\v 7 Rava ny firenenareo; may ireo tanànanareo; ireo sahanareo_ eo amin'ny fanatrehanareo, no hamotehan'ny olona hafa firenena ireo_ foana sy rava, naringanan'ireo olona hafa firenena.
\v 8 Ny zanaka vavin'i Ziona dia navela tahaka ny trano bongo eny an-tanim-boaloboka, tahaka ny fandriana eny amin'ny sahana kaokaombira, toy ny tanàna natao fahirano.
\v 11 “Inona izay fahamaroan'ny soronareo ho Ahy?” hoy Yaveh. “Efa tofoky ny ondrilahy atao fanatitra dorana Aho, sy ny jaboran'ny biby mifahy; ka tsy sitrako ny ran'ny ombilahy, zanak'ondry, na osy.
\v 15 Koa dia rehefa mamelatra ny tananareo amin'ny vavaka ianareo, dia manafina ny masoko tsy ho aminareo Aho; na dia manolotra vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; feno rà ny tananareo.
\f + \ft Fanamarihana: Raha toa ka “ahitsio ny fampahoriana" ireo dikan-teny sasany manao hoe “ampio ny nampahoriana.” \f* manomeza rariny ho an'ireo kamboty, arovy ny mananon-tena.
\v 18 “Avia ary, andeha isika hiara-hifampidinika,” hoy Yaveh; “Na dia tahaka ny jaky ary ny fahotànareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala ireny, na dia mena tahaka ny sily aza ireny, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
\v 23 Ireo andrianareo dia mpikomy ary sakaizan'ny mpandroba; tia kolikoly avokoa ny rehetra ary fatra-pitady tombony. Tsy miaro ny kamboty izy ireo, na ny fitarainana ara-dalàn'ny mananon-tena izay tonga eo anatrehan'izy ireo.
\v 26 Hamerina amin'ny laoniny ireo mpitsaranareo toy ny tamin'ny voalohany Aho, ary ireo mpanolo-tsainareo toy ny tamin'ny vao niandoha; aorian'izany ianareo dia ho antsoina hoe tanànan'ny fahamarinana, tanàna mahatoky.
\v 3 Olona maro no ho tonga sy hilaza hoe: “Avia, andrha isika hiakatra eny an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'i Andriamanitr'i Jakoba, mba hahafahany mampianatra ny sasany amin'ireo lalany amintsika, ary mba handehanntsika amin'ny lalany.” Fa ny lalàna dia hivoaka avy ao Ziona, ary ny tenin'i Yaveh avy any Jerosalema.
\v 4 Hitsara eo amin'ireo firenena Izy ary hanome fanapahan-kevitra ho an'ireo olona maro be; hanorotoro ny sabany izy ireo ho lelan'angady, ary ny lefon'izy ireo ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanandratra ny sabany hanohitra firenena, na hiofana ho amin'ny ady.
\v 21 Handeha anaty lavaka eo amin'ny vato ny vahoaka ary an-tsefatsefakin'ny harambato, noho ny horohoron'i Yaveh sy noho ny voninahitrin'ny fiandrianana, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
\v 22 Atsaharo ny fahatokiana ny olona, izay eo amin'ny vavorony ny fofon'ainy, fa inona no hanampian'izany?
\c 3
\cl Toko faha 3
\p
\v 1 Indro, Tompo Yaveh tompon'ny maro dia efa hanaisotra mpiandraikitra sy vatsy amin'i Jerosalema sy Joda: dia ny famatsia-mofo rehetra, sy ny famatsian-drano rehetra;
\v 5 Hampahoriana ny vahoaka, ny tsirairay ampahorian'ny hafa, ary ny tsirairay ampahorian'ny namany; ny zaza no hanaraby ny zokiolona, ary hihantsy ireo mendri-kaja ireo nambaniana.
\v 6 Haka ny rahalahiny ao an-tranon-drainy mihitsy aza ny olona iray ka hiteny hoe: ‘Manana akanjo ianao; meteza ho mpanapaka anay, ary aoka izao faharavana izao ho eo an-tananao.’
\v 7 Amin'izany andro izany dia hitabataba izy ka hiteny hoe: ‘Tsy ho mpanasitrana aho; tsy mana-mofo aho na fitafiana. Tsy hanao ahy ho mpanapaka ny vahoakanao ianao.”’
\v 9 Ny fijerin'ny tavany dia vavolombelona miampanga azy ireo; ary ambaran'izy ireo tahaka an'i Sodoma ny fahotany; tsy mba hafeniny izany. Loza ho azy ireny! Fa nahatanteraka loza be ho azy ireo ihany izy.
\v 12 Ry oloko—ankizy no mpampahory azy ireo, ary vehivavy no manjaka eo aminy. Ry oloko, ireo izay mitarika anareo dia mamily lalana anareo ary mampisafotofoto ny lalan-kizoranareo.
\v 24 Hamaimboana no ho solon'ny ranomanitra mamerovero; ary tady no ho solon'ny fehin-kibo; loha sola no ho solon'ny volo tsara-hogo; ary lamba fisaonana no ho solon'ny akanjo lava; ary fitomboka mahamay ho solon'ny fahatsarana.
\v 1 Amin'izany andro izany hisy vehivavy fito hitazona lehilahy iray ka hiteny hoe: “Ny sakafonay ihany no hohaninay, ny fitafianay ihany no hotafianay. Fa aoka izahay haka ny anaranao hanesorana ny henatray.”
\v 2 Amin'izany andro izany ny sampan'i Yaveh dia hafinaritra sy be voninahitra, ary ny vokatrin'ny tany dia hatsiro sy hafinaritra ho an'ireo sisa velona any Israely.
\v 3 Fa izay tavela any Ziona sy izay sisa tavela any Jerosalema dia hantsoina hoe masina, ny tsirairay izay voasoratra ho velona any Jerosalema.
\v 4 Hitranga izany rehefa hanasa ny fahaloton'ireo zanaka vavin'ny Ziona ny Tompo, ary hanasa ny rà izay mandoto hatramin'ny afovoan'i Jerosalema, amin'ny alalan'ny fanahin'ny fitsarana sy ny fanahin'ny afo mirehitra.
\v 5 Ary eo ambonin'ny fitoeran'ny tendrombohitr'i Ziona manontolo sy eo amin'ny toeran'ny fiangonany, Yaveh dia hamorona rahona sy setroka amin'ny andro, ary famirapiratan'ny afo mirehitra amin'ny alina; ary ho sarona ambonin'ny voninahitra rehetra izany.
\v 6 Ho alokaloka fialofana amin'ny hafanana izany amin'ny andro, ary ho fialofana sy ho fiarovana amin'ny tafiotra sy ny orana.
\c 5
\cl Toko faha 5
\p
\v 1 Avelao aho hihira ho an'ny malalako tsara, hiran'ny malalako momban'ny tanim-boalobony. Nanana tanim-boaloboka teo amin'ny havoana tena lonaka ny malalako tsara.
\v 5 Ary izao ho teneniko anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Halako ny fefy, havadiko ho ahitra izany, dia ho ravaiko ny mandany, ary ho voahitsaka izany.
\v 6 Ho simbasimbaiko izany, ary tsy ho voarakotra na voakarakara. Fa kosa, ireo hery sy ireo tsilo no hitsimoka. Ho baikoiko ihany koa ny rahona tsy hanorana eo aminy.
\v 7 Fa ny tanim-boalobok'i Yaveh Tompon'ny maro no taranak'Israely, ary ny lehilahin'ny Joda no voly tiany; niandry ny rariny izy, kanjo, famonoana no nisy; ny fahamarinana, kanjo, fihiakin'ny fitarainana no solon'izany.
\v 8 Loza ho an'ireo izay mampifandray ny isan-trano, izay mampifandray ny isan-tsaha, ambarapaha-tsy misy efitra tavela, ka ianareo irery no sisa hitoetra eo amin'ny tany!
\v 16 Yaveh Tompon'ny maro dia hisandratra amin'ny fitsarany, ary ilay Andriamanitra Ilay Masina haneho ny tenany ho masina amin'ny alalan'ny fahamarinany.
\v 20 Loza ho an'ireo izay milaza ny ratsy ho tsara, ary tsara ho ratsy; izay manambara ny aizina toy ny mazava, ary mazava toy ny aizina; izay milaza ny mangidy ho mamy, ary ny mamy ho mangidy!
\v 24 Koa tahaka ny lelan'afo mandevona mololo, ary tahaka ny ahitra maina levon'ny afo, dia ho lo ny fakan'ireo, ary ho voatsoka tahaka ny vovoka ireo felany. Hitranga izany satria nanda ny lalan'i Yaveh Tompon'ny maro izy ireo, ary satria efa nanao tsinotsinona ny tenin'Iray Masin'Israely.
\v 25 Ka noho izany ny fahatezeran'i Yaveh dia nirehitra amin'ireo olony. Efa naninjitra ny tanany manohitra azy ireo ary efa nanasazy azy ireo Izy. Hangovitra ireo tendrombohitra, ary ny fatin'izy ireo dia tahaka ny fako eny an-dalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mbola miafana ny hatezerany; fa kosa, mbola hihinjitra ihany ny tanany.
\v 28 Maranitra ny zana-tsipìkany ary mienjana ny tsipìkany rehetra; ny kitron-tsoavalin'izy ireo dia tahaka ny afovato, ary ny kodiaran-kalesiny tahaka ny tafio-drivotra.
\v 29 Ny fierony dia ho tahaka ny liona; ary hierona tahaka ny zana-diona izy ireo. Dia hierona sy hisambotra ny haza ireo ary hitaritarika izany, ary tsy hisy hamonjy.
\v 30 Amin'izany andro izany dia hierona hanohitra ny haza tahaka ny fieron'ny ranomasina izy ireo. Raha misy olona mijery ny tany, dia hahita haizina sy fijaliana izy; na dia ho maizin'ny rahona aza ny hazavana.
\c 6
\cl Toko faha 6
\p
\v 1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka, dia nahita ny Tompo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana aho; sady avo no ambony Izy, ary nameno ny tempoly ny moron'akanjo lavany.
\v 2 Teo amboniny dia nisy ny serafima; samy nanana elatra enina avy; ny roa nanarona ny tavany, ny roa hafa nanarona ny tongony, ary ny roa nanidinany.
\v 10 Hamafiso ny fon'io vahoaka io, ary ataovy marenina ny sofin'izy ireo, ary ataovy jamba ny mason'izy ireo. Raha tsy izany dia mety hahita amin'ny masony izy ireo, handre amin'ny sofiny, sy hahalala amin'ny fon'izy ireo, ary avy eo hiova ka ho sitrana.” Ary hoy izaho, “Tompo o, mandra-pahoviana anefa?” Dia hoy Izy,
\v 13 Na ny ampaha-folon'ny olona tavela ao amin'izany aza, dia ho potehina indray; tahaka ny terebinta sy oka notapahina ka misy rantsany tavela, ilay voa masina dia ao amin'ny fotony.”
\v 2 Notaterina tany amin'ny fianakavian'i Davida fa niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana. Nangovitra ny fony, sy ny fon'ny vahoakany, toy ireo hazo any an'ala ahozongozon'ny rivotra.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho: “... fa niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana", ny dikan-teny sasany dia manao hoe: “... fa nitoby tao Efraima ny Syriana.” \f*
\v 8 satria Damaskosy no lohan'i Syria, ary Rezina no lohan'i Damaskosy. Ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona, dia ho torotoro ny Efraima ary tsy ho vahoaka intsony.
\v 9 Samaria no lohan'i Efraima, ary ny zanaka lahin'i Remalia no lohan'i Samaria. Raha tsy mitoetra mafy amin'ny finoana ianareo, dia azo antoka fa tsy ho voaaro.”’”
\v 13 Koa namaly Isaia hoe: “Henoy, ry fianakavian'i Davida. Tsy ampy anareo vahoaka ve ny mitsapa ny faharetan'ny vahoaka? Tsy maintsy mitsapa ny faharetan'ny Andriamanitro koa ve ianareo?
\v 20 Amin'izany fotoana izany ny Tompo dia hanaratra amin'ny hareza nofaina tany amoron'ny Onin'i Eofrata—ilay mpanjakan'i Asyria—ny loha sy ny volon-tongotra; hanala ireo volom-bava ihany koa izany.
\v 21 Amin'izany andro izany, dia hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona,
\v 22 ary nohon'ny habetsaky ny ronono izay homen'izy ireo, dia hihinana rononomandry izy, satria ny olona rehetra tavela eo amin'ilay tany dia hihinana rononomandry sy tantely.
\v 23 Amin'izany fotoana izany, teo amin'izay nisy divay aman'arivony tombanana sekely volafotsy arivo, dia tsy hisy na inona na inona afa-tsy tsilo.
\v 24 Handeha ho any mba hihaza amin'ny tsipìka ny olona, satria ny tany rehetra dia ho tsilo avokoa.
\v 25 Hijanona lavitr'ireo tanety rehetra izay navadika tamin'ny angady izy ireo, nohon'ny tahotra an'ireo tsilo; fa ho toerana fihinanan'ny biby fiompy sy ondry izany.
\v 7 noho izany ny Tompo dia hitondra ireo ranon'ny renirano ho eo amin'izy ireo, mahery sy betsaka, ny mpanjakan'ny Asyria sy ny voninahiny rehetra. Ho tonga amin'ireo fantsony rehetra izany ka hahatondraka ireo morony.
\v 8 Ny Renirano dia hifaoka manomboka ao amin'i Joda, hanondraka sy hamakivaky, mandra-pahatongan'izany eo amin'ny tendanao. Ireo elany mivelatra dia hameno ny sakan'ny tany, ry Imanoela.”
\v 9 Ho torotoro ianareo ry vahoaka. Mihainoa, ry firenana lavitra rehetra: vonony amin'ny ady ny tenanareo ary torotoroa; vonony ny tenanareo ary torotoroa.
\v 14 Ho tonga fitoerana masina Izy; fa ho vato famelezana Izy, ary ho vatolampy hanatafitohina_ ho an'ny ankohonan'Israely, ary ho an'ny vahoakan'i Jerosalema dia ho fandrika sy tonta Izy.
\v 18 Indro, izaho sy ireo zanako lahy izay nomen'i Yaveh ahy ho famantarana sy ho zava-mahagaga ao Israely avy amin'i Yaveh Tompon'ny maro, izay mipetraka eo amin'ny Tendrombohitr'i Ziona.
\v 19 Hiteny aminao izy ireo hoe: “Anontanio ireo mpahita sy ireo mpisikidy,” ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana. Fa tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tokony hanontany ny maty ho an'ny velona ve izy ireo?
\v 20 Araka ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona! Raha tsy miteny zavatra tahaka izany izy ireo, dia satria tsy manana ny fahazavan'ny maraina.
\v 21 Handalo eo amin'ny tany amin'ny fahoriana sy ny hanoanana lehibe izy ireo. Rehefa noana izy ireo, dia ho tezitra ary hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamanitry, raha manandratra ny tavan'izy ireo ambony.
\v 22 Hijery ny tany izy ireo ka hahita ny fahoriana, ny aizina, ary ny fanjombonana mampahory. Ho roahina makany amin'ny tanin'ny fahamaizinana izy ireo.
\c 9
\cl Toko faha 9
\p
\v 1 Hiala ny aizim-pito eo aminy izay tao anatin'ny fangirifiriana. Tamin'ny taloha dia nanala baraka ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly Izy, nefa amin'ny fotoana aty aoriana dia hanao izany ho be voninahitra izy, sy lalana mankany amin'ny ranomasina, any an-dafin'i Jordana, ireo firenen'i Galilea.
\v 6 Fa zaza no teraka ho antsika, zanaka lahy no nomena antsika, ary ny fanapahana ho eo amin'ny sorony; ary ny Anarany ho antsoina hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andriandahin'ny Fiadanana.
\v 7 Amin'ny fitombon'ny Governemantany sy amin'ny fiadanana dia tsy hisy farany, raha manapaka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida Izy, sy eo amin'ny fanjakany, mba hametrahany sy hanohanany izany amin'ny rariny sy fahamarinana tamin'ny nanomboka tamin'io fotoana io ary ho mandrakizay. Ny zotom-pon'i Yaveh Tompon'ny maro no hanao izany.
\v 17 Noho izany tsy ho faly amin'ny zatovolahin'izy ireo ny Tompo na hanana fangoraham-po eo amin'ny kambotin'izy ireo sy ireo mpitondratena Izy, satria ny olona rehetra mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy, ary ny vava rehetra miteny adalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany.
\v 18 Fa ny faharatsiana mandoro toy ny afo; mandevona ny hery sy ny tsilo izany; mandoro ny kirihitr'ala aza izany, izay miakatra ao amin'ny savorovoron-tsetroka.
\v 19 Amin'ny fahatezeran'i Yaveh Tompon'ny maro no mandoro ny tany, ary ny olona dia toy ny solika ho an'ny afo. Tsy misy olona miantra ny rahalahiny.
\v 20 Handrapaka ny sakafo amin'ny tanana ankavanana izy ireo nefa noana ihany; hihinana ny sakafo amin'ny tanana ankavia izy ireo nefa tsy ho afa-po. Na dia ny tsirairay aza dia hihinana ny nofon'ny sandriny ihany.
\v 4 Tsy hisy na inona na inona ho tavela, ary hitampify eo amin'ireo gadra ianao na ho lavo eo amin'ireo maty. Amin'ireo zavatra rehetra ireo, dia tsy hihena ny hatezerany; fa kosa, ny tanany dia mbola mihinjitra hatrany.
\v 12 Rehefa nahavita ny asany teo amin'ny Tendrombohitra Ziona sy tao Jerosalema ny Tompo, dia hanasazy ny tenin'ny fo miavonavon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny fijery feno avonavony Aho.
\v 13 Fa izy niteny hoe: “Amin'ny alalan'ny tanjako sy ny fahendreko no hiasako.” Manana fahazavan-tsaina aho, ary efa nanala ny fefin'ireo vahoaka. Efa nangalariko ny haren'izy ireo, ary tahaka ny ombilahy no nampidinako ireo mponina.
\v 14 Toy ny fisamborana avy ao amin'ny akany, no nakan'ny tanako ireo haren'ny firenena, ary tahaka ny fanangonan'ilay iray ireo atody nilaozana, no hanangonako ny tany rehetra. Tsy nisy nanakopakopaka ny elany izy ireo na nanokatra ny vavany na nihiakiaka.”
\v 15 Moa ve ny famaky hirehareha momba ny tenany amin'ilay iray izay mampiasa izany? Moa ve ny tsofa hidera bebe kokoa ny tenany noho ilay iray izay manapaka amin'ny alalan'izany? Izany dia tahaka ny hoe: tsorakazo iray izay afaka miainga amin'ireo izay manainga izany na toy ny hoe afaka manainga olona ilay tsorakazo.
\v 16 Noho izany dia handefa fahiazana eo amin'ireo mpiadiny sangany i Yaveh Tompo tompon'ny maro; ary eo ambanin'ny voninahiny dia hisy firehetana tahaka ny afo mirehitra.
\v 18 Yaveh dia hanimba ny voninahitry ny alany sy ny taniny mamokatra, dia ny fanahin'izany sy ny vatan'izany; ho tahaka ny ain'ny olona marary miha-osa izany.
\v 22 Fa na ny olonao aza, ry Israely, dia tahaka ny tora-pasika eny amoron-dranomasina, izay sisa tavela amin'izy ireo ihany no hiverina. Notendrena ny faharavana, araka ny fangatahana manafotry ny fahamarinana.
\v 26 Ary i Yaveh tompon'ny maro dia hanainga ny karavasiny amin'izy ireo, toy ny tamin'ny nandreseny an'i Midiana teo am-batolampy Oreba. Hanainga ny rantsan-kazony eo amin'ny ranomasina Izy ary hanainga izany toy ny nataony tao Egypta.
\v 27 Amin'izany andro izany, ny vesany dia hiainga avy eo amin'ny sorokao ary ny ziogany avy eo amin'ny vozonao. Ary ny zioga dia ho rava nohon'ny hatavezana.
\f + \ft Fanamarihana: Ny andalana farany amin'ity andininy ity dia sarotra satria tahaka ny hoe tsy mifanaraka amin'ny foto-kevitra io. Ny dikan-teny sasany vaovao dia manala ny hoe: “nohon'ny hatavezana.” Ny dikan-teny vaovao hafa dia misy hoe: “ary ny zioga dia ho rava avy eo amin'ny vozonao. Niakatra any Rimona izy.” Eto ny hoe: “Izy” dia midika hoe: mpanjaka Asyriana sy ny tafiny. \f*
\v 32 Amin'io andro io mihitsy no hijanona ao Noba izy ka hamokona ny totohondriny any an-tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona, ilay havoan'i Jerosalema.
\v 2 Hitoetra ao aminy ny Fanahin'i Yaveh, ilay fanahin'ny fahendrena sy fahazavan-tsaina, ilay fanahin'ny fampianarana sy hery, ilay fanahin'ny fahalalana sy tahotra an'i Yaveh.
\v 9 Tsy handratra na handrava eny amin'ny tendrombohitro masina rehetra izy ireo; satria ho feno fahalalana an'i Yaveh ny tany, toy ny rano mandrakotra ny ranomasina.
\v 10 Amin'izany andro izany, dia hitsangana toy ny faneva ho an'ny vahoaka ny fototr'i Jese. Hitady azy ireo firenena ary ho be voninahitra ny toerana fitsaharany.
\v 14 Fa hidina hanafika any amin'ny havoan'ny Filistina any avaratra kosa izy ireo, ary hiara-hambabo ny vahoaka any antsinanana. Hanafika an'i Edoma sy Moaba izy ireo, ary hankatoa azy ireo ny vahoakan'i Amona.
\v 15 Hamotika tanteraka any sakeli-dRanomasin'i Egypta i Yaveh. Miaraka amin'ny rivony mahamay dia hanofahofa ny tanany eo amin'ny Ony Eofrata Izy ary hanasaraka izany ho sampana fito, ka afaka hiampitana miaraka amin'ny kapa izany.
\v 16 Hisy lalam-be ho an'ny sisa amin'ny vahoakany izay miverina avy any Asyria, toy ny nisian'izany ho an'Israely tamin'ny niakaran'izy ireo avy any amin'ny tany Egypta.
\v 1 Amin'izany andro izany dia hilaza ianao hoe: “Hanatitra fisaorana ho Anao aho, ry Yaveh. Fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia niodina ny fahatezeranao, ary nankahery ahy Ianao.
\v 4 Ny horakoraky ny maro an'isa any an-tendrombohitra, dia tahaka ny vahoaka marobe! Ny tabataban'ny fanjakana tahaka ireo firenena maro tafatambatra! Yaveh tompon'ny maro no mampahery ny tafika amin'ny ady.
\v 9 Indro, tonga amin'ny fahavinirana lozabe sy fahatezerana manafotra ny andron'i Yaveh, mba hahatonga ny tany ho lao sy hamotika ireo mpanota avy ao amin'izany.
\v 10 Ireo kintan'ny lanitra sy ireo telonohorefy dia tsy hanome ny hazavany. Ny masoandro dia ho mazina amin'ny fiposahany, ary tsy hamiratra ny volana.
\v 14 Tahaka ny gazela voahaza na tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, no hiverenan'ny olona tsirairay amin'ny vahoakany ary handosirany any amin'ny taniny.
\v 22 Hierona ao anaty fiarovany ny kary, ary ny amboadia ao amin'ireo toerana mahafinaritra. Antomotra ny fotoanany, ary ireo androny dia tsy ho tara.
\c 14
\cl Toko faha 14
\p
\v 1 Hangoraka an'i Jakoba Yaveh; hifidy an'Israely indray Izy ary hamerina azy ireo ao amin'ny taniny. Hikambana amin'izy ireo ny vahiny ary hampifatotra ny tenany amin'ny ankohonan'i Jakoba.
\v 2 Hitondra azy ireo any amin'ny toerany ireo firenena. Dia hitondra azy ireo any amin'ny tanin'i Yaveh ho mpanompo lahy sy vavy ny ankohonan'Israely. Hambabo ireo izay efa nambabo azy izy ireo, ary hanapaka ireo mpampahory azy.
\v 3 Amin'ny andro izay hanomezan'i Yaveh fitsaharana ho anareo amin'ny fijaliana sy ny fangirifiriana, sy amin'ny asa mafy izay takiana ho tanterahinareo,
\v 4 dia hihira izao hira fanesoana ho an'ny mpanjakan'i Babylona izao ianareo hoe: “Endrey vita ny amin'ny mpampahory, tapitra ny fahavinirana mieboebo!
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: “Tapitra ny fahavinirana lehibe", ny dikan-teny sasany manao hoe: “Tapitra ilay tanàna volamena", “Tapitra ny korontana", “tapitra ny fandrafiana", na “Tapitra ny fiavonavonana.” \f*
\v 8 Na dia ny hazo kypreso aza dia mifaly aminao mbamin'ireo sederan'i Libanona; hoy ireo: ‘Koa satria nahetry ambany ianao, dia tsy nisy mpanapaka hazo niakatra mba hikapa anay.’
\v 9 Miandry fatratra ny hitsena anao ny Fiainan-tsy hita ambany raha mankany ianao. Manangana ny maty ho anao izany, ry mpanjakan'ny tany rehetra, mampitsangana azy ireo eo amin'ny seza fiandrianany, ry mpanjakan'ny firenena rehetra.
\v 12 Akory ny nianjeranao avy any an-danitra, ry kintan'ny andro, zanaky ny maraina! Akory ny hanapahana anao amin'ny tany, ianao izay nandresy ireo firenena!
\v 13 Efa nilaza tao am-ponao ianao hoe: ‘Hiakatra ho any an-danitra aho, hanandratra ny seza fiandrianako ambonin'ireo kintan'Andriamanitra aho, ary hipetraka eo an-tendrombohitry ny fiangonana, any amin'ny farany lavitry ny avaratra.
\v 19 Nefa ianao dia ho esorina ao amin'ny fasanao tahaka ny ratsan-kazo nariana. Mandrakotra anao tahaka ny fitafiana ny maty, dia ireo izay notrobarana tamin-tsabatra, izay midina any amin'ireo vaton'ny lavaka.
\v 20 Tsy ho alevina tahaka azy ireo ianao, satria efa namotika ny taninao sy namono ny vahoakanao. Ny taranaky ny mpanao ratsy dia tsy ho tononina intsony.”
\v 21 Omany ho an'ireo zanany ny famonoanao, ho an'ny helok'ireo razambeny, mba tsy hitsangana izy ireo ka haka ny tany ary hameno izao tontolo izao amin'ireo tanàna.
\v 22 “Hitsangana hanohitra azy ireo Aho"—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Ho foanako hiala amin'i Babylona ny anarana, ny taranaka, ary ny harena"—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 25 Ho potehiko ao amin'ny tany ireo Asyriana, ary hitsahiko amin'ny tongotra eo amin'ireo tendrombohitro izy. Dia ho esorina hiala amin'izy ireo ny ziogany ary hiala eo amin'ny hatok'izy ireo ny enta-mavesany.”
\v 29 Aza mifaly, ianareo ry Filistina rehetra, fa tapaka ny tsora-kazo izay namely anareo. Fa avy ao amin'ny fakan'ny bibilava no hivoahan'ny menarana, ary ny haterany dia ho bibilava mirehitra manidina.
\v 31 Midradradradà, ry vavahady; mitomania, ry tanàna; ianareo rehetra dia hiempo avokoa, ry Filistia. Fa avy ao avaratra no hiavian'ny rahon-tsetroka, ary tsy misy miala eo an-daharany.
\v 32 Koa ahoana ary no hamalian'ny olona ny irak'izany firenena izany? Fa hitan'i Yaveh i Ziona, ary ao aminy no hahitan'ny ory amin'ny olony fialofana.
\c 15
\cl Toko faha 15
\p
\v 1 Fanambarana mahakasika an'i Moaba. Eny tokoa, anatin'ny alina iray dia foana sy potika i Ara-moaba; eny tokoa, anatin'ny alina iray dia foana sy potika i Kira-moaba.
\v 2 Niakatra ho any an-tempoly izy ireo, niakatra ho any amin'ny tampony ny olon'i Dibona mba hitomany; mitomany ao Nebo sy ao Medeba i Moaba. Voaharatra ho sola ny lohan'izy ireo ary voatapaka ny volom-bavan'izy rehetra.
\v 4 Miantso vonjy i Hesbona sy i Elale; re hatrany Jahaza ny feon'izy ireo. Ka miantso vonjy ireo lehilahin'i Moaba mitam-piadiana; mangovitra ao anatin'izy ireo ihany izy ireo.
\v 5 Mitomany ho an'i Moaba ny foko; mandositra ho any Zoara sy Egleta-selisia ireo mpandosiny. Miakatra any amin'ny fiakaran'i Lonita am-pitomaniana izy ireo; midradradradra mafy ny amin'ny fahasimbany amin'ny lalana ho any Horonaima izy ireo.
\v 9 Fa feno rà ireo ranon'i Dimona; fa mbola bebe kokoa no ho entiko amin'i Dimona. Hanafika izay tafatsoaka avy ao Moaba sy ireo sisa tavela eo amin'ny tany ny liona.
\c 16
\cl Toko faha 16
\p
\v 1 Andefaso omby aman'osy ny mpanapaka ny tany avy any Sela any an'efitra, hatrany amin'ny tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona.
\v 4 Aoka honina eo aminareo izy ireo, ry mpitsoa-ponenana avy any Moaba; meteza ho toerana fiafena ho azy ireo amin'ny mpandringana.” Fa hijanona ny fampahoriana, ary hitsahatra ny fandravana, ireo izay nanosihosy dia hanjavona amin'ny tany.
\v 5 Hapetraka amin'ny fanekena mahatoky ny seza fiandrianana; ary ny iray avy amin'ny lain'i Davida dia hipetraka ao am-pahatokiana. Hitsara tahaka ny fitadiavany ny rariny izy ary hanao fahamarinana.
\v 9 Dia hitomany miaraka amin'i Jazera ho an'ireo voalobok'i Sibma tokoa aho. Hanondraka anao amin'ireo ranomasiko aho, ry Hesbona, sy Elale. Fa teo amin'ireo sahan'ny voa lohataona sy ny fijinjana no namaranako ireo hiakam-pifaliana.
\v 10 Noesorina tamin'ny alan'ny hazo fihinam-boa ny fifaliana sy firavoaravoana; ary tsy misy hira na hiaka ao amin'ny tanim-boaloboka. Tsy hisy na iza na iza hanitsaka divay ao amin'ny famiazana, fa efa natsahatro ireo hiakan'ny iray izay manitsaka.
\v 12 Rehefa mampiakanjo ny tenany any amin'ny toerana avo i Moaba ka miditra ny tempoliny mba hivavaka, dia tsy hahatanteraka na inona na inona ny vavany.
\v 14 Miteny indray Yaveh hoe: “Anatin'ny telo taona, dia hanjavona ny voninahitr'i Moaba, na dia maro aza ireo olony, dia ho vitsy ireo sisa tavela ary tsy hisy dikany.”
\v 5 Ho takaka ny amin'ny fanangonan'ny mpinjinja ny vary an-tahony izany, ary ny sandriny mijinja ny salohim-bary. Ho tahaka ny amin'ny fanotazan'ny olona iray ny salohim-bary eny amin'ny Lohasahan'ny Refaima izany.
\v 6 Hisy sisa voaagona ho tavela, kanefa, ho tahaka ny amin'ny fihozongozonan'ny hazon'oliva: misy oliva roa na telo eo amin'ny rantsany ambony indrindra, efatra na dimy eo amin'ny sampany avo indrindra amin'ny hazo mamoa—izany no fanambaran'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.
\v 11 amin'ny andro hambolenareo, sy hamefenareo, sy hampanirianareo. Tsy ho ela dia haniry ny voanareo, saingy tsy hahavanona ny vokatrareo amin'ny andro fahoriana sy alahelo mafy.
\v 12 Loza! Ny fikomian'ny olona maro, izany mierona tahaka ny fieron'ny ranomasina, ary ny fisafoaky ny firenena, izay mifaoka tahaka ny fipaokan'ny rano mahery!
\v 14 Amin'ny hariva, indro, ny horohoro! Mialohan'ny maraina dia ho dify ireo! Izany no anjaran'ireo izay mambabo antsika, ny amboaran'ireo izay mandroba antsika.
\v 2 izay nandefa masoivoho amin'ny ranomasina, ao anaty fanaka taratasy papirosy eny amin'ny rano. Mandehana, ianareo ry iraka haingam-pandeha, any amin'ny firenena lava sy malama, any amin'ny olona matahotra lavitra sy akaiky, firenena matanjaka sy manosihosy, izay nozarai'ny ony ny taniny.
\v 3 Ianareo mponina rehetra eto amin'izao tontolo izao sy ianareo izay monina eto an-tany, rehefa niainga eo an-tampon-tendrombohitra ny fanairana, mijere, ary rehefa tsofina ny trompetra, mihainoa.
\v 7 Amin'izany fotoana izany dia hisy fanomezam-boninahitra an'i Yaveh Tompon'ny maro avy amin'ireo vahoaka lava sy malama, avy amin'ny vahoaka natahotra alavitra sy akaiky, firenena matanjaka sy voahitsaka, ireo izay nosarahan'ny ony ny taniny, ao amin'ny toeran'ny anaran'i Yaveh Tompon'ny maro, hatrany amin'ny tendrombohitra Ziona.
\c 19
\cl Toko faha 19
\p
\v 1 Fanambarana momba an'i Egypta. Indro, Yaveh mitaingina rahona haingam-pandeha ka ho avy any Egypta; mihovitrovitra eo anatrehany ireo sampin'i Egypta, ary dia ketraka anaty ny fon'ireo Egyptiana.
\v 3 Ho ketraka anaty ny fanahin'i Egypta. Ho potehiko ny toroheviny, na dia nitady ny hevitr'ireo sampy, sy fanahin'olo-maty, sy mpahita ny ho avy, ary mpanao sikidy aza izy ireo.
\v 19 Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Yaveh eo afovoan'ny tany Egypta, ary tsangam-bato ho an'i Yaveh eo amin'ny sisiny.
\v 20 Izany dia ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tany Egypta. Rehefa mitomany an'i Yaveh noho ireo mpampahory izy ireo, dia handefa mpanavotra sy mpiaro ho azy ireo Izy, ary hanafaka azy ireo.
\v 21 Ho tonga fantatr'i Egypta i Yaveh, ary hahalala an'i Yaveh ireo Egyptiana amin'izany andro izany. Hanompo amin'ny sorona sy fanatitra izy ireo, ary hanao voady amin'i Yaveh izy ireo ka hanatanteraka ireo.
\v 22 Hampahory an'i Egypta i Yaveh, mampahory ary manasitrana. Hiverina amin'i Yaveh izy ireo; hihaino ny vavak'izy ireo Izy ka hanasitrana azy ireo.
\v 23 Amin'izany andro izany dia hisy lalam-be hantrany Egypta ka hatrany Asyria, ka ho tonga any Egypta ny Asyriana, ary ny Egyptiana any Asyria; ary hanompo miaraka amin'ireo Asyriana ireo Egyptiana.
\v 24 Amin'izany andro izany, Israely no ho fahatelo amin'i Egypta sy Asyria, fitahiana iray eo afovoan'ny tany;
\v 3 Hoy Yaveh hoe: “Tahaka ny nandehanan'Isaia nitanjaka sy tsy nanao kapa nandritry ny telo taona, dia famantarana sy fambara mahakasika an'i Egypta sy mahakasika an'i Etiopia izany—
\v 2 Fahitana mahatsiravina no nomena ahy: ilay lehilahy mpamitaka dia namitaka, ary ny mpandrava dia nandrava. Miakara ary tafio, ry Elama; ataovy fahirano, ry Mediana; hampitsahatra ny tarainany rehetra Aho.
\v 5 Nanomana ny latabatra izy ireo, novelarin'izy ireo ny lamba firakotra ka nihinana sy nisotro; mitsangàna, ry andriandahy, osory diloilo ny ampinganareo.
\v 11 Fanambarana momban'i Edoma. Nisy iray niantso ahy avy any Seira hoe: “Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina? Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina?
\v 16 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: “Ao anatin'ny taona iray, tahaka ny hitan'ny mpiasa tany nokaramaina mandritry ny taona, dia hifarana ny voninahitr'i Kedara rehetra.
\v 2 Ny mba hahenonareo ny tanàna feno tabataba ve, tanàna izay feno firavoravoana? Ny maty eo aminao dia tsy matin'ny sabatra, ary tsy maty tamin'ny ady izy ireo.
\v 5 Fa misy ny andron'ny tabataba, fanosihosena, ary fifanjevoana ho an'ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro, ao amin'ny Lohasahan'ny Fahitana, faharavan'ireo mandà, ary ny olona miantsoantso mafy any amin'ireo tendrombohitra.
\v 11 Namboatra fitahirizana teo anelanelan'ireo mànda roa ianareo ho an'ny ranon'ny dobo tranainy. Fa tsy mba nihevitra ny mpamorona ny tanàna ianareo, izay nanomana izany hatry ny ela.
\v 13 Fa indro, kosa, ny fankalazana sy ny fifaliana, ny famonoan'omby sy ny famonoan'ondry, fihinan-kena sy fisotroan-divay; aoka isika hisotro sy hihinana, fa ho faty isika rahampitso.
\v 14 Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro teo an-tsofiko: “Eny tokoa fa tsy havela izany helokareo izany, eny fa na dia ho faty aza ianareo,” hoy ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro.
\v 16 ‘Inona no ataonao eto ary iza no nanome alalana anao handavaka fasana ho an'ny tenanao, hanamboatra fasana eny ambony sy handavaka toerana fialana sasatra eny amin'ny vatolampy?’”
\v 18 Hanakodiadia anao tokoa Izy, ary hampisamboaravoara anao ho toy ny baolina makany amin'ny tany malalaka. Any no hahafatesanao, ary ho any koa ireo kalesin'ny voninahitrao; ho tonga henatra ho an'ny tompon'ny tranonao ianao!
\v 21 Hampiakanjoako amin'ny akanjo lavanao izy ary hasiako ny fehin-kibonao, ary hafindrako ho eo an-tanany ny fahefanao. Ho rain'ny mponin'ny Jerosalema sy ny ankohonan'ny Joda izy.
\v 23 Hampitoeriko izy, toy ny fihantonan-javatra amin'ny toerana azo antoka, ary ho tonga toeram-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy izy.
\v 24 Hahanton'izy ireo aminy ny voninahitry ny ankohonan-drainy rehetra, ny zanany sy ireo taranany, ny fanaka bitika rehetra avy amin'ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra.
\v 25 Amin'izany andro izany_ izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro_ ho esorina ilay fihantonan-javatra amin'ny toerana mafy orina, ho potehina ary ho lavo, ary ny lanja amin'izany dia ho tapahina_ fa Yaveh no niteny.
\c 23
\cl Toko faha 23
\p
\v 1 Ny fanambarana momba an'i Tyro: Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy; fa tsy misy na trano na seranana; avy tao amin'ny tanin'i Sipra no nanambarana izany tamin'izy ireo.
\v 4 Aoka ho menatra, ry Sidona; fa efa niteny ny ranomasina, dia ilay mahery amin'ny ranomasina. Hoy izy: “Tsy mbola nihetsi-jaza aho na niteraka, na nanangana zatovolahy na nitaiza zatovovavy.”
\v 8 Iza no nikasa izany hanoherana an'i Tyro, ilay mpanome ireo satro-boninahitra, izay ny mpivarotra dia andrian-dahy, izay ny mpanakalo dia ireo olona manam-boninahitra amin'ny tany?
\v 9 Yaveh Tompon'ny maro efa nikasa izany mba hanala baraka ny fiavonavonany sy ny voninahiny rehetra, mba hampamenatra ireo olony manam-boninahitra rehetra amin'ny tany.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: “Asao ny taninao", ireo dikan-teny sasany manao hoe: Mamakivakia ny taninao" na “Ataovy tondraka ny taninao.” \f*
\v 12 Hoy Izy: “Tsy hifaly intsony ianao, ry virijiny ory zanakavavin'i Sidona; mitsangàna; miampità ho any Sipra; nefa na dia any aza dia tsy hanam-pitsaharana ianao.”
\v 15 Amin'izany andro izany, dia ho adino mandritra ny fito taona i Tyro, tahaka ireo andron'ny mpanjaka. Aorian'ny faran'ny fito taona dia hisy zavatra tahaka ny ao amin'ny hiran'ny mpijangajanga hitranga ao Tyro.
\v 18 Hatokana ho an'i Yaveh ny tombony sy ny fananany. Tsy ho tehirizina na ho angonina ao amin'ny firaiketana ireo, fa ny tombony dia homena ireo izay mitoetra eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh ary ho ampiasaina mba hamatsy azy ireo amin'ny sakafo tondraka sy mba ahafahan'izy ireo mahazo ny akanjo tsara kalitao indrindra.
\v 2 Ho tahaka izany no ho an'ireo mponina, ny mpisorona; ny mpanompo, ny tompony, mpiasa an-trano; ny tompovaviny, ny mpividy, ny mpivarotra; ny mpanome trosa, ny mpitrosa; ny mpandray tombontsoa, ary ny mpanome tombontsoa.
\v 13 Fa toy izany no ho amin'ny tany rehetra eo amin'ny firenena, tahaka ny hazo oliva voakapoka, tahaka ny fitsimponam-boaloboka rehefa vita ny fiotazana.
\v 16 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: “Voninahitra anie ho an'ilay marina!” Fa hoy aho hoe: “Efa nihaosa aho, efa nihaosa aho, indrisy! Ny mpamitaka dia nitondra am-pitaka; eny, ny mpamitaka dia tena nitondra am-pitaka tokoa.”
\v 18 Izy izay mandositra ny feon'ny fampihorohoroana dia ho latsaka ao an-davaka, ary izy izay miakatra avy ao an-davaka dia ho azon'ny fandrika. Hisokatra ny varavaran'ny lanitra, ary ireo fanorenan'ny tany dia hiozongozona.
\v 23 Ary dia ho menatra ny volana, ary ho afa-baraka ny masoandro, satria hanjaka amim-boninahitra ao an-tendrombohitr'i Ziona sy ao Jerosalema, ary manoloana ireo zokiolony i Yaveh tompon'ny maro.
\c 25
\cl Toko faha 25
\p
\v 1 Ry Yaveh, Andriamanitro ianao; hanandratra anao Aho, hidera ny anaranao Aho; fa efa nanao zava-mahagaga ianao, zavatra efa nomanina ela, am-pahatokisana tanteraka.
\v 4 Fa fitoerana fiarovana ho an'ny olona mahantra ianao, fialofana ho an'izay ory ao amin'ny fahoriany_fialofana amin'ny tafio-drivotra sy alokaloka amin'ny hafanana. Raha toy ny tafio-drivotra hanohitra ny rindrina ny fofonain'ireo masiaka,
\v 5 ary toy ny hafanana amin'ny tany maina, no nandresenao ny tabataban'ireo vahiny, tahaka ny haresen'ny aloky ny rahona ny hafanana dia toy izany koa no hamaliana ny hiran'ireo masiaka.
\v 10 Fa eto amin'ity tendrombohitra ity no hitsaharan'ny tanan'i Yaveh; ary Moaba ho voahitsakitsaka amin'ny toerany, na dia voahitsakitsaka ao an-davaka feno zezika aza ny maloto.
\v 11 Namelatra ny tanan'izy ireo teo afovoan'izany izy ireo, toy ny famelatry ny mpilomano ny tanany rehefa milomano, Fa Yaveh hampietry ny avonavon'izy ireo na dia eo aza ny hakingan'ny tanan'izy ireo.
\v 9 Manina Anao aho nony alina; eny, mitady Anao fatratra ny fanahy ato amiko. Fa rehefa tonga ety ambonin'ny tany ny fitsaranao, dia hahalala ny fahamarinana ny mponin'ny tany.
\v 10 Aoka haseho amin'ny ratsy fanahy ny sitraka, nefa tsy hahalala ny fahamarinana akory izy. Any amin'ny tanin'ny fahitsiana no hanehoany faharatsiana ka tsy mahita ny voninahitr'i Yaveh.
\v 14 Maty izy ireo, fa tsy mba ho velona; nodimandry izy ireo, fa tsy mba hitsangana. Tonga tamin'ny fitsarana tokoa Ianao ary nandringana azy ireny, ka nanafoana ny fahatsiarovana azy ireo rehetra.
\v 19 Hitsangana ny maty ao aminao; hitsangana ny fatin'izy ireo. Hifoha ka hihira fifaliana, ianao izay mitoetra amin'ny vovoka; fa ny andonao dia andom-pahazavana, ary ny tany hitondra avo efatra heny ireo maty ao aminy.
\v 20 Mandehana, ry vahoakako, midira any an'efitranonareo, ka hidio ireo varavaranareo; miafena ao anatin'ny fotoana vitsy, mandra-pahalasan'ny fahatezerana.
\v 21 Fa, indro, Yaveh efa mby hiala avy ao amin'ny toerany mba hanasazy ny mponin'ny tany noho ny helok'izy ireo; hampiharihary ny fandatsahan-dràny ny tany, ary tsy hanafina intsony ny faty ao aminy.
\c 27
\cl Toko faha 27
\p
\v 1 Amin'izany andro izany Yaveh dia hanafay ny Leviatana menarana tsy misy dikany, amin'ny sabany mafy, lehibe ary masiaka, ny menarana mitambolombolona, ary hamono ny biby mampatahotra izay ao anaty ranomasina.
\v 7 Moa namely an'i Jakoba sy Israely tahaka ny namelezany ireo firenena izay namely azy ireo ve Yaveh? Moa ve novonoina tahaka ny famonoana ireo firenena izay novoinoin'izy ireo i Jakoba sy Israely?
\v 9 Ka noho izany, ho voahonitra amin'izany ny helok'i Jakoba, fa izao no ho vokatra rehetra tamin'ny nanesorana ny otany: rehefa hanao ireo alitara vato tahaka ny tsaoka izay voapotipotika izy, ary tsy hisy hitoetra hitsangana ny baon'Aseraha na ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra.
\v 10 Fa ny tanàna namafisina dia ho lao, ny fonenana dia ho ngazana ary hafoy tahaka ny efitra. Ao no hamahanana ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handevonany ireo rantsany.
\v 12 Amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana avy any amin'ny reniranon'i Eofrata ka hatrany amin'ny loasahan-driakan'i Egypta izay hataonao sy Yaveh, ry vahoakan'Israely, dia hangonona hiaraka tsirairay.
\v 13 Amin'izany andro izany, dia hotsofina ny trompetra lehibe; ary ho avy izay rava avy any amin'ny tanin'i Asiria, sy izay voaroka tamin'ny tanin'ny Egypta, hanome voninahitra an'i Yaveh eny an-tendrombohitra masina any Jerosalema.
\c 28
\cl Toko faha 28
\p
\v 1 Lozan'ny satro-boninahitra voninkazo izay reharehan'ireo mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo malazon'ny hatsaràny be voninahitra, ilay satro-boninahitra izay apetraka eo an-dohan'ny lohasaha maitso mavan'ireo izay resin'ny divay!
\v 2 Indro, ny Tompo dia mandefa izay lehibe sy matanjaka; toy ny tafio-drivotr'avandra sy tafio-drivotra mandrava, toy ny orana mitarika sy rano manafotra; ary hanipy ny satro-boninahitra voninkazo tsirairay ho amin'ny tany Izy.
\v 4 Ny voninkazo malazon'ny hatsarany be voninahitra, izay eo an-dohan'ilay lohasaha lonaka, dia ho toy ny aviavy mialin-taona alohan'ny fahavaratra, izay, rehefa hitan'ny olona izany, raha eo an-tanany izany, dia arapany.
\v 17 Hataoko fitsipika ny fitsaràna, ary pilao ny fahamarinana. Hamafa ny fialofan'ireo lainga ny havandra, ary hanafotra ny toerana miafina ireo tondra- drano.
\v 18 Ho levona ny fanekenareo tamin'ny fahafatesana, ary tsy hijoro ny fifanarahanareo tamin'ny Fiainan-tsy hita. Rehefa mandalo ny tondra-drano misamboaravoara, dia ho difotr'izany ianareo.
\v 19 Na oviana na oviana handalovan'izany, dia handifotra anareo izany, ary isa-maraina dia handalo izany ary ho avy andro aman'alina izany. Rehefa azo ilay hafatra, dia hampihorohoro izany.
\v 21 Hitsangana toy ny Tendrombohitra Perazima i Yaveh; hanaitra ny tenany toy ny tany amin'ny Lohasahan'i Gibeona Izy mba hanao ny asany, ny asany tsy mahazatra.
\v 22 Noho izany ary dia aza maniratsira, raha tsy izany dia ho henjanina ny fatotrareo. Efa nandre lalàna famotehana eto an-tany tamin'i Tompo Yaveh tompon'ny maro aho.
\v 27 Fanampin'izany, tsy velesina amin'ny vy ny nigela, na akodiadia amin'ny komina ny kodian'ny sarety; fa velesina amin'ny fantàka ny nigela, ary amin'ny hazo ny komina.
\v 4 Haetry ianao ka hiteny eny amin'ny tany; ho ambany avy eny amin'ny vovoka ny teninao. Ho tahaka ny angatra mivoaka ao amin'ny tany ny feonao, ary ny teninao dia halefaka tokoa avy ao amin'ny vovoka.
\v 5 Ireo andian-jiolahy mpanafika anao dia ho tahaka ny vovoka madinika, ary maro amin'ireo izay masiaka no ho tahaka ny akofa izay levona. Hiseho tampoka izany, ao anatin'ny fotoana fohy.
\v 6 Ho avy ao aminao miaraka amin'ny kotrok'orana, horohoron-tany, tabatabata be, miaraka amin'ny rivo-mahery sy tafio-drivotra, ary lelan'afo mandevona i Yaveh.
\v 8 Ho tahaka ny lehilahy noana izay manonofy mihinana, kanefa rehefa mifoha izy dia foana ny kibony. Ho tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro, kanefa rehefa mifoha izy dia reraka, sady tsy afaka hetaheta. Eny, ho toy izany ny firenena lehibe maro izay miady hanohitra ny Tendrombohitra Ziona.
\v 9 Ataovy talanjona ny tenanareo ka aoka ho talanjona; tampeno ny masonareo ka aoka ho jamba! Aoka ho mamo, kanefa tsy amin'ny divay; aoka hivembena, kanefa tsy amin'ny toaka.
\v 10 Fa i Yaveh efa nandraraka ny fanahin'ny torimaso lalina tao aminareo. Efa nanirina ny masonareo Izy, ry mpaminany, ary efa nanarona ny lohanareo, ry mpahita.
\v 21 amin'ny sabatra no hanalana ny olona amin'ny mpanao ratsy. Mametraka fandrika ho azy izay mikatsaka ny rariny eo am-bavahady sy mametraka ny marina eo amin'ny lainga foana izy ireo.
\v 22 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh mahakasika ny ankohonan'i Jakoba_Yaveh, izay nanavotra an'i Abrahama: “Tsy ho menatra intsony i Jakoba, na hivaloarika ny tavany.
\v 6 Fanambarana momba ireo bibidian'i Negeva: Avy amin'ny tanin'ny fahoriana sy loza, liom-bavy sy lion-dahy, ny menarana sy ny bibilava mirehitra manidina, no hitondran'izy ireo ny hareny eo an-damosin'ny boriky, ary ny rakiny eo amin'ny vohon'ny rameva, ho any amina vahoaka izay tsy afa-manampy azy ireo.
\v 8 Mandehana izao, soraty eo amin'ny fanatrehan'izy ireo amin'ny vato fisaka izany, ary raketo ao amina horonan-taratasy, mba ho voatahiry ho amin'ny andro ho avy ho fijoroana vavolombelona.
\v 12 Noho izany dia hoy ny Iray Masin'Israely hoe: “Satria mandà izao teny izao ianareo ary matoky ny fampahoriana sy fitaka ka miantehitra amin'izany,
\v 13 koa izany fahotana izany dia ho tahaka ny singa vaky izay vonona ny hianjera aminao, tahaka ny triatra eo amin'ny rindrina avo izay ho tampoka ny fianjerany, ao anatin'ny fotoana fohy.”
\v 14 Ho vakiany tahaka ny fahavakisan'ny lovian'ny mpanefy tanimanga izany; tsy hiaro izany Izy, ka tsy hisy potiny ho hita eo amin'ireo vakiny izay azo hanalana ny afo avy ao am-patana, na handoarana ny rano avy ao amin'ny siniben-drano.
\v 15 Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh, ilay Iray Masin'Israely: “Ho avotra amin'ny fiverenana sy fijanonana ianareo; amin'ny fahanginana sy fatokiana no ho herinareo. Saingy tsy nanam-piniavana ianareo.
\v 17 Arivo no handositra noho ny fampitahoran'ny iray; amin'ny fampitahoran'ny dimy no handosiranareo ambara-pahatongan'ny sisa tavela aminareo ho tahaka ny tahon-jozoro eny an-tampon-tendrombohitra, na tahaka ny zozoro eny amin'ny havoana.”
\v 18 Fa mbola miandry ny hamindra fo aminareo Yaveh, noho izany dia vonona ny haneho fiantrana aminareo Izy. Fa Yaveh dia Andriamanitry ny rariny; sambatra ireo izay miandry Azy.
\v 19 Fa hisy vahoaka honina any Ziona, any Jerosalema, ary tsy hitomany intsony ianareo. Hamindra fo amin'ny feon'ny fitarainanareo tokoa Izy. Rehefa reny izany, dia hamaly anareo Izy.
\v 20 Na dia manome anareo ny mofon'ny ady sarotra sy ny ranon'ny fampahoriana aza Yaveh, na dia izany aza, dia tsy hiafina intsony ny mpampianatrareo, fa hahita ny mpampianatrareo amin'ny masonareo mihitsy ianareo.
\v 21 Ny sofinareo handre teny avy aorianareo hanao hoe: “Ity no lalana, amin'ity mandeha,” na mivily ho amin'ny ankavanana na mivily ho amin'ny ankavia ianareo.
\v 22 Ho zimbazimbainareo ireo sary voasokitrareo izay norakofana volafotsy sy ireo sary an'idina volamena. Harianareo tahaka ny vorodamban'ny fadimbolana izany. Hiteny amin'ireny ianareo hoe: “Mialà eto.”
\v 23 Hanome orana ho an'ny volinareo Izy rehefa mamafy eny amin'ny tany ianareo, ary mofo mitobatobaka avy amin'ny tany, ary ny vokatra dia hitobatobaka. Amin'izany andro izany dia hiraoka eny amin'ny amin'ny ahitra midadasika ireo biby fiompinareo.
\v 24 Ireo omby sy ireo boriky, izay miasa tany, dia hihinana ny voaisy sira izay nokororohina tamin'ny angady sy angady fitrebika.
\v 25 Eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana ambony rehetra, dia hisy lohasahan-driaka hikoriana ary rano mandeha, amin'ny andron'ny famonoana lehibe izay hianjeran'ny tilikambo.
\v 26 Ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro ny fahazavan'ny volana, ary ny fahazavan'ny masoandro dia hamiratra impito-heny, tahaka ny tara-masoandron'ny andro fito. Hamehy ny fanorotoroana ny olony Yaveh ary hanasitrana ny ferin'ny nandratrany azy ireo.
\v 27 Indro, ny anaran'i Yaveh dia tonga avy any amin'ny toerana lavitra, mirehitra amin'ny fahatezerany sy setroka matevina. Feno fahavinirana ny molony, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona.
\v 28 Ny fofonainy dia tahaka ny fikijan'ny riaka izay mahatratra hatrany amin'ny tenda kely, mba hanivana ny firenena amin'ny sivan'ny fandringanana. Ny fofonainy dia hisatra amin'ny valanoranon'ny olona mba hahatonga azy ireo hirenireny.
\v 29 Hanana hira toy ny amin'ny alina hitandremana ny firavoravoana masina ianareo, ary firavoravoam-po, tahaka ny amin'ny fandehanan'ny olona miaraka amin'ny sodina ho eny an-tendrombohitr'i Yaveh, ho eo amin'ny Vatolampin'Israely.
\v 32 Ny kapoka rehetra amin'ilay tsora-kazo voatendry izay hapetrak'i Yaveh amin'izy ireo dia hiarahan'ny feon'aponga tapaka sy valiha eo am-pitolomany sy hiadiany amin'izy ireo.
\v 33 Fa misy toerana fandorana voaomana hatry ny ela. Eny tokoa, voaomana ho an'ny mpanjaka izany, ary nataon'Andriamanitra lalina sady malalaka. Efa vonona amin'ny afo sy kitay be dia be ny antontany. Ny fofonain'i Yaveh, tahaka ny fandriaky ny solifara, dia handrehitra izany.
\c 31
\cl Toko faha 31
\p
\v 1 Loza ho an'ireo izay midina any Egypta hitady vonjy sy miantehitra amin'ireo soavaly, ary mitoky amin'ireo kalesy (fa maro ireo) ary amin'ireo mpitaingin-tsoavaliny (fa tsy voaisa izy ireo). Nefa tsy mba miandrandra Ilay Masin'i Israely, na mitady an'i Yaveh izy ireo!
\v 3 Olona i Egypta fa tsy Andriamanitra, nofo ny soavalin'izy ireo fa tsy fanahy. Rehefa maninjitra ny tanany Yaveh, ny olona izay mamonjy dia ho tafintohina, ary ny olona izay vonjena dia ho lavo; samy hiara-ho faty izy roa.
\v 4 Izao no lazain'i Yaveh amiko: “Tahaka ny liona, na ny zana-diona, mierona amin'ny rembiny, rehefa antsoina hanohitra izany ny andian'ny mpiandry ondry, dia tsy mba hangovitra amin'ny feon'izy ireo izany, na hikisaka amin'ny fihorakorak'izy ireo; dia tahaka izany no hidinan'i Yaveh Tompon'ny maro hiady eo an-Tendrombohitr'i Ziona, eo amin'izany havoana izany.
\v 8 Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringana azy. DIa handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana mafy.
\v 9 Ary izy ireo dia very fahatokisana nohon'ny fahatahorana, ary ireo mpanapaka azy hivadi-po eo anatrehan'ny fanevan'i Yahweh - Izany dia fanambarana nataon'i Yahweh - Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandorana ao Jerosalema.”
\v 2 Ny tsirairay avy dia ho tahaka ny fialofana amin'ny rivotra ary ho fialofana amin'ny kotroka, tahaka ny ranovelona amin'ny toerana maina, tahaka ny aloky ny vatolampy lehibe any amin'ny tanin'ny faharerahana.
\v 10 Fa afaka herintaona farafahakeliny dia ho rava ny fahatokianao, ry vehivavy tsy mivaky loha, fa tsy hisy ny fihotazam-boaloboka, tsy ho tonga ny fanangonana.
\v 13 Ny tanin'ny vahoakako dia ho rakotr'ireo tsilo sy ireo hery, eny fa na dia ny ao amin'ireo trano mahafaly rehetra ao amin'ny tanànan'ny firavoravoana aza.
\v 14 Fa ny lapa dia ho afoy, ny tanàna feno vahoaka dia ho foana; ny havoana sy ny tilikambo dia ho lava-bato mandrakizay, fifaliana ho an'ireo boriky dia, ahi-maitso ho an'ireo ondry aman'osy;
\v 15 mandra-pilatsahan'ny Fanahy avy any amin'ny avo amintsika, ka ny tany efitra dia ho tonga saha mamokatra, ary ny saha mamokatra dia heverina toy ny hoe ala.
\v 20 ianao izay mamafy eny akaikin'ireo onja dia ho voatahy, ianao izay mamoaka ireo ombinao sy ireo borikinao mba hiraoka.
\c 33
\cl Toko faha 33
\p
\v 1 Loza ho anareo, ry mpandrava izay tsy mbola noravàna! Loza ho an'ny mpamadika izay tsy mbola novadian'izy ireo! Raha mihato amin'ny famotehana ianareo, dia ho potehina! Raha mihato amin'ny famadihana ianareo, dia hivadihan'izy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: ny dika-teny sasany manao hoe: “maina ny tany ary malazo.” \f* Saràna dia tahaka ny lemaka maina; ary manintsana ny raviny i Basana sy Karmela.
\v 14 Matahotra ireo mpanota any Ziona; fangovitana no efa nahazo ny mpiatsaravelatsihy. Iza amintsika no afaka hijanona amin'ny afo mandevona? Iza amintsika no afaka hijanona eo amin'ny firehetana mandrakizay?
\v 16 ho ataony amin'ny avo indrindra ny fonenany; ny toerana fiambenany dia ho fiarovana mafy amin'ny harambato; ny sakafony sy ny ranony dia ho feno famatsiana.
\v 20 Jereo Ziona, ilay tanànan'ny fankalazantsika; hahita an'i jerosalema tahaka ny mponina milamina ny masonareo, lay izay tsy mba ho esorina, izay tsy ho voahongotra mihitsy ny tsato-kazony na ho tapaka ny kofehiny.
\v 1 Manatòna akaiky, ianareo ry firenena; ary mihainoa, mifantoha, ianareo ry vahoaka! Ny tany sy izay mameno izany dia tsy maintsy mihaino, izao tontolo izao, sy ny zavatra rehetra avy amin'izany.
\v 3 Ireo vata-mangatsiakan'ireo maty dia hatsipy any ivelany. Ny fofona maimbon'ireo faty dia ho eny rehetra eny; ary ireo tendrombohitra ho vonton'ny ràn'izy ireo.
\v 4 Ho levona avokoa ny kintan'ny lanitra, ary ny lanitra dia hiorona tahaka ny horonana; ary ny kintany rehetra dia ho levona, toy ny ravina izay malazo mihintsana amin'ny tahom-boaloboka, sy toy ny aviavy lo mihintsana amin'ny hazon'aviavy.
\v 5 Fa rehefa mamon'ny ràny any an-danitra ny sabatro; indro, ankehitriny hidina any Edoma izany, eo amin'ny vahoaka izay hatokako amin'ny fandravana.
\v 6 Ny sabatr'i Yaveh dia mitete rà sy rakotra tavy, mitete ràn'ireo zanak'ondry sy ireo osilahy, rakotry ny tavin'ny voan'ireo ondrilahy. Fa manana fanatitra ao Bozra sy famonoana lehibe ao amin'ny tanin'i Edoma i Yaveh.
\v 7 Hovonoina miaraka amin'izy ireo ny ombidia, sy ireo vantotr'omby miaraka amin'ireo efa antitra. Ny tanin'izy ireo dia ho mamon-drà, ary ny vovokany dia matavin'ny hatavezana.
\v 11 Fa ireo vorondia sy ireo bibidia no hitoetra any; ny vorondolo sy ny goaika no hanao ny tranony ao amin'izany. Ary hohenjaniny eo amin'izany ny tady fandrefesan'ny fahapotehina sy ny fantson-drano fandravana.
\v 14 Ny bibidia sy ireo kary no hihaona any, ary ireo osidia no hifampiantso any. Ny bibin'ny alina no hanorim-ponenana any ka hahita toeram-pialantsasatra ho azy ireo.
\v 16 Tadiavo ao amin'ny horonan-taratasin'i Yaveh; fa tsy misy iray amin'ireo tsy ho ao. Tsy misy tsy hanana namana; fa ny vavany no mandidy izany, ary ny fanahiny no manangona azy ireo.
\v 2 hamelana be dia be izany ary hihoby amin'ny fifaliana sy ny hirahira; ny voninahitr'i Libanona dia homena izany, ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarona; hahita ny voninahitr'i Yaveh izy ireo, ny famirapiratan'Andriamanintsika.
\v 6 Dia hitsambikina toy ny diera ny olona mandringa, ary ny lelan'ny moana dia hihira, fa hivoaka avy any amin'ny tany karankaina ny rano, ary ireo loharano any an'efitra.
\v 7 Ho tonga farihy ny fasika mandoro, ary ny tany mangetana ho tonga loharano miboiboika; any amin'ny fitoeran'ireo amboadia, izay itoeran'izy ireo fahiny, dia ho feno ahitra volotara sy zozoro.
\v 8 Ny lalam-be any dia ho antsoiana hoe Lalana Masina. Tsy handeha amin'izany ny maloto. Fa izany dia natao ho an'izay mandeha amin'izany. Tsy misy adala handeha amin'izany.
\v 10 Hiverina ny vidim-panavotan'i Yaveh ary ho avy any Ziona amin'ny fihirana, ary fifaliana mandrakizay no ho eo an-dohan'izy ireo; hahazo fihobiana sy firavoravoana izy ireo, handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
\v 2 Dia nalefan'ny mpanjakan'i Asyria avy any Lakisa ho any Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka ny lehibe mpifehy miaraka amin'ny tafika lehibe. Nampifanantona ny lakan-dranon'ny farihy ambony izy, amin'ny lalam-be mankany amin'ny sahan'ny mpanasa lamba, ary nitsangana tamin'izany.
\v 3 Ny manam-pahefana Israelita izay nivoaka ivelan'ny tanàna mba hiresaka amin'izy ireo dia i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, ny mpandrindra ny lapa, Sebna mpitan-tsoratrin'ny mpanjaka, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, izay nanoratra ireo fanapahan-kevitrin'ny governemanta.
\v 4 Niteny tamin'izy ireo ny lehibe manam-pahefana hoe: “Lazao amin'i Hezekia fa ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, dia miteny hoe: “Inona ny loharanon'ny tokinareo?”
\v 5 Tsy miteny afa-tsy teny tsy dia ilaina ianareo, milaza fa misy torohevitra sy hery amin'ny ady. Ankehitriny amin'iza no itokianareo? Iza no nankahery anareo hikomy hanohitra ahy?
\v 6 Indro, mahatoky an'i Egypta ianareo, izay volotara misintaka izay ampiasainareo tahaka ny tehina, fa rehefa miantehitra amin'izany ny olona iray, dia hifikitra amin'ny tanany ka handefona azy izany. Tahaka izany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ny olona izay mahatoky azy.
\v 12 Fa hoy ny lehibe manam-pahefana: “Moa nandefa ahy mba hiteny ireo teny ireo ho any amin'ny tomponao sy ho any aminao ve ny tompoko? Tsy nandefa ahy ho any amin'ireo lehilahy izay mipetraka eo amin'ny manda izy, izay hihinana ny malotony ihany sy hisotro ny amaniny ihany miaraka aminao?”
\v 16 Aza mihaino an'i Hezekia fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: “Mihavana amiko ary manatona ahy. Ary ny tsirairay aminareo dia hihinana avy amin'ny voalobony sy avy amin'ny hazo aviaviny ihany, ary hisotro ny rano ao anatin'ny fitoeran-dranony ihany.
\v 17 Izany no ataonareo ambara-pahatongako sy hakako anareo ho any amin'ny tany tahaka ny taninareo ihany, tanin'ny vary sy tanin'ny divay vaovao, tanin'ny mofo sy tanim-boaloboka.”
\v 22 Ary i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia izay lehiben'ny ankohonana, sy Sebma mpanora-dalàna, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, mpitàna ny raharaham-panjakana, dia nanatona an'i Hezekia miaraka amin'ireo akanjony rovitra, ary nitatitra taminy ireo tenin'ny lehibe manam-pahefana.
\c 37
\cl Toko faha 37
\p
\v 1 Rehefa ren'i Hezekia Mpanjaka ny tatitr'izy ireo, dia nandriatra ny akanjony izy, ka nanarona ny tenany tamin'ny akanjo fisaonana, ary nankany an-tranon'i Yaveh.
\v 2 Izy dia naniraka an'i Eliakima, izay lohan'ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary ireo lohan'ny mpisorona, samy nisarona akanjo fisaonana avokoa, ho any amin'i Isaia mpaminany, zanak'i Amoza.
\v 3 Hoy izy ireo taminy: “Hoy i Hezekia hoe: ‘Ity andro ity dia andron'ny fahoriana, fibedesana, ary fanalam-baraka, tahaka ny zaza efa ho teraka, nefa ny reniny dia tsy manana hery hiterahana ny zanany.
\v 4 Mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ihany ireo tenin'ny lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ka hiteny mafy ireo teny izay ren'i Yaveh Andriamanitrao. Ankehitriny dia asandrato ho an'izay mbola tavela eto ny vavakao.”’
\v 12 Moa ve namonjy azy ireo andriamanitry ny firenena, dia ireo firenena izay noravan'ireo razambeko: Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara?
\v 16 “Ry Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambony Kerobima, Ianao irery no Andriamanitra eo amin'ny fanjakan'ny tany rehetra. Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany.
\v 18 Marina izany, ry Yaveh, fa noravan'ny mpanjakan'i Asyria ny firenena rehetra sy ny tanin'izy ireo.
\v 19 Efa nataony tao anaty afo ireo andriamaniny, fa tsy andriamanitra ireny fa asan-tanan'olona, hazo sy vato ihany. Ka dia nopotehin'ny Asyriana ireo.
\v 20 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitray, vonjeo eo amin'ny heriny izahay, mba ho fantatry ny fanjakan'ny tany rehetra fa Ianao irery ihany no Yaveh.”
\v 22 dia izao ny teny izay nolazain'i Yaveh ny momba azy: “Manao tsinontsinona sy manala baraka anao ny zanaka vavy virijin'i Ziona; mihifikifi-doha aminao ny zanaka vavy. Nihantsy sy naniratsira an'iza ianao?
\v 26 Moa ve tsy renao ny namaritako izany fotoana maro lasa izay sy nanaovako izany tamin'ny fotoana fahiny? Ary entiko mba hitranga izany. Eto ianao mba handrava ireo tanàna matanjaka ho lasa korotam-bato.
\v 33 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh momban'ny mpanjakan'i Asyria: “Tsy hiditra eto amin'ity tanàna ity, na hanipy tsipìka eto izy. Na ho tonga alohan'izany miaraka amin'ny ampinga na hanangana rindrina fiakarana amin'izany izy.
\v 36 Ary ny anjelin'i Yaveh dia nivoaka ka nanafika ny tobin'ireo Asyriana, nahafaty miaramila 185.000. Rehefa nifoha maraim-be ireo lehilahy, dia nitsirara teny rehetra teny ny fatin'olona.
\v 38 Taty aoriana, raha mbola nidera tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia namono azy tamin'ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy. Avy eo dia nitsoaka tany amin'ny tanin'i Ararata izy ireo. Ary dia i Esara-hadona zanany no nanjaka teo amin'ny toerany.
\v 1 Tamin'ireo andro ireo i Hezekia dia narary mafy efa eo andalam-pahafatesana. Koa tonga teo aminy Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany, ary nanao taminy hoe: “Izao no lazain'i Yaveh: ‘Alamino ny tranonao; fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.”’
\v 3 Hoy izy: “Mba tsarovy re ry Yaveh, ny nandehanako am-pahatokiana tamin'ny foko manontolo teo anatrehanao, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao.” Dia nitomany mafy i Hezekia avy eo.
\v 12 Nesorina sy nalàna tamiko tahaka ny lain'ny mpiandry ondry ny aiko; naforiporitro tahaka ny tenona ny aiko; manapaka ahy amin'ny fitaovana fanenomana Ianao; eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko.
\v 13 Nihiaka mafy mandra-maraina aho; tahaka ny liona no famakiany ireo taolako rehetra. Eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko.
\v 18 Fa tsy misaotra anao ny fiainan-tsy hita; tsy midera anao ny fahafatesana; ireo izay midina ao anaty lavaka dia tsy manantena ny fahamendreham-pitokisanao.
\v 19 Ny olombelona, ny olombelona, izy no ilay iray izay manome fisaorana anao, tahaka ny ataoko amin'ity andro ity; ray mampahafantatra ny fahamendreham-pitokisanao amin'ireo zanaka.
\v 5 Dia hoy Isaia tamin'i Hezekia hoe: “Henoy ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro:
\v 6 ‘Indro, tonga ny andro izay hitondrana ny zavatra rehetra ao amin'ny lapanao, ireo zavatra izay notahirizin'ireo razambenao mandrak'ankehitriny ho any Babylona. Tsy hisy ho tavela, hoy Yaveh.
\v 4 Ny lohasaha rehetra dia hasandratra, ary ny tendrombohitra sy havoana rehetra dia hankarina; ary ny tany mideza ho lembalemba, ary ireo tany saro-dalana ho tonga lemaka;
\v 6 Nisy feo nanao hoe: “Antsoy.” Nisy iray namaly hoe: “Inona no antso tokony ataoko?” “Ny nofo rehetra dia ahitra, ary ny fifaneken'izy ireo dia toy ny voninkazo eny an-tsaha.
\f + \ft Fanamarihana: raha toa ka “Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly" dia ireo dika-teny sasany manao hoe “Ianao izay mitondra vaovao mahafaly any Ziona, miakara eny amin'ny tendrombohitra avo \f* Manandrata feo mafy, ry Jerosalema. Ianao izay mitondra ireo vaovao mahafaly, asandrato ny feonao, aza matahotra.
\f + \ft Raha toa ka “Manandrata feo mafy, ry Jerosalema. Ianao izay mitondra ireo vaovao mahafaly" dia ny dika-teny sasany manao hoe “Torio amin'i Jerosalema ny vaovao mahafaly.” \f* Lazao amin'ireo tanànan'i Joda hoe: “Io no Andriamanintrareo!”
\v 10 Indro, ny Tompo Yaveh tonga toy ny lehilahy mpiady nivoaka mpandresy, ary ny sandriny mahery no hanapaka ho azy. Indro, ny valisoany miaraka aminy, ary ireo izay navotany dia mandeha eo anoloany.
\v 12 Iza no nandrefy ny rano teo am-pelantanany, nandrefy ny lanitra tamin'ny zehin'ny tanany, nihazona ny vovon-tany tanaty harona, nandanja ny tendrombohitra tamin'ireo fandanjana, na ireo havoana tamin'ny mozana?
\v 14 Avy amin'iza no efa nandraisany toro-lalana? Iza no nampianatra Azy ny fomba fanaovana zavatra amin'ny tokony ho izy, ary nampianatra Azy fahalalana, na nampiseho Azy ny fomba fahatakarana?
\v 15 Indro, ireo firenena dia toy ny rano indray mitete anaty siny, ary noraisina toy ny vovoka eo ambonin'ny fandanjana; indro, lanjainy toy teboka bitika ireo nosy.
\v 22 Izy ilay tokana mipetraka ambonin'ny habakabaky ny tany; ary ny mponina dia toy ny valala eo anatrehany. Nandrovitra ny lanitra toy ny lamba Izy ary nanaparitaka ireo toy ny lay hipetrahana.
\v 27 Nahoana ianao, ry Jakoba, no niteny sy nanambara tamin'Israely hoe: “Ny lalako dia miafina amin'i Yaveh, ary ny Andriamanitro dia tsy voakasiky ny fahamarinako?”
\v 31 Fa ireo izay miandry an'i Yaveh dia hanavao ny herin'izy ireo; hanidina amin'ny elatra toy ny voromahery izy ireo; hiazakazaka izy ireo ka tsy ho reraka; handeha izy ireo ary tsy ho torana.
\v 2 Iza no nanentana ny iray avy any atsinanana, niantso azy am-pahamarinana ho amin'ny fanompoany? Manolotra ny firenena ho azy Izy ary manampy azy handresy ireo mpanjaka. Mamadika azy ireo ho vovoka amin'ny sabany izy, tahaka ny mololo tsofin'ny rivotra amin'ny tsipíkany.
\v 4 Iza no nanao sy nahavita ireo asa ireo? Iza no nampiantso ireo taranaka hatrany am-piandohana? Izaho, Yaveh, no voalohany, ary miaraka amin'ireo farany, Izaho no Izy.
\v 11 Indro, ho menatra sy ho afa-baraka, ireo rehetra izay tezitra taminao; ho toy ny tsy misy dikany izy ireo ary ho faty, ireo rehetra izay manohitra anao.
\v 15 Indro, ataoko ho toy ny kodia vy maranitra ianao, vao sady roa-lela; hamely ireo tendrombohitra ianao ary hanorotoro ireo; hataonao ho toy ny akofa ireo havoana.
\v 17 Mitady rano ireo ory sy mahantra, kanefa tsy misy, ary ny lelan'izy ireo dia ho maina nohon'ny hetaheta; Izaho, Yaveh, no hamaly ny vavak'izy ireo; Izaho, Ilay Andriamanitr'Israely, dia tsy hahafoy azy ireo.
\v 18 Hahatonga ny renirano hikoriana amin'ny hantsana Aho, ary loharano eo afovoan'ny lohasaha; hataoko dobon-drano ny tany hay, ary ny tany maina ho loharano.
\v 20 Hanao izany Aho mba hahita, hanaiky, ary hiara-hahatakatra ny olona, fa ny tanan'i Yaveh no nanao izany, ary ilay Iray Masin'Israely no namorona izany.
\v 23 Lazao ireo zavatra momba ny ho avy, mba hahafantaranay fa andriamanitra ianareo; manaova zavatra tsara na ratsy, mba hahatahotra sy hiaky volana izahay.
\v 25 Efa nanangana iray avy any avaratra Aho, ary tonga izy; avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro no hiantsoako izay miantso ny anarako, ary hanitsaka ireo mpanapaka toy ny fotaka izy, toy ny mpanefy tanimanga manitsakitsaka ny tanimanga.
\v 28 Rehefa mijery aho, dia tsy misy na iza na iza, na ny iray eo amin'izy ireo izay afaka manome toro-hevitra tsara, izay, afaka hamaly teny, rehefa manontany Aho.
\v 7 mba hanokatra ny mason'ny jamba, mba hanafaka ireo voafonja ao amin'ny trano maizina, ary avy amin'ny trano fonenan'ireo izay mipetraka ao amin'ny aizina.
\v 19 Iza no jamba nefa mpanompoko? Na marenina toy ny mpitondra hafatra niraiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizam-panekeko, na marenina tahaka ny mpanompon'i Yaveh?
\v 22 Nefa ity dia vahoaka nangalarana sy voaroba; voafandrika any amin'ny lavaka avokoa izy ireo, notanana ho babo tao am-ponja; efa lasa voaroba izy ireo ka tsy misy na iza na iza hanavotra azy, ary tsy misy miteny hoe: “Avereno izy ireo!”
\v 24 Iza no nanome an'i Jakoba ho an'ireo jiolahy, ary ny Israely ho amin'ny mpandroba? Moa ve izany tsy i Yaveh, izay efa nanotantsika, izay nolavin'izy ireo andehanana ny lalany, ary izay nolavin'izy ireo harahina ny lalàny?
\v 2 Raha mandeha mamakivaky ny rano ianareo, dia ho eo aminareo Aho; ary amin'ireo renirano, dia tsy hanafotra anareo ireny. Rehefa mandeha mamakivaky ny afo ianareo dia tsy ho may, ary tsy handrava anareo ny lelafo.
\v 3 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, ilay Iray Masin'Israely, Mpamonjinareo. Nomeko ho toy ny vidim-panavotanareo i Egypta, i Etiopia sy i Seba ho takalonareo.
\v 14 Izao no lazain'i Yaveh, Mpanavotra anareo, ilay Iray Masin'Israely: “Fa noho ny aminareo no handefasako any Babylona sy hitarihako azy ireo rehetra hidina toy ny mpandositra, hamadihana ny fanehoan'ireo Babyloniana hafaliana ho hiram-pitomaniana.
\v 17 izay namoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny tafika sy ny miaramila mahery. Niara-lavo izy ireo; tsy hitsangana intsony izy ireo; maty izy ireo, mitsilopilopy tahaka ny lahin-jiro.)
\v 2 Izao no lazain'i Yaveh, Izy izay nanao anao sy namolavola anao tao am-bohoka sy izay hamonjy anao hoe: “Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko; sy ianao, ry Jesorona, izay nofidiako.
\v 5 Ny iray hiteny hoe: ‘An'i Yaveh aho', ary ny hafa hiantso mafy ny anaran'i Jakoba, ary ny hafa hanoratra eo amin'ny tanany hoe: ‘An'i Yaveh', ka hiantso ny tenany amin'ny anaran'i Israely.”
\v 9 Ny rehetra izay mamboatra sampy dia tsinontsinona; zava-poana ireo zavatra ankasitrahany; ny vavolombelon'izy ireo dia tsy mahita na mahalala na inona na inona, ary halaim-baraka izy ireo.
\v 13 Mandrefy ny hazo amin'ny fitsipihana ny mpandrafitra, ary misokitra izany amin'ny fandraka. Mamolavola izany amin'ireo fitaovany izy ary manamarika izany amin'ny kompà. Mamolavola izany ho toy ny endrik'olona izy, tahaka ny olombelona manintona, mba hipetraka ao an-trano izany.
\v 14 Manapaka sedera izy, na mifidy hazon-kypreso na hazo terebinta. Maka hazo any an'ala ho azy izy. Mamboly kesika izy ary mampaniry izany ny orana.
\v 15 Dia ampiasain'ny olona hampirehetana afo sy hamindroana izany. Eny, mandrehitra afo izy ka manao mofo. Dia manao andriamanitra amin'izany izy ka miankohoka amin'izany; manao sampy izy ka miankohoka amin'izany.
\v 16 Mandoro ny sasany amin'ny hazo hampirehetana afo izy, mitono ny henany amin'izany. Mihinana izy ka afa-po. Mamindro izy ka manao hoe: “Aha, mafana aho, efa nahita afo aho.”
\v 21 Hevero ny momba ireo zavatra ireo, ry Jakoba, sy ry Israely, fa mpanompoko ianao: efa namolavola anao Aho; mpanompoko ianao: ry Israely, tsy ho adinoko ianao.
\v 23 Mihirà, ianareo ry lanitra, fa Yaveh no nanao izany; mikiaha, ianareo ry halalin'ny tany. Mihobia amin'ny fihirana, ianareo ry tendrombohitra, ianao ry ala mbamin'ny hazo rehetra ao; fa efa navotan'i Yaveh i Jakoba, ka hahita ny voninahiny ao Israely.
\v 25 Izaho izay manafoana ny famantaran'ireo mpiteniteny foana sy izay manala-baraka ireo izay mamaky famantarana; Izaho izay mandrava ny fahendren'ny hendry sy manao ny torohevitr'izy ireo ho adalana.
\v 1 Izao no lazain'i Yaveh amin'ilay voahosony, amin'i Kyrosy, izay tazoniko amin'ny tanany ankavanana, mba haharesy ireo firenena eo anatrehany, mba hampilavo lefona ny mpanjaka, ary mba hanokatra ny varavarana eo anoloany, mba hijanona hisokatra ireo vavahady.
\v 3 ary homeko anao ireo haren'ny aizina sy ny harena niafina, mba hahafantaranao fa Izaho, Yaveh, no miantso anao amin'ny anaranao, dia Izaho, ilay Andriamanitr'Israely.
\v 8 Ianareo ry lanitra, aoka hanorana avy any ambony! Aoka ny habakabaka hanorana fahamarinana. Aoka ny tany hitroka izany, mba hitsimoka miaraka amin'izany ny famonjena, ary hiara-hitsiry amin'izany ny fahamarinana. Izaho, Yaveh, no nahary azy ireo.
\v 9 Loza ho an'izay rehetra miady amin'izay nanao azy, amin'izay toy ny vilany tany eo anivon'ireo vilany tany hafa eo amin'ny tany ihany! Moa ve ny tanimanga mba miteny amin'ny mpanefy tanimanga hoe: ‘Inona izato amboarinao?’ na ‘Tsy mahafehy izany ny asanao'?
\v 12 ‘Izaho no nanao ny tany ary nahary ny olona teo amin'izany. Ny tanako no namelatra ny lanitra, ary Izaho no nandidy ny kintana rehetra mba hipoitra.
\v 13 Izaho no nanentana an'i Kyrosy tamin'ny fahamarinana, ary izaho no hanalama ny lalany rehetra. Izy no hanangana ny tanànako; izy no hampody ireo oloko sesitany, ary tsy misy vidiny na kolikoly,’” hoy i Yaveh tompon'ny maro.
\v 18 Izao no lazain'i Yaveh, izay nahary ny lanitra, ilay Andriamanitra marina izay nahary ny tany sy nanao izany, izay nanorina izany. Izy no nahary izany, tsy tahaka ny fakofako, fa nataony mba ho azo hipetrahana: “Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa.
\v 20 Vorio ny tenanareo ka avia! Miaraha-miangona, ianareo mpitsoa-ponenana avy any amin'ireo firenena! Tsy mba manam-pahalalana, ireo izay mitondra sary voasokitra sy mivavaka amin'ny andriamanitra izay tsy afa-mamonjy.
\v 25 Ao amin'i Yaveh no hanamarinana ny taranak'Israely rehetra; ao aminy no hireharehan'izy ireo.
\c 46
\cl Toko faha 46
\p
\v 1 Miankohoka i Bela, mitanondrika i Nebo; ireo sampin'izy ireo dia entin'ny biby fiompy sy biby folahina. Ireo sampy izay entinareo ireo dia enta-mavesatra ho an'ny biby reraka.
\v 7 Mampiakatra izany eo an-tsorony izy ireo ka mitondra izany, mametraka izany eo amin'ny toerany izy ireo, mijoro eo amin'ny toerany izany ary tsy mihetsika eo. Mitaraina amin'izany izy ireo, kanefa tsy afaka mamaly na mamonjy na iza na iza amin'ny lozany izany.
\v 9 Hevero ny momba ireo zavatra vao tsy ela, ireo tamin'ny fotoan-dasa, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa, Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy na iza na iza mitovy amiko.
\v 11 Antsoiko avy any atsinana ny vorona mpiremby, ary ny olona voafidiko avy any amin'ny tany lavitra; eny, efa nolazaiko; ka ho tanterahiko; efa natolotro, ka hataoko ihany koa izany.
\v 13 Mampanakaiky ny fahamarinako Aho; tsy lavitra izany, ary tsy miandry ny famonjeko; ary hanome ny famonjena ho an'i Ziona sy ny hatsarako ho an'i Israely Aho.
\c 47
\cl Toko faha 47
\p
\v 1 Midìna ka mipetraha eo amin'ny vovoka, ry zanaka vavy virjinin'i Babylona; mipetraha eo amin'ny tany tsy misy fiandrianana, ry zanaka vavin'ny Kaldeana. Tsy ho antsoina hoe kanto sy marefo intsony ianareo.
\v 5 Mitoera amin'ny mangina ary mandehana any amin'ny maizina, ry zanaka vavin'ny Kaldeana; fa ianareo dia tsy ho antsoina hoe andriam-bavin'ny fanjakana intsony.
\v 9 Fa ireto zavatra roa ireto dia ho avy tampoka aminareo ao anatin'ny iray andro: ho avy aminareo amin'ny fahafenoan-kery ny fahaverezan-janaka sy ny tsy fananam-bady intsony, na dia eo aza ny famosavianareo sy ireo fandraikiraikenareo ary ireo odinareo.
\v 10 Nahatoky ny faharatsianareo ianareo; hoy ianareo hoe: “Tsy misy mahita ahy"; ny fahendrenareo sy ny fahaizanareo no mitarika anareo any amin'ny lalan-diso, fa hoy ianareo manao anakam-po hoe: “Misy aho ary tsy misy na iza na iza mitovy amiko.”
\v 11 Handresy anareo ny loza; tsy hahavita handroaka izany ianareo sy ny fandraikiraikenareo. Ho ao aminareo ny fahapotehana; tsy hahavita hamafa izany ianareo. Hamely tampoka anareo ny loza, mialohan'ny hahafantaranareo izany.
\v 15 Izao no efa nahatonga azy ireo ho aminareo, ireo izay efa niara-niasa taminareo, ary niara-nividy sy niara-nivarotra taminareo fony tanora ianareo, ary izy rehetra dia mbola manao ny adalany ihany; ary rehefa miantso vonjy ianareo, dia tsy hisy na iza na iza afaka hamonjy anareo.”
\v 4 Satria nahafantatra Aho fa be-dia-doha ianao, ny hozatry ny hatokao dia toy ny vy, ary ny handrinao dia toy ny varahina. Koa dia nambarako taminao mialoha izany zavatra izany,
\v 11 Nohon'ny tenako, eny nohon'ny tenako no hanaovako izany; fa ahoana no amelako ny anarako ho fahafaham-baraka? Tsy homeko olon-kafa ny voninahitro.
\v 19 Tsy ho hita isa toy ny fasika ireo taranakao, ary ny zanaka aloaky ny kibonao hitovy isa toy ny sombim-pasika; ny anaran'izy ireo dia tsy ho tapaka na ho foana avy eo anoloako.
\v 2 Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; nafeniny tao amin'ny aloky ny tanany aho; nataony toa ny zana-tsipìka voalangolango aho; tao an-tranon'ny zana-tsipìkany no nanafenany ahy.
\v 4 Fa namaly aho hoe: “Raha nihevitra aho hoe niasa tam-pikirizana, dia nandany ny heriko tamin'ny zava-poana aho, fa efa ao amin'ny Yaveh ny rariny izay ahy, ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamananitro.
\v 5 Ankehitriny Yaveh dia miteny_Izy ilay namorona ahy hatramin'ny nahaterahako ho mpanompony, mba hampiverina amin'ny laoniny indray an'i Jakoba ho azy tenany, ka hampitambatra ny Israely ho eo aminy, fa omem-boninahitra eo imason'i Yaveh aho, ary tonga heriko ny Andriamanitro_
\v 8 Izao no lazain'i Yaveh: “Amin'ny fotoana izay hanapahako hevitra hanehoako ny fankasitrahako dia hamaly anao Aho, ary amin'ny andron'ny famonjena dia hanampy anao Aho; hiaro anao Aho, ary hanome anao tahaka ny fanekena ho an'ny vahoaka, mba hanangana indray ny tany, mba hanendry indray ny lova efa lao.
\v 10 Tsy ho noana na hangetaheta; na hafana be na ho kapohin'ny masoandro izy ireo, fa Izy izay manana famindram-po amin'izy ireo no hitarika azy ireo; hitantana azy ireo ho any amin'ireo loharano izy.
\v 12 Indro, ho tonga avy any amin'ny alavitra izy ireo, ny sasany avy any amin'ny avaratra sy ny antsinanana; ary ireo sasany avy any amin'ny tanin'ny Sinima.
\v 13 Mihirà, ry lanitra, ary mifalia, ry tany; mivakia amin'ny fihirana, ianareo ry tendrombohitra! Fa mankahery ny olony Andriamanitra, ary hanana fangoraham-po amin'ireo ory.
\v 15 Moa ve ny reny hahavita hanadino ny zanany, izay minono eo an-tratrany, ka tsy hanana fangoraham-po amin'ny zanany lahy izay naterany? Eny, mety hanadino izy, fa Izaho tsy mba hanadino anao.
\v 20 Ny zaza izay ho teraka mandritry ny fotoanan'ny alahelonao dia hibitsika eo an-tsofinao hoe: “Tery loatra ho anay ny toerana, manaova efitra ho anay, mba ahafahanay monina eto.”
\v 21 Dia hanontany tena ianao hoe: ‘Iza no niteraka ireto zaza ireto ho ahy? Fa momba sy nalahelo aho, sesitany ary nisaram-panambadiana. Iza no nanangana ireto ankizy ireto? Indro, navela irery tokoa aho; avy aiza no niavian'izany?’”
\v 23 Ny mpanjaka no ho ray mpamelona anao, ary ireo mpanjakavaviny no ho mpifehy anao; hiankohoka miaraka amin'ny tavany amin'ny tany aminao izy ireo ary hamafa ny vovoka eo an-tongotrao; ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh; ireo izay niandry ahy dia tsy ho menatra.”
\f + \ft Fanamarihana: Raha toa ka hoe: “amin'ny mafy", ny lahatsoratra Hebreo nanao hoe: “amin'ny fahamarinana" fa ny ankamaroan'ny dikan-teny taty aoriana nanova azy hoe: “amin'ny mafy.” \f*
\v 26 Hofahanako ireo nofon'ny tenany ireo mpampahory anao; ary ho mamon'ny ran'ny tenany izy ireo, tahaka ny hoe raha divay izany. Dia ho fantatrin'ny olombelona rehetra fa Izaho, Yaveh, no Mpamonjy sy Mpanavotra anareo, ilay Iray Maherin'i Jakoba.”
\v 2 Nahoana Aho no tonga kanefa tsy nisy olona tany? Nahoana Aho no niantso kanefa tsy nisy namaly? Moa fohy loatra ny tanako mba hanavotra anareo? Moa ve tsy nanan-kery Aho mba hamonjy anareo? Indro, amin'ny fitenenako mafy no andritako ny ranomasina; hanao ireo ony ho efitra Aho; matin'ny tsy fisian-drano sy hetaheta ny hazan-dranony.
\v 6 Nomeko ho an'ireo izay namely ahy ny lamosiko, ary ny tarehiko ho an'ireo izay nanongotra ny volom-bavako; tsy nanafina ny tavako tamin'ireo fihetsika nahamenatra sy naharikoriko aho.
\v 7 Fa ny Tompo Yaveh no hanampy ahy; noho izany dia tsy ho afa-baraka aho; koa dia efa nanao ny tarehiko ho afovato aho, satria fantatro fa tsy ho alàna baraka aho.
\v 8 Izy izay hanamarina ahy dia eo akaikiko. Iza no hanohitra ahy? Andeha isika hitsangana ka hifanatrika. Iza no mpiampanga ahy? aoka izy hanakaiky ahy.
\v 9 Indro, ny Tompo Yaveh no hanampy ahy. Iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ireo ho rovitra tahaka ny akanjo, ny kalalao no hihinana azy ireo.
\v 10 Iza aminareo no matahotra an'i Yaveh? Iza no mankatò ny feon'ny mpanompony? Iza no mandeha amin'ny aizina lalina tsy misy fanilo? Tokony hatoky amin'ny anaran'i Yaveh izy ka hiantehitra amin'Andrimaniny.
\v 3 Eny, Yaveh no hampionona an'i Ziona; hampionona ireo toerany banga Izy; ny tany efiny nataony tahaka an'i Edena, ny tany karakainany eo anilan'ny Ony Lohasahan'i Jordana ho toy ny zaridainan'i Yaveh; faharavoravoana sy fifaliana no hita ao aminy, fisaorana, ary feon'ny fihirana.
\v 4 “Mifantoha amiko, ry vahoakako; ary mihainoa Ahy ry vahoakako! Fa hamoaka didy Aho, ary hataoko ho fahazavana ho an'ny firenena rehetra ny fahamarinako.
\v 5 Akaiky ny fahamarinako; hivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ireo firenena; ireo tany amoron-tsiraka dia hiandry Ahy; fa ny sandriko no endrasan'izy ireo fatratra.
\v 6 Andrandrao eny amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany, fa ho levona toy ny setroka ny lanitra, ny tany ho voritra tahaka ny akanjo, ary ny mponina eo amin'izany ho faty toy ny lalitra. Fa ny famonjeko dia haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa.
\v 8 Fa ny kalalao hihinana azy ireo toy ny akanjo, ary ny kankana hihinana azy ireo toy ny volon'ondry; fa ho mandrakizay ny fahamarinako, ary ho an'ny taranaka rehetra ny famonjeko.”
\v 9 Mifohaza, mifohaza, tafio hery ny tenanareo, dia ny sandrin'i Yaveh. Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny, ny taranaka tamin'ny fotoana fahiny. Tsy ianao ve no nanitsakitsaka an-dRahaba, ianao izay nandefona ilay dragona?
\v 11 Ny navotan'i Yaveh dia hiverina ary hankany Ziona amin'ny hiakiam-piravoravoana sy am-pifaliana mandrakizay eo amin'ny lohan'izy ireo; ary ny fifaliana sy faharavoravoana hameno azy ireo, ka handositra azy ireo ny alahelo sy ny fisaonana.
\v 16 Efa nametraka teo am-bavanao ireo teniko, ary nanarona anao tao amin'ny aloky ny tanako Aho, mba hahafahako manorina ny lanitra, sy mametraka ny fanambanin'ny tany, ka hiteny amin'ny Ziona hoe: ‘Vahoakako ianao.”’
\v 19 Mitranga aminao ireo olana roa ireo_ iza no alahelo iaraka aminao? _ faharavana sy fandringanana, ary ny mosary sy ny sabatra. Iza no hampionona anao?
\v 23 Hataoko eo an-tanan'ny mpanenjika anao izany, izay efa niteny taminao hoe: “Mitsilania mba hahafahanay manitsakitsaka anao'; nataonao ho toy ny tany sy toy ny lalana handehanan'izy ireo ny lamosinao.
\v 1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona; tafio ireo akanjonao tsara tarehy, ry Jerosalema, tanàna masina; fa tsy hiditra aminareo intsony ny tsy voafora na ny maloto.
\v 4 Fa izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: “Tany am-piandohana ny oloko dia nandeha nidina nankany Egypta mba hitoetra mandirtry ny fotoana voafetra; efa nampahorian'i Asyria vao tsy ela izy ireo.
\v 5 Ankehitriny inona no hananako eto— izany no fanambaran'i Yaveh—hita fa nalaina tamin'ny tsy antony ny oloko? Maniratsira ireo izay manapaka eo amin'izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ary voahendrikendrika foana ny anarako tontolo andro.
\v 12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, na tahotra no hialanareo; satria Yaveh dia handeha hialoha anareo; ary ilay Andriamanitr' Israely no ho vodi-lalanareo.
\v 15 Na dia izany aza, hamafy firenena maro ny mpanompoko ary hanakombona ny vavany noho izy ireo mpanjaka. Fa izay tsy mbola nolazaina azy ireo, dia ho hitan'izy ireo, ary izay tsy mbola ren'izy ireo, dia ho azon'izy ireo.
\c 53
\cl Toko faha 53
\p
\v 1 Iza no nino izay reny avy taminay, ary tamin'iza no nampisehoana ny sandrin'i Yaveh?
\v 7 Nampahoriana izy; nefa rehefa nanetry tena izy, dia tsy nanokatra ny vavany; tsy nanokatra ny vavany tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana; sy tahaka ny ondry izay mangina manoloana ny mpanety azy izy.
\v 8 Tamin'ny faneriterena sy fitsarana no niampangana azy; iza amin'io taranaka io no mbola mieritreritra ny momba azy? Fa naringana tamin'ny tanin'ny velona izy; noho ireo fandikan-dalàn'ny oloko dia natao teo aminy ny fanasaziana.
\v 10 Fa sitrapon'Yaveh ny hamotika azy sy hanao azy ho marary. Rehefa nataony ho sorona ho an'ny fahotana ny ainy, dia hahita ny fisasarany izy, hanalava ny androny izy, ary ny tanjon'i Yaveh dia ho tanteraka amin'ny alalany.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: “Aorian'ny fijaliany tamin'ny fiainany" ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe: “Hatrany amin'ny fijaliany tamin'ny fiainana dia hahita vokany izy.” \f* Ilay mpanompoko marina no hanamarina ny maro; hitondra ny helok'izy ireo izy.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny vaovao maro sasany dia manampy hoe: “hazavana.” Ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe: “Amin'ny fahalalany, no hanamarinan'ilay mpanompoko marina ny maro.” \f*
\v 1 “Mihirà, ry vehivavy momba, ianareo izay tsy niteraka; miravoravoa amin'ny hiram-pifaliana ary mihiakà mafy, ianareo izay tsy mba nihetsi-jaza. Fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro kokoa noho ny zanaky ny vehivavy manambady,” hoy i Yaveh.
\v 4 Aza matahotra fa tsy ho menatra ianareo, na kivy fa tsy ho afa-baraka ianareo; hanadino ny henatry ny hatanoranareo sy ny fahafaham-barakan'ny fandaozana anareo ianareo.
\v 5 Fa ilay Mpahary anareo no vadinareo; Yaveh tompon'ny maro no Anarany. Ilay Iray Masin'Israely no Mpanavotra anareo; Izy dia antsoina hoe Andriamanitry ny tany rehetra.
\v 6 Fa Yaveh efa namerina niantso anareo ho toy ny vady izay nilaozana sy malahelo am-panahy, tahaka ny vehivavy nanambady tanora ary nariana,” hoy ny Andriamanitrareo.
\v 9 Fa izao dia tahaka ny tondra-dranon'i Noa Amiko: tahaka ny nianianako fa ny tondra-dranon'i Noa dia tsy handalo amin'ny tany intsony, no hianianako fa tsy ho tezitra aminareo na hiteny mafy anareo Aho.
\v 10 Na hianjera aza ireo tendrombohitra na koa hiozongozona aza ireo havoana, ny fitiavako tsy miova kosa dia tsy hiodina aminareo, na ny fiadanako mahatoky ho voaozongozona—hoy i Yaveh, izay mamindra fo anareo.
\v 11 Ianareo ory, afotofoton'ny tafio-drivotra sy tsy manana fampiononana, indro, ho ataoko amin'ny vatosoa ny rarivatonareo, ary amin'ny safira no hametrahako ny fototrareo.
\v 14 Amin'ny fahamarinana no hamerenako anareo amin'ny laoniny. Tsy hiaina fanenjehana intsony ianareo, ka tsy hatahotra ianareo, ary tsy hisy na inona na inona mampitahotra ho avy eo anilanareo.
\v 9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra izay avo kokoa noho ny tany, no hahavon'ny lalako kokoa noho ny lalanareo, ary ny fihevitro mihoatra noho ny fihevitrareo.
\v 10 Fa toy ny orana sy ny fanala hilatsaka avy eny an-danitra ka tsy miverina eny raha tsy hoe mameno ny tany ireo ary hamokatatra sy hitsimoka izany ary hanome voa ho an'ny mpamboly izay mamafy ary mizara mofo ho an'ny mpihinana,
\v 12 Fa hivoaka am-pifaliana ianareo ary hotarihana am-piadanana; ireo tendrombohitra sy ny havoana dia ho vaky amin'ny hiaka am-pifaliana eo anatrehanareo, ary ny hazon'ny saha rehetra dia hiteha-tanana.
\v 13 Raha tokony ho fefy tsilo, dia ny kipreso no haniry; ary raha tokony tsilo, dia hazo rotra no haniry, ary ho an'i Yaveh izany, fa ny anarany, tahaka ny famantarana izay tsy ho tapaka mandrakizay.
\v 2 Voatahy ny olona izay manao, sy mihazona mafy izany. Izy dia mitandrina ny Sabata, fa tsy mandoto izany, ary mifehy ny tanany amin'ny fanaovan-dratsy.”
\v 5 ho azy ireo no hananganako ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako ny tsangam-bato izay tsara kokoa nohon'ny manan-janaka lahy sy zanaka vavy. Hanome azy ireo tsangam-bato maharitra mandrakizay izay tsy ho kapaina mihitsy Aho.
\v 7 _dia ho entiko any an-tendrombohitro masina ary hampiravoravoko ao an-trano fivavahako izy ireo; ny fanatitra dorany sy ny soron'izy ireo dia hekena eo ambonin'ny alitarako. Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra,
\v 6 Amin'ireo kilonjy malaman'ny reniran-dohasaha ireo zavatra izay notendreko ho anareo. Ireo no anton'ny fanoloran-tenanareo. Ianareo dia mandraraka ny fanatitrareo sotrona ho azy ireo sy manandratra ny fanatitra vary. Amin'ireo zavatra ireo ve no tokony hifaliako?
\v 8 Tao ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanareo ireo famantaranareo. Ianareo dia nitsoaka nandao Ahy, nampitanjaka ny tenanareo, ary niakatra; nampihanjaka ny fandrianareo. Nanao fanekena tamin'izy ireo ianareo; nitia ny fandrian'izy ireo ianareo; nahita ny faritra saro-padiny ianareo.
\v 11 “Iza no ahianareo? Iza no atahoranareo mafy ka nahatonga anareo hamitaka, ka tsy nahatsiaro na niheritreritra Ahy ianareo? Satria nangiana hatry ny ela Aho ary tsy matahotra Ahy intsony ianareo.
\v 13 Rehefa mitaraina ianareo, aoka hamonjy anareo ireo karazan-tsampinareo. Raha tokony ny rivotra no hitondra azy rehetra ireo, dia ny fofon'aina no hitondra azy rehetra. Fa izay mialoka Amiko dia handova ny tany sy haka ho fananana ny tendrombohitro masina.
\v 15 Fa izao no lazain'Ilay ambony sy avo, izay velona mandrakizay, masina ny Anarany: “Izaho dia mipetraka amin'ny toerana avo sy masina, miaraka aminy koa ny fanahy torotoro sy manetry tena, mba hamelomana indray ny fanahin'ireo izay manetry tena, ary mba hamelomana indray ny fon'ireo izay manenina.
\v 19 ary foroniko ny vokatr'ireo molony. Fiadanana, fiadanana, ho an'ireo izay any lavitra sy ho an'ireo izay akaiky_hoy i Yaveh_hositraniko izy ireo.
\v 4 Indro, mifady hanina ianareo mba hifanditra sy hiady, ary hamely amin'ny totondrin'ny faharatsianareo; tsy mifady ianareo androany mba ho re any ambony ny feonareo.
\v 5 Izany tokoa ve no karazana fifadiana tiako: Andro hanetren'ny rehetra ny tenany, mba hampiondrehany ny lohany tahaka ny volotara, ary hamelarany lamba fisaonana sy lavenona ao ambaniny? Fifadiana tokoa ve no iantsoanareo izany, andro ifalian'i Yaveh?
\v 6 Tsy izao ve no fifadiana safidiako: Ny hanafaka ny famatoran'ny faharatsiana, ny hamaha ny tadin'ny zioga, ny hanafaka ireo torotoro, ny hanapaka ny zioga rehetra?
\v 8 Dia hipoaka tahaka ny masoandro ny fahazavanao, ary hitsimoka faingana ny fanasitranana anao; handeha eo anoloanao ny fahamariananao, ary ny voninahitr'i Yaveh no ho vodi-lalanao.
\v 10 raha manome ho an'ny noana ianao ary mamoky ny tra-pahoriana; dia hiposaka ao amin'ny aizina ny fahazavanao, ary ny aizinao ho tahaka ny amin'ny mitataovovonana.
\v 11 Dia hitarika anao lalandava Yaveh ka hamoky anao any amin'ny faritany izay tsy misy rano, ary hanatanjaka ny taolanao Izy. Ho tahaka ny sahan-drano ianao, ary tahaka ny loharano, izay tsy mitsahatra mandrakizay ny ranony.
\v 12 Ny sasany aminareo dia hanorina indray ny rava fahiny; hanangana ireo ravan'ny taranaka maro ianareo; ho antsoina ianareo hoe “mpanamboatra ny manda,” “Mpamerina ny lalana honenana.”
\v 13 Raha atao hoe mamily ny tongotrao hiala amin'ny fanaovana dia amin'ny andro Sabata ianao, ary hiala amin'ny fanaovana ny fahafinaretanao manokana amin'ny androko masina. Raha atao hoe miantso ny Sabata ho sitraka, ary miantso ny raharahan'i Yaveh ho masina sy manan-kaja ianao. Raha atao hoe manaja ny Sabata amin'ny fahafoizana ny raharahanao manokana ianao, ary amin'ny tsy fitadiavana ny fahafinaretanao manokana ary amin'ny tsy filazana ny teninao manokana.
\v 2 Ny asa ratsinareo, kanefa, no nampisaraka anareo tamin'ny Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no nahatonga Azy hanafina ny tavany aminareo ka tsy hihaino anareo.
\v 6 Tsy azo ampiasaina hatao akanjo ny tranon-kalany, na afaka manarona ny tenany ny asany. Asan'ny fahotana ny asany, ary asan'ny herisetra no eo an-tanany.
\v 7 Mihazakazaka ho any amin'ny ratsy ny tongony, ary mihazakazaka handatsaka rà tsy manan-tsiny izy ireo. Fihevitra fahotana ny fiheviny; herisetra sy fandravana no lalany.
\v 14 Nesorina ny rariny, ary mijoro lavitra dia lavitra ny fahamarinana; fa tafintohina eny ankalamanjana ny fahamarinana, ary tsy ho tonga ny marina.
\v 16 Nahita Izy fa tsy misy olona, ary talanjona fa tsy mba misy miditra an-tsehatra. Noho izany dia ny tanany ihany no nitondra famomjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
\v 19 Koa dia hatahotra ny anaran'i Yaveh avy any andrefana izy ireo, ary ny voninahiny avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro; fa ho avy tahaka ny riaka mipaoka Izy, izay entin'ny fofonain'i Yaveh.
\v 21 Raha ny amiko, dia izao no fanekeko amin'izy ireo—hoy Yaveh—ny fanahiko izay ao amin'izy ireo, ary ny teniko izay napetrako teo am-bavanao, dia tsy hiala amin'ny vavanao, na hiala amin'ny vavan'ireo zanakao, na hiala amin'ny vavan'ireo zafinao—hoy Yaveh—manomboka izao ka ho mandrakizay.”
\v 4 Mijere manodidina ka tazano. Miara-miangona izy rehetra ka tonga eo aminao. Ho tonga avy any lavitra ireo zanakao lahy, ary ho entina eo an-tsandriny ireo zanakao vavy.
\v 5 Dia hijery ianao ka ho miramirana, ary tokony hifaly sy ho safotra ny fonao, satria hararaka aminao ny habetsahan'ny ranomasina, ho tonga aminao ny haren'ireo firenena.
\v 6 Handrakotra anao ireo andian-drameva, dia ireo rameva tanora any Midiana sy Efaha; ireo rehetra ireo dia ho avy any Sheba avokoa; hitondra volamena sy ditin-kazo manitra ireo, ary hihira fiderana an'i Yaveh.
\v 7 Ireo ondry aman'osin'i Kedara rehetra dia hangonina eo aminao, ireo ondry lahin'i Nebaiota dia hety amin'izay ilainao; ho fanatitra ankasitrahina eo amin'ny alitarako ireo; ary homeko voninahitra ny tranoko be voninahitra.
\v 10 Ny zanaka lahin'ireo hafa firenena hanangana indray ireo mandanao; ary hanompo anao ireo mpanjakany; fa na dia tamin'ny fahatezerako aza no namaizako anao, dia amin'ny fankasitrahako kosa no hangorahako anao.
\v 13 Ho tonga aminao ny voninahitr'i Libanona, ny hazo kypreso, ny kesika, ary ny bokso miaraka, dia hanendrika ny fitoerako masina; ary hanome voninahitra ny fitoeran-tongotro Aho.
\v 14 Ho tonga eo aminao mba hiankohoka izy ireo, dia ny zanaka lahin'ireo izay nanetry anao; hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo; hiantso anao hoe Ilay tanàn'i Yaveh izy ireo, dia i Zion'Ilay Masin'Israely.
\v 16 Hisotro ny rononon'ireo firenena ihany koa ianao, ary hinono eo amin'ny tratran'ireo mpanjaka; dia ho fantatrao fa Izaho, no Yaveh, Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao, Ilay Masin'i Jakoba.
\v 17 Ho solon'ny varahina dia hitondra volamena Aho, ho solon'ny vy dia hitondra volafotsy Aho; ho solon'ny hazo, dia varahina; ary ho solon'ny vato, dia vy. Hanendry fiadanana ho governoranao aho, ary rariny no mpanapakao.
\v 18 Tsy ho re ao amin'ny taninao intsony ny herisetra, na fandravana na fahapotipotehina ao amin'ireo faritaninao; fa ho antsoinao hoe Famonjena ireo mandanao, ary Fiderana ireo vavahadinao.
\v 19 Tsy ho fahazavanao ny andro intsony ny masoandro, na hamiratra aminao ny fahazavan'ny volana; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ary ny Andriamanitrao no voninahitrao.
\v 20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, na hiala ka hanjavona ny volanao; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ka hifarana ireo andro fisaonanao.
\v 21 Ho marina avokoa ny vahoakanao rehetra; haka ny tany amin'ny fotoana rehetra izy ireo, dia ny rantsan'ny voliko, ny asan'ny tanako, mba homena voninahitra Aho.
\v 2 Naniraka ahy mba hanambara ny taona fankasitrahan'i Yaveh, ny andron'ny valifatin'ny Andriamanintsika, sy mba hampionona an'izay rehetra misaona Izy.
\v 8 Fa Izaho, Yaveh, dia tia ny rariny, ary halako ny fandrobana sy ny herisetra tsy ara-drariny. Hamaly azy ireo am-pahamarinana Aho, ary hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo.
\v 9 Ho fantatra eo amin'ireo firenena ny taranak'izy ireo, ary eo amin'ireo vahoaka ny zanak'izy ireo. Izay rehetra mahita azy ireo dia hanaiky azy ireo, fa izy ireo no vahoaka izay notahin'i Yaveh.
\v 10 Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho; ho ravo ao amin'ny Andriamanitro aho. Fa Izy no nampiankanjo ahy tamin'ireo fitafian'ny famonjena; nampiankanjo ahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana Izy, toy ny mpampankatra mandravaka ny tenany amin'ny satroka, ary toy ny ampankarina mandravaka ny tenany amin'ireo firavany.
\v 2 Hahita ny fahamarinanao ireo firenena, ary ny mpanjaka rehetra ny voninahitrao. Ho antsoina amin'ny anarana vaovao ianao izay ho safidian'i Yaveh.
\v 4 Tsy ho lazaina ny aminao intsony ny hoe: “Nafoy"; na ho lazaina amin'ny taninao intsony ny hoe: “Lao.” Fa kosa, ho antsoina hoe: “Ilay sitrako,” ary ny taninao hoe: “Manambady,” satria sitrak'i Yaveh ianao, ary hanambady ny taninao.
\v 5 Tahaka ny tovolahy manambady tovovavy tokoa, no hanambadian'ireo zanakao anao, ary toy ny mpampakatra mifaly amin'ny ampakariny, no hifalian'ny Andriamanitrareo aminareo.
\v 9 Fa ireo izay mijinja ny vary dia hihinana izany sy hidera an'i Yaveh, ary ireo izay mioty ny voaloboka dia hisotro ny divay ao amin'ny fitsaràn'ny fitoerako masina.”
\v 5 Nijery Aho, ary tsy nisy na iza na iza nanampy. Talanjona Aho fa tsy nisy nanampy, fa ny sandriko no nitondra fandresena ho Ahy, ary ny fahatezerako lehibe no nanohana Ahy.
\v 14 Toy ny biby fiompy izay midina an-dohasaha, ny Fanahin'i Yaveh nanome fitsaharana azy ireo. Ka nitondra ny vahoakanao ianao, mba hanaovana anarana fiderana ho anao.
\v 15 Mijere ambany avy eny amin'ny lanitra ary miambena avy eny amin'ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny zotom-ponao sy ny asanao mahery? Ireo asa famindrampo sy ny fangorahanao dia notazomina taminay.
\v 2 tahaka ny afo rehefa mirehitra amin'ny borosy hazo, na ny afo mampangotraka rano. Endrey, fa ho fantatr'ireo fahavalonao ny Anaranao, fa hangovitra eo anatrehanao ny firenena!
\v 7 Tsy misy miantso amin'ny Anaranao, na miezaka mba hifikitra Aminao. Fa nanafina ny tavanao taminay Ianao ary mandamaka anay eo amin'ny tanan'ireo helokay.
\v 5 Hoy izy ireo hoe: ‘Miataha, aza manakaiky ahy, fa izaho dia masina kokoa noho ianao.’ Ireo zavatra ireo dia teo am-bavoroko, afo izay mandoro mandritry ny tontolo andro.
\v 7 fa ny fahotan'izy ireo sy ny razany dia mitambatra,” hoy Yaveh. “Hamaly azy ireo noho'ny fandorana ditin-kazo manitra tao amin'ireo tendrombohitra sy nohon'ny fanesoana Ahy tao amin'ireo havoana Aho. Noho izany dia handrefy ireo asa vitan'izy ireo eo am-pofoany Aho.”
\v 11 Fa ianareo izay mandao an'i Yaveh, izay manadino ny tendrombohitro masina, izay manomana latabatra ho an'ny andriamanitra Gada, ary mameno divay voaharo ny fisotroana ho an'ny andriamanitra Meny.
\v 13 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: “Indro, hihinana ny mpanompoko, fa ianareo kosa ho noana; indro, hisotro ny mpanompoko, fa ianareo kosa hangetaheta; indro, hiravoravo ny mpanompoko, fa ianareo kosa ho menarina.
\v 15 Hamela ny anaranareo ho ozona ho an'ireo voafidiko mba hiteny ianareo; Izaho, ilay Tompo Yaveh, no hamono anareo; Ho antsoiko amin'ny anarana hafa ireo mpanompoko.
\v 16 Na iza na iza manambara fitahiana ao amin'ny tany dia ho voatahiko, ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Na iza na iza mianiana amin'ny tany dia mianiana amin'ny alalako, ilay Andriamanitry ny fahamarinana, satria ho adinoina ireo loza taloha, fa hiafina tsy ho hitan'ny masoko ireo.
\v 18 Fa ho faly ianareo ary hiravo mandrakizay ao amin'izay vao ho foroniko. Indro, hamorona an'i Jerosalema ho fifaliana, ary ny mponiny ho sitraka Aho.
\v 19 Hiravoravo manerana an'i Jerosalema, sy ho faly eo amin'ireo vahoakako Aho; ny tomany sy ny tarainan'ny fahoriana dia tsy ho re ao aminy intsony.
\v 22 Tsy hanorina trano intsony izy ireo ka ny hafa no hipetraka ao amin'izany; tsy hamboly izy ireo ka ny hafa no hihinana; fa ny andron'ny hazo maniry no ho andron'ny vahoakako. Ny voafidiko dia hisitraka feno ny asan'ny tanany.
\v 25 Ny amboadia sy ny zanak'ondry dia hiara-hiraoka, ary ny liona hihinana mololo tahaka ny omby; fa vovoka no ho sakafon'ny bibilava. Tsy handratra na hamotika eny amin'ny tendrombohitro intsony izy ireo" hoy Yaveh.
\v 1 Izao no lazain'i Yaveh hoe: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro, aiza ary ny trano izay haorinao ho Ahy? Aiza ny toerana izay ahafahako miala sasatra?
\v 8 Iza no naheno zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Moa ve ho teraka anaty andro iray ny tany? Afaka hiorina anatin'ny fotoana iray ny firenena? Fony mbola tsy nihetsi-jaza i Ziona, dia efa niteraka ireo zanany.
\v 9 Moa ve mitondra zaza amin'ny fahavononan'ny fahaterahana Aho ka tsy mamela ny zaza ho teraka? _nanontany Yaveh. Na nitondra zaza amin'ny fotoanan'ny fiterahana ka hamerina izany? _manontany Andriamanitrao.”
\v 11 Fa hitaiza ianao ary ho afapo; hampiononina eo amin'ireo nonony ianao; fa hisotro izany amin'ny hafenoana sy fahafinaretanan'ny voninahiny be ianao.
\v 12 Izao no lazain'i Yaveh: “Handeha hampiely fanambinana manerana azy tahaka ny renirano Aho, ary ny haren'ny firenena ho tahaka ny loharano mitondraka. Hinono amin'ny ilany ianao, ho eo an-tsandriny, ary ho ahindrahindra eo amin'ireo lohaliny.
\v 14 Hahita izany ianao, dia hifaly ny fonao, ary ny taolanao hitsimoka tahaka ny ahi-maitso. Hampahafantarin'i Yaveh ireo mpanompony ny tanany. Fa hampiseho ny hatezerany hanohitra ireo fahavalony Izy.
\v 15 Fa indro, tonga miaraka amin'ny afo, ary tonga tahaka ny tafio-drivotra ireo kalesiny mba hitondra ny hafanan'ny fahatezerany sy ny fitenenany mafy miaraka amin'ireo lelan'afo.
\v 17 Manamasina ny tenany sy manadio ny tenany izy ireo, ka afaka miditra ao an-tsaha, manaraka ny iray izay eo afovoany mihinana nofon-kisoa sy ireo zavatra vetaveta tahaka ny voalavo.
\f + \ft Fanamarihana: Ity andininy ity dia tena sarotra, ka ny dikan-teny taty aoriana dia namorona fandikana maro isan-karazany. \f* “Ho avy amin'ny fiafarana izy ireo_izany no fanambaran'i Yaveh.”
\v 18 Fa fantatro ireo asany sy ireo eritreriny. Ho avy ny fotoana rehefa hanangona ireo firenena sy ireo fiteny rehetra Aho. Ho avy izy ireo ary hahita ny voninahitro.
\f + \ft Fanamarihana: Ity andiany ity dia tena sarotra ka ny dikan-teny taty aoriana dia namorona fandikana maro samihafa. \f*
\v 19 Hametraka famantarana mahery eo amin'izy ireo Aho. Avy eo dia handefa ireo sisa tsy maty avy amin'izy ireo any amin'ireo firenena Aho: Any Tarsisy, Pola, ary Lydia, mpandefa zana-tsipìka izay manenjana ireo tsipìkany, Amin'i Tobala, Javana, ary ireo amoron-tsiraka alavitra izay tsy nahenoan'izy ireo Ahy na nahitany ny voninahitro. Hanambara ny voninahitro manerana ny firenena izy ireo.
\v 20 Hampiverina ireo rahalainao rehetra hivoaka ireo firenena rehetra izy ireo, tahaka ny fanatitra ho an'i Yaveh. Ho avy amin'ny soavaly, sy anatin'ireo kalesy, anatin'ireo filanjana, ambonin'ireo ampondra, ary ambonin'ireo rameva, ho any amin'i Jerosalema tendrombohitro masina_hoy Yaveh. Fa ny vahoakan'i Israely dia hitondra fanatitra vary anaty lovia madio ho ao an-tranon'i Yaveh.
\v 21 Na ny sasany amin' izyireo aza dia hofidiko ho mpisorona sy Levita_hoy Yaveh.
\v 22 Fa tahaka ireo lanitra vaovao sy tany vaovao izay hataoko dia hitoetra eo anatrehako_izao no fanambaran'i Yaveh_ka hitoetra ireo taranakao, ary hitoetra ny anaranao.
\v 23 Fa amin'ny volana iray ka hatramin'ny manaraka, ary ny Sabata iray ka hatramin'ny manaraka, ho avy hiankohoka Amiko ireo olona rehetra_hoy Yaveh.
\v 24 Hivoaka izy ireo ary hahita ireo fatin'olona izay nikomy hanohitra Ahy, fa ny kankana izay mihinana azy ireo dia tsy ho faty, ary ny afo izay handevina azy ireo dia tsy ho voavono; ary ho rikoriko ho an'ny nofo rehetra izany.”