatezerana Aho.
\v 11 Ho avy am-pangovitana tahaka ny vorona avy any Egypta izy ireo, tahaka ny voromailala avy any amin'ny tanin'i Asyria. Hampitoeriko ao an-tranony izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 4 Niady tamin'ilay anjely izy ka naharesy. Nitomany sy nitaraina ho an'ny sitrany izy. Nahita an'Andriamanitra tao Betela izy; tany no niresahan'Andriamanitra taminy.
\v 11 Raha misy faharatsiana ao Gileada, dia zava-poana tokoa ny olona. Ataon'izy ireo sorona ao Gilgala ireo ombilahy; ho tahaka ny antontam-bato ao anatin'ireo saham-bavasa ny alitaran'izy ireo.
\v 3 Ka ho toy ny rahon'ny maraina izy ireo, toy ny ando izay mora maina, toy ny akofa izay tsofin'ny rivotra avy eo amin'ny famoloana, ary toy ny setroka mivoaka amin'ny fivoahan-tsetroka.
\v 8 Hamely azy ireo tahaka ny bera very anaka Aho. Handriatra ny tratran'izy ireo Aho, ary handrapaka azy ireo eo tahaka ny liona, tahaka ny hamiraviran'ny bibidia azy ireo Aho.
\v 13 Ny fangirifirian'ny fiterahana dia ho tonga eo aminy, fa zanaka lahy tsy manam-pahendrena izy, satria rehefa tonga ny fotoana ahaterahana, dia tsy mivoaka avy ao am-bohoka izy.
\v 14 Hamonjy azy ireo amin'ny tanan'ny fiainan-tsy hita ve Aho? Hamonjy azy ireo amin'ny fahafatesana ve Aho? Aiza, ry fahafatesana, ny areti-mandringanao? Aiza, ry fiainan-tsy hita, ny fandringananao? Miafina amin'ny masoko ny fangorahana.”
\v 15 Na dia nanan-karena teo amin'ireo rahalahiny aza i Efraima, dia hisy rivotra avy any atsinanana ho avy; hitsoka avy any an-tany efitra ny rivotr'i Yaveh. Ny loharanon'i Efraima dia ho ritra, ary ny fantsakany dia tsy hisy rano. Handroba ny trano fitehirizany ny zava-tsarobidy rehetra ny fahavalony.
\v 2 Mitondrà teny ary miverena amin'i Yaveh. Lazao Azy hoe: “Alao ny helokay rehetra ary ekeo izay tsara, mba ho afaka hanolotra ny vokatry ny molotray ho Anao izahay.
\f + \ft Fanamarihana: Ny fehezanteny hoe: “mba ho afaka hanolotra ny vokatry ny molotray ho Anao izahay" dia maneho ny dikan-teny sasany taloha. Ny lahatsoratra Hebreo dia manao hoe: “mba ho afaka hanolotra ombilahy, ny molotray.” Ny dikan-teny vaovao sasany dia mandika izany hoe: “mba ho afaka hanolotra ombilahy, izay nampanantenainay ho Anao izahay.” \f*
\v 3 Asyria dia tsy hanavotra antsika; tsy hitaingin-tsoavaly ho any amin'ny ady isika. Na hiteny amin'ny asan'ny tanantsika intsony hoe: ‘andriamanitray ianao,’ fa ao Aminao ny kamboty no mahazo fangoraham-po.”
\v 7 Ny olona izay monina ao amin'ny alony dia hiverina; ho velombelona tahaka ny voa indray izy ireo ary hitsimoka tahaka ny voaloboka. Ho tahaka ny divain'i Libanona ny lazany.
\v 9 Iza no hendry ka hahatakatra ireo zavatra ireo? Iza no mahatakatra ireo zavatra ireo ka hahalala azy ireo izy? Fa mahitsy ireo lalan'i Yaveh, ary ny marina dia handeha amin'ireo, fa ny mpikomy ho tafintohina amin'ireo.