\v 2 Mihainoa, ianareo ry vahoaka. Mihainoa, ry tany, sy izay rehetra eo aminao. Aoka ny Tompo Yaveh no ho vavolombelona hanohitra anareo, ny Tompo avy ao amin'ny tempoliny masina.
\v 11 Mandalova amim-pitanjahana sy henatra, ry mponin'i Safira. Aza mivoaka ry mponin'i Zanana. Aoka hisaona i Beti-haezela, satria nesorina ny fiarovan'izy ireo.
\v 12 Fa miandry amim-pitaintainana ny vaovao mahafaly ireo mponin'i Marota, satria nilatsaka avy tamin'i Yaveh ho ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema ny loza.
\v 16 Harato ny lohanareo ary tapaho ny volonareo ho an'ireo zanakareo izay ankasitrahanareo. Solao tahaka ny voromahery ny tenanareo, fa ireo zanakareo handeha hatao sesi-tany hiala ao aminareo.
\v 1 Loza ho an'izay mamoron-keloka, ho an'izay mandrafitra ny hanao ratsy eo am-pandriany. Amin'ny maraina no anaovan'izy ireo izany satria manana fahefana izy ireo.
\v 7 Ry taranak'i Jakoba, moa tokony tenenina tokoa ve izao hoe: “Tezitra ve ny Fanahin'i Yaveh? Moa tena asany ve ireo?” Moa tsy mampahatsara an'izay mandeha mahitsy ve ny teniko?
\v 8 Any aoriana kely dia hitsangana tahaka ny fahavalo ny vahoakako. Manala ny tohitena, ny akanjo, eny amin'izay mandalo tsy amim-piahiahiana ianareo, tahaka ireo miaramila miverina avy any an'ady ho any amin'izay heveriny fa mandry fahalemana.
\v 11 Raha misy olona tonga any aminareo amin'ny fanahin'ny fandaingana sy lainga ka manao hoe: “Haminany aminao momba ny divay sy zava-pisotro mahery aho,” dia heverina ho mpaminany ho an'izany vahoaka izany izy.
\v 13 Izay olona mamaky dia manokatra ny lalan'izy ireo ho azy ireo ka handeha eo alohan'izy ireo. Handeha hamaky ny vavahady izy ireo ka hivoaka; ny mpanjakan'izy ireo no handeha eo anoloany. Yaveh no ho mpitarika azy ireo.
\v 1 Hoy aho: “Mihainoa ankehitriny, ianareo ry mpitarik'i Jakoba sy mpanapaka ny taranak'Israely: Moa ve tsy mety aminareo ny mahatakatra ny fahamarinana?
\v 3 ianareo izay mihinana ny nofon'ny oloko ihany koa, ary manendaka ny hodiny, manapaka ny taolany, ary mamakivaky azy ireo, tahaka ny hena atao ao am-bilany, tahaka ny hena atao ao amin'ny fandrahoan-kena.
\v 5 Izao no lazain'i Yaveh momba ireo mpaminany izay nampirenireny ny oloko: “Ho an'izay namahana azy ireo dia hilaza izy ireo hoe: ‘Hisy fanambinana.’ Fa ho an'izay tsy nanisy na inona na inona ao am-bavany, dia hanomboka hiady aminy izy ireo.
\v 6 Noho izany, dia ho alina ho anareo izany ary tsy hisy fahitana ho anareo; ho maizina izany mba tsy hanaovanareo sikidy. Hilentika amin'ireo mpaminany ny masoandro, ary ho maizina amin'izy ireo ny andro.
\v 8 Fa raha ny amiko, dia feno hery noho ny Fanahin'i Yaveh aho, sady feno fahamarinana sy faherezana, mba hanambara amin'i Jakoba ny helony, sy amin'Israely ny fahotany.
\v 9 Mihainoa izao, ianareo mpitarika ny taranak'i Jakoba, sy mpanapaka ny taranak'Israely, ianareo izay mankahala fahamarinana, sy manodina ny zava-marina rehetra.
\v 12 Noho izany, noho ianao, dia hasaina toy ny saha i Ziona, ho korontam-bato i Jerosalema, ary ho tahaka ny havoana rakotr'ala ny havoan'ny tempoly.
\v 1 Fa amin'ny andro farany dia hiorina eo amin'ireo tendrombohitra hafa ny tendrombohitry ny tranon'i Yaveh. Hasandratra ambonin'ireo havoana izany, ary hitanjozotra hankany amin'izany ireo vahoaka.
\v 3 Hitsara amin'ireo vahoaka maro Izy ary hanapa-kevitra mahakasika ireo firenana maro lavitra. Hively ny sabatr'izy ireo ho angady izy ireo ary ny lefony ho fanetezana. Tsy hanangana sabatra hifamely ny firenena, na hizatra ho amin'ny ady intsony.
\v 4 Fa kosa, hametraka ny olona tsirairay ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny izy ireo. Tsy hisy olona hampitahotra azy ireo, fa ny vavan'i Yaveh Tompon'ny maro no efa niteny.
\v 5 Fa ny vahoaka rehetra dia mandeha, ny tsirairay, amin'ny anaran'ny andriamaniny. Fa isika dia handeha amin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitsika mandrakizay doria.
\v 8 Ary ianao, ry tilikambo fiambenana ny ondry aman'osy, havoan'ny zanakavavin'i Ziona— dia ho tonga aminao izany, haverina ny fanapahanao taloha, dia ny fanjakana izay an'ny zanakavavin'i Jerosalema.
\v 9 Ankehitriny, nahoana no mihiaka mafy ianao? Tsy misy mpanjaka ve eo aminao? Maty ve ny mpanolotsainao? Izany ve no mahatonga ny fanaintainana mahazo anao tahaka ny an'ny vehivavy eo am-piterahana?
\v 10 Aoka hanaintaina ary hihetsi-jaza raha hiteraka, ry zanakavavin'i Ziona, tahaka ny vehivavy miteraka. Fa ankehitriny ianao dia hivoaka ny tanàna, hitoetra any an-tsaha, ary handeha any Babylona. Any no hanavotana anao. Any no hanavotan'i Yaveh anao eo an-tanan'ireo fahavalonao.
\v 12 Hoy ny mpaminany: ‘“Tsy fantatr'izy ireo ny eritreritr'i Yaveh, sady tsy takany ny fikasany, fa efa namory azy ireo tahaka ny amboara ho eo am-pamoloana Izy.”
\v 1 Ankehitriny miaraha tonga ao amin'ny filaharan'ady, ry zanakavavin'ireo miaramila; efa nametraka tovon-tany manodidina ny tanàna ireo miaramila, amin'ny tsora-kazo no hamelezany ny mpitsaran'ny Israely eo amin'ny takolany.
\v 2 Nefa ianao, ry Betlehema Efrata, na dia kely indrindra eo amin'ireo fokon'i Joda aza ianao, dia ao aminao no ivoahan'ny olona hankeo Amiko mba hanapaka ny Israely, izay hatramin'ireo fotoana fahiny ny fiandohany, ka haharitra mandrakizay.
\v 7 Ny sisa tavela amin'i Jakoba dia ho eo afovoan'ireo vahoaka maro, tahaka ny ando avy amin'i Yaveh, tahaka ny ranon'orana eo amin'ny ahi-maitso, izay tsy miandry olona, ary tsy miandry ny zanak'olombelona izy ireo.
\v 8 Ny sisa tavela amin'i Jakoba dia ho eo amin'ireo firenena, eo amin'ireo vahoaka maro, tahaka ny liona eo amin'ireo biby any an'ala, tahaka ny liona tanora eo amin'ireo andian'ondry. Rehefa mamakivaky eo amin'ireo izy, dia hanosihosy ireo sy hamotipotika ireo, ary tsy hisy olona hamonjy azy ireo.
\v 2 Mihainoa ny adin'i Yaveh, ianareo tendrombohitra, sy ianareo fanambany maharitry tany. Fa manana ady amin'ny vahoakany Yaveh, ary hiady hanohitra ny Israely eo amin'ny fitsarana Izy.”
\v 5 Ry oloko, tsarovy izay noheverin'i Balaka mpanjakan'i Moaba, sy ny fomba namalian'i Balama zanak'i Beora azy raha nandeha nankany Sitima ka hatrany Gilgala ianareo, mba hahafahanareo mahafantatra ny asa-marin'i Yaveh.”
\v 6 Inona no tokony ho entiko ho an'i Yaveh, raha miankohoka eo amin'Andriamanitra Avo aho? Tokony ho tonga eo Aminy miaraka amin'ny fanatitra dorana, amin'ny zanak'omby herintaona ve aho?
\v 7 Moa ve Yaveh hankasitraka ondrilahy an'arivony, na onin-diloilo an'aliny? Tokony hanolotra ny lahimatoako noho ny heloko ve aho, ilay naterako noho ny fahotako ihany?
\v 9 Manao fanambarana amin'ny tanàna ny feon'i Yaveh— na ny fahendrena aza ankehitriny dia miaiky ny anaranao: “Henoy ny tsora-kazo, sy ny olona izay nametraka izany tamin'ny fitoerany.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: “Henoy ny tsora-kazo sy ny olona izay nametraka izany tao amin'ny fitoerany" no ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, ireo dikan-teny sasany vaovao manao hoe: “Mihainoa, ry foko, sy izay miara-miangona ao an-tanàna.” \f*
\v 14 Hihinana ianao fa tsy ho afa-po; hitoetra ao anatinao ny hanoananao. Hanangona harena ianao fa tsy hahangona, ary izay voahangonao dia homeko ny sabatra.
\f + \ft Fanamarihana: Sarotra takarina ny ampahany amin'ity andininy ity, satria misy teny Hebreo roa ao amin'izany izay tsy fantatra ny dikany. Vokatr'izany, ireo vakiteny maro samihafa dia nanolotra fa manaraka ny dikan-teny sasany vaovao. \f*
\v 1 Lozako! Fa ho ahy izany dia tahaka ny hoe tapitra ny fiotazana ny voankazo, sady ihany koa fanangonana ny ambim-boaloboka ao amin'ny tanimboaloboka: Tsy misy sampahom-boaloboka hita intsony, tsy nisy tamin'ireo aviavy nialin-taona izay niriako fatratra.
\v 3 Mailaka amin'ny fanaovan-dratsy ny tanan'izy ireo: mitaky vola ireo mpanapaka, vonona amin'ny kolikoky ny mpitsara, ary milaza amin'ireo hafa izay tiany ho azo ny lehilahy matanjaka. Dia toy izany no iarahany miteti-dratsy.
\v 4 Ny tsara indrindra amin'izy ireo dia tahaka ny roy, ny mahitsy indrindra dia fefy tsilo. Izany dia andro efa voalazan'ireo mpitilinao mialoha, dia ny andro famaizana anareo. Izao no fotoan'ny fahaverezan-kevitr'izy ireo.
\v 6 Fa haniratsira ny rainy ny zanaka lahy, hitsangana hanohitra an-dreniny ny zanaka vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-baviny. Ny olona ao an-tranony ihany no fahavalon'ny olona.
\v 9 Satria nanota tamin'i Yaveh aho, dia hizaka ny hatezerany mandra-pandahany ny teniko, sy hanatanterahany fitsarana ho ahy. Hitondra ahy ho eo amin'ny fahazavana Izy, ary hahita Azy manavotra ahy ao amin'ny fahamarinany aho.
\v 10 Dia hahita izany ireo fahavaloko, ka ny henatra no hanarona izay niteny tamiko hoe: “Aiza Yaveh Andriamanitrao?” Hijery azy ny masoko; ho voahosihosy tahaka ny fotaka eny an-dalana izy.
\v 12 Amin'izany andro izany dia ho tonga aminao ny vahoakanao, avy any Asyria sy ireo tanàna any Egypta, avy any Egypta ka hatrany amin'ny renirano lehibe, Eofrata, avy amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina, ary avy amin'ny tendrombohitra ka hatrany amin'ny tendrombohitra.
\v 14 Ambeno amin'ny tsora-kazonao ny vahoakanao, dia ny ondry aman'osin'ny lovanao. Mitoetra irery any an'ala izy ireo, eo afovoan'ny tanimboly. Aoka izy ireo hiraoka any Basana sy Gileada tahaka ny tamin'ny andro fahiny.