\v 2 Ka hoy ireo mpanompony taminy: “Aoka isika hitady tovovavy virijiny ho an'ny mpanjaka tompontsika. Aoka izy hanompo ny mpanjaka sy hikarakara azy. Aoka izy handry eo an-tsandriny mba hanafana ny mpanjaka tompontsika.”
\v 5 Tamin'izany fotoana izany, i Adonia zanaka lahin'i Hagita dia nanandratra ny tenany, nanao hoe: “Izaho no ho mpanjaka.” Ka nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niaraka tamin'ny dimampolo lahy mba handeha hialoha lalana azy izy.
\v 6 Ny rainy dia tsy mbola nanakorotan-tsaina azy, nanao hoe: “Nahoana ianao no nanao izao na izao?” I Adonia dia lehilahy tena tsara tarehy, teraka nanarakaraka an'i Absaloma.
\v 7 Nifampiresaka tamin'i Joaba zanak'i Zeroia sy tamin'i Abiatara mpisorona izy. Nanaraka an'i Adonia izy ireo ka nanampy azy.
\v 8 Fa Zadoka mpisorona, sy Benaia zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany, Simey, Rey, ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa dia tsy mba nanaraka an'i Adonia.
\v 20 Fa raha ny aminao, ry mpanjaka tompoko, ny mason'ny Israely rehetra dia eo aminao, miandry anao mba hilaza amin'izy ireo hoe iza no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana handimby anao, ry tompoko.
\v 21 Fa raha tsy izany, dia heverina ho tahaka ny mpanao meloka izaho sy Solomona zanako, rehefa hodimandry miaraka amin'ireo razany ny mpanjaka tompoko.”
\v 24 Hoy i Natana: “Ry mpanjaka tompoko, nilaza ve ianao hoe: ‘I Adonia no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy?’
\v 25 Satria nandeha nidina izy androany ary nanao sorona omby, sy zanak'omby mifahy, ary ondry aman'osy maro dia maro, sy nanasa ny zanaky ny mpanjaka rehetra, ireo kapitenin'ny tafika, ary Abiatara mpisorona. Mihinana sy misotro eo anoloany izy ireo, ka miteny hoe: “Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka!”
\v 28 Dia namaly i Davida mpanjaka ka nanao hoe: “Antsoy hiverina eto amiko i Batseba.” Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ary nitsangana teo anoloan'ny mpanjaka.
\v 32 Hoy i Davida mpanjaka hoe: “Antsoy hankaty amiko i Zadoka mpisorona, sy Natana mpaminany, ary Benaia zanak'i Joiada.” Ka nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
\v 33 Dia hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: “Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny apondrako i Solomona zanako lahy ka ento midina any Gihona izy.
\v 34 Aoka i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy ho mpanjaka eo amin'ny Israely ary hitsoka ny trompetra ka anao hoe: “Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!”
\v 35 Dia hiakatra hanaraka azy ianareo, ka hiditra sy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy; satria ho mpanjaka eo amin'ny toerako izy. Izaho efa nanendry azy ho mpitondra eo amin'ny Israely sy Joda.”
\v 36 Dia namaly ny mpanjaka i Benaia zanak'i Joiada, ka nanao hoe: “Ho tanteraka anie izany! Ho hamafisin'Yaveh, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko, anie izany.
\v 37 Tahaka ny nombàn'i Yaveh mpanjaka tompoko anie, no hanombàny an'i Solomona koa, ary hataony lehibe noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko ny seza fiandrianany.”
\v 39 Naka ny tandroka misy menaka avy tao amin'ny lay i Zadoka mpisorona ary nanosotra an'i Solomona. Dia notsofin'izy ireo ny trompetra, ary hoy ny olona rehetra hoe: “Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!”
\v 40 Avy eo dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitsoka sodina ny vahoaka ary niravoravo tamin'ny fifaliana lehibe, ka nihozongozona nohon'ny feon'izy ireo ny tany.
\v 44 ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, sy Benaia zanak'i Joiada, ary ireo Keretita sy ireo Peletita. Efa nampitaingenan'izy ireo ny ampondran'ny mpanjaka i Solomona.
\v 45 Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany dia efa nanosotra azy ho mpanjaka tany Gihona, ary niakatra tamim-pifaliana avy tany, hany ka anaty tabataba ny tanàna. Izany no tabataba renao.
\v 46 Ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana ihany koa i Solomona.
\v 47 Fanampin'izany, dia tonga nitsodrano an'i Davida mpanjaka tompontsika ny mpanompon'ny mpanjaka, nanao hoe: “Hataon'Andriamanitrao tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony lehibe noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany.’ Dia niankohoka teo am-pandriana ny mpanjaka.
\v 48 Dia hoy koa ny mpanjaka hoe: “Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, izay nanome olona iray hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako amin'izao andro izao, ka afaka mahita izany ny masoko.”’
\v 52 Dia hoy i Solomona: “Raha haneho ny tenany ho lehilahy mendrika izy, na dia singam-bolony iray aza tsy ho latsaka amin'ny tany, fa raha faharatsiana kosa no hita ao aminy, dia ho faty izy.”
\v 53 Ka dia naniraka olona i Solomona mpanjaka, izay nitondra an'i Adonia nidina avy teo amin'ny alitara. Dia avy izy ka nandohalika teo amin'i Solomona Mpanjaka, ary hoy i Solomona taminy: “Mandehana any an-tranonao.”
\v 15 Hoy Adonia hoe: “Fantatrao fa ahy ny fanjakana, ary ny Israely rehetra dia efa nanantena ahy ho mpanjaka. Saingy niova ny zavatra rehetra, ary natolotra ho an'ny rahalahiko ny fanjakana, fa efa azy avy amin'i Yaveh izany.
\v 19 Noho izany dia nandeha tany amin'i Solomona mpanjaka i Batseba mba hiresaka aminy ho an'i Adonia. Dia nitsangana ny mpanjaka hihaona taminy ary niondrika teo aminy. Avy eo dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany izy ary nanana seza fiandrianana nentina ho an'ny renin'ny mpanjaka. Dia nipetraka avy eo an-kavanany izy.
\v 23 Avy eo dia nianiana tamin'i Yaveh i Solomona mpanjaka, nanao hoe: “Enga anie Andriamanitra hanao izany amiko, ary bebe kokoa, raha tsy nanohitra ny ainy tamin'izany teny izany i Adonia.
\v 24 Ka noho izany raha mbola velona koa i Yaveh, izay nametraka ahy sy nanao ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko, ary efa nanamboatra trano ho ahy araka ny nampanantenainy tamiko, dia azo antoka fa hovonoina i Adonia anio.”
\v 27 Ka noroasin'i Solomona tsy ho mpisoron'i Yaveh i Abiatara, ka mety hanatanteraka ireo tenin'i Yaveh izy, araka izay efa noresahiny momba ny ankohonan'i Ely tao Silo.
\v 30 Ary tonga tany amin'ny trano lain'i Yaveh i Benaia ary nilaza taminy hoe: “Hoy ny mpanjaka hoe: ‘Mivoaha.”’ Namaly i Joaba hoe: “Tsia, ho faty eto aho.” Ka dia niverina tany amin'ny mpanjaka i Benaia, nanao hoe: “Nilaza i Joaba fa te-ho faty ao amin'ny alitara hono izy.”
\v 32 Enga anie i Yaveh hamerina ny ràny ho eo an-dohany, satria nanafika lehilahy roa feno fahamarinana sy tsara noho ny tenany izy ary namono azy ireo tamin'ny sabatra, dia i Abnera zanaka lahin'i Nera, filohan'ny tafik'Israely, sy Amasa zanaka lahin'i Jetera, filohan'ny tafik'i Joda, ary tsy nahafantatra izany i Davida raiko.
\v 36 Avy eo ny mpanjaka dia naniraka ary nampiantso an'i Simey, ary niteny taminy hoe: “Manorena trano iray any Jerosalema ianao ary mitoera any, ka aza mivoaka ao amin'izany mankany amin'ny toeran-kafa.
\v 37 Fa amin'ny andro izay hivoahanao, sy handalovanao eny amin'ny Lohasahan-driaka Kidrona, dia fantaro marina fa ho vonoina tokoa ianao. Ho eo amin'ny lohanao ny rànao.”
\v 39 Fa nony tapitra ny telo taona, dia nitsoaka tany amin'i Akisa zanak'i Maka mpanjakan'i Gata ireo mpanompo roa an'i Simey. Ka niresaka tamin'i Simey izy ireo, nanao hoe: “Indro, ireo mpanomponao dia any Gata.”
\v 44 Hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: “Fantatrao ao am-ponao ireo haratsiam-panahy rehetra izay nataonao tamin'i Davida raiko. Noho izany dia ho averin'i Yaveh eo ambony lohanao ny haratsiam-panahinao.
\v 45 Fa ho tahiana i Solomona mpanjaka ary ny seza fiandrianan'i Davida dia hapetraka eo anatrehan'i Yaveh mandrakizay.”
\v 46 Avy eo ny mpanjaka nanome baiko tamin'i Benaia zanaka lahin'i Joiada. Dia nivoaka izy ary namono an'i Simey. Ka dia napetraka tsara teo an-tanan'i Solomona ny fitondràna.
\v 7 Ankehitriny ry Yaveh Andriamanitro, efa nanao ny mpanomponao ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Davida raiko Ianao, na dia mbola zaza ihany aza aho. Ka tsy fantatro hoe ahoana no fomba hivoahana na hidirana.
\v 8 Ny mpanomponao dia eo afovoan'ireo olona izay nosafidianao, vahoaka lehibe, maro tsy tambo isaina na tsy voaisa.
\v 9 Koa omeo ny mpanomponao ny fahazavam-po hitsara ny olonao, mba hahafahako manavaka ny tsara sy ny ratsy. Fa iza moa no mahay mitsara izao vahoakanao marobe izao?”
\v 11 Dia hoy Andriamanitra taminy hoe: “Satria efa nangataka izany zavatra izany ianao ary tsy nangataka ho an'ny tenanao mba ho lava andro hiainana na harena na ny ain'ireo fahavalonao, fa nangataka fahazavan-tsaina ho an'ny tenanao mba hamantarana ny rariny.
\v 12 Indro, ankehitriny hataoko izay rehetra nangatahanao tamiko rehefa nomenao Ahy ny fangatahanao. Omeko fo hendry sy mahalala ianao, mba tsy hisy ho tahaka anao teo alohanao, ary tsy hisy tahaka anao hitsangana ao aorianao.
\v 13 Efa nomeko anao ihany koa izay tsy nangatahinao, dia ny harena sy ny voninahitra, mba tsy hisy ho tahaka anao eo amin'ireo mpanjaka amin'ny andronao rehetra.
\v 19 Avy eo maty ny zanaka lahin'ity vehivavy ity nony alina, satria voatsindriny izy.
\v 20 Ka nitsangana izy ny sasak'alina ary naka ny zanako lahy avy eo anilako, raha mbola natory ny mpanomponao, ary nametraka azy teo an-tratrany, sy nametraka ny zanany lahy teo an-tratrako.
\v 21 Rehefa nifoha hampinono ny zanako aho ny maraina, dia efa maty izy. Fa rehefa nijery azy tsara aho ny maraina, dia tsy zanako, izay naterako izy.”
\v 28 Rehefa ren'Israely rehetra ny fitsaràna izay nataon'ny mpanjaka, dia natahotra ny mpanjaka izy ireo, satria hitan'izy ireo fa tao aminy ny fahendren'Andriamanitra ho entiny mitsara.
\v 7 Nanana manam-pahefana roa ambin'ny folo i Solomona manerana an'Israely rehetra, izay niantoka ny sakafo ho an'ny mpanjaka sy ny ankohonany. Ny lehilahy tsirairay avy dia niantoka ny tahirin-tsakafo mandritra ny iray volana ao anatin'ny taona.
\v 12 Bana zanak'i Ahiloda, tao Tanaka sy Megido, sy Beti-sana rehetra izay teo akaikin'i Zaretana ambanin'i Jezirela, avy eo Beti-sana ka hatrany Abela-mehola lavitry ny rivon'i Jokneama;
\v 13 Beni-gabera tao Ramota-gileada (Azy ny tananan'i Jaïra zanak'i Manase, izay tao Gileada, ary ny faritr'Argoba dia azy, izay tany Basana, tanàna lehibe enimpolo misy rindrina sy hidim-baravarana varahina);
\v 20 Joda sy Israely dia maro toy ny fasika amoron-dranomasina. Nihinana sy nisotro izy ireo ary faly.
\v 21 I Solomona dia nandidy ny fanjakana rehetra hatreo amin'ny Ony ka hatrany an-tanin'ny Filistina sy ny sisin-tanin'i Egypta. Nitondra fanomezam-boninahitra sy nanompo an'i Solomona izy ireo nandritra ny androm-piainany rehetra.
\v 22 Ny tahirin-tsakafon'i Solomona anatin'ny iray andro dia koba tsara toto telopolo kora sy sakafo enimpolo kora,
\v 23 omby matavy folo, omby tsy nihinam-bilona roampolo, ary ondry zato, afa-tsy ny serfa, gazela, kapreola, ary vorona noatavezina.
\v 24 Satria nanam-pahefana tamin'ny faritra rehetra manila ny ony iny izy, avy eo Tifsa ka hatrany Gaza, mihoatra ireo mpanjaka rehetra izay nanila ny Ony, dia nanana fiadanana tamin'ny nanodidina azy rehetra izy.
\v 25 Niaina am-pitoniana i Joda sy Israely, ny olona rehetra dia teo ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny, avy eo Dana hatrany Beri-sheba, tamin'ny andron'i Solomona rehetra.
\v 27 Ireo manam-boninahitra ireo dia niantoka sakafo ho an'i Solomona mpanjaka sy ho an'ireo rehetra izay avy teo amin'ny latabatr'i Solomona, ny olon-drehetra tamin'ny volany avy. Ka tsy navelan'izy ireo ho tsy ampy ny zavatra rehetra.
\v 28 Nitondra vary hordea sy mololo ho an'ireo soavaly mpitarika kalesy sy soavaly fitaingina izy ireo, samy mitondra izay zakany avy ny tsirairay.
\v 1 Hirama mpanjakan'i Tyro dia nandefa ireo mpanompony ho any amin'i Solomona satria reny fa voahosotr'izy ireo handimby an-drainy izy; satria Hirama dia efa tia an'i Davida foana hatrizay.
\v 2 Nampitondra teny ho any amin'i Hirama i Solomona, nilaza hoe:
\v 3 “Fantatrao fa i Davida raiko dia tsy afaka nanamboatra trano ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamaniny noho ireo ady izay nanodidina azy, fa nandritra ny androm-piainany i Yaveh dia nametraka ireo fahavalony teo ambany faladian-tongony.
\v 6 Ary ankehitriny mandidia mba hanapahan'izy ireo hazo Sedera avy any Libanona ho ahy. Hiaraka amin'ireo mpanomponao ireo mpanompoko, ary izaho no handoa ny karaman'ireo mpanomponao mba ho voakarama ara-drariny ianao ny amin'ny zavatra rehetra izay nekenao atao. Satria fantatrao fa tsy misy eo aminay mahay ny fomba anapahana hazo toy ireo Sidoniana.”
\v 7 Raha nandre ny tenin'i Solomona i Hirama, dia niravoravo indrindra izy ka niteny hoe: “Hoderaina anie Yaveh anio, izay nanome an'i Davida zanaka lahy hendry ho eo amin'ity vahoaka lehibe ity.”
\v 8 Nampitondra teny ho an'i Solomona i Hirama, nilaza hoe: “Efa henoko ny hafatra izay nalefanao ho ahy. Hamatsy ny hazo Sedera sy kypreso rehetra izay irianao aho.
\v 9 Ho entin'ireo mpanompoko midina avy any Libanona manakany amin'ny ranomasina ireo hazo, ary ho feheziko anaty vatan-kazo ireo ka hitsikafona amin'ny ranomasina mankany amin'ny toerana izay tondronao handefasako azy. Any no hampanapahako azy ireo, ary dia ho alainao ireo. Ho ataonao izay iriko amin'ny fanomezana sakafo ny ankohonako.”
\v 17 Araka ny didin'ny mpanjaka dia nandrafitra vato lehibe tsara kalitao mba hapetraka amin'ny fanorenana ny Tempoly izy ireo.
\v 18 Ary ireo mpanorin-tranon'i Solomona sy ireo mpanorin-tranon'i Hirama ary ireo Gebalita no nanao ny fikapana sy ny fikarakarana ny hazo sy ireo vato hanamboarana ny tempoly.
\v 2 Ny tempoly izay namboarin'i Solomona Mpanjaka ho an'i Yaveh dia enimpolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny hahavony.
\v 3 Ny lavarangana eo anoloan'ny efitrano lehiben'ny tempoly dia roapolo hakiho ny halavany, mitovy amin'ny sakan'ny tempoly, ary folo hakiho halaliny eo anoloan'ny tempoly.
\v 4 Ireo varavaran-kelin'ny trano dia nataony tery rafitra noho ny anatiny ny ivelany.
\v 5 Nanamboarany efitra ny manodidina ireo rindrin'ny efitrano lehibe, manodidina ny ivelany sy ny anatin'ny efitra. Nasiany efitra ny manodidina ireo sisiny rehetra.
\v 6 Ny ambany indrindra dia dimy hakiho ny sakany, ny afovoany dia enina hakiho ny sakany, ary ny farany dia fito hakiho ny sakany. Fa ny ivelany dia nahenany ny rindrina manodidina ny trano rehetra mba tsy hisaraka amin'ireo andry amin'ny rindrin'ny trano.
\v 8 Ny avy any atsimon'ny tempoly dia nisy fidirana tao amin'ny rihana ambany, nisy tohatra iray fiakarana mankany amin'ny rihana voalohany, ary avy eo afovoany no miakatra mankany amin'ny rihana faharoa.
\v 9 Koa namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany; norakofany andry sy hazo sedera fisaka ilay trano.
\v 10 Namboariny teo ampitan'ny efitranon'ny tempoly ireo efitra an-daniny, dimy hakiho isaky ny an-daniny; ka hazo sedera no nampifandray ny trano sy ny hazo sedera.
\v 14 Ka namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany.
\v 15 Avy eo dia namboariny tamin'ireo hazo sedera ny rindrina tao anatin'ny trano. Hatramin'ny tany ka hatramin'ny valin-drihana, dia norakofany hazo ny tao anatin'ireo, ary hazo kypreso no nanaromany ny ambany.
\v 16 Nataony roapolo hakiho hatreo an-damosin'ny trano misy hazo sedera hatrany ambany ka hatrany amin'ny valin-drihana. Nataony ho efitra anatiny izany efitra izany, ilay toerana masina indrindra.
\v 17 Ny efi-trano lehibe, izay toerana masina eo anoloan'ny toerana masina indrindra, dia efapolo hakiho ny halavany.
\v 18 Nisy sedera tao anatin'ny trano, voasokitra niendrika voatango sy voninkazo mivelatra. Sedera daholo ny ao anatiny. Tsy nisy rafi-bato tazana tao anatiny.
\v 23 Nanamboatra kerobima roa tamin'ny hazo oliva i Solomona, samy folo hakiho avy ny halavany, ho an'ny efitra anatiny.
\v 24 Ny elatry ny kerobima iray dia folo hakiho ny halavany, ary ny elany hafa dia dimy hakiho ihany koa. Ny halavirana eo amin'ny tendron'ny elatra iray hatrany amin'ny tendron'ny elatra hafa.
\v 25 Ny tendron'ny elatra anankiray ka hatramin'ny tendron'ny elatra anankiray dia manana elanelana folo hakiho. Ilay kerobima hafa dia manana elatra folo hakiho.
\v 26 Ny kerobima roa dia samy mitovy refy sy endrika. Ny hahavon'ny kerobima iray dia folo hakiho ary tahaka izany koa ilay kerobima hafa.
\v 27 Napetrak'i Solomona teo afovoan'ny trano ny kerobima. Navelatra ireo elatry ny kerobima mba hikasihan'ny elatra ny iray amin'ny rindrina iray ary elatr'ilay kerobima hafa hikasika ilay rindrina hafa. Nifampikasoka teo afovoan'ilay toerana masina indrindra ny elatr'izy ireo.
\v 28 Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny kerobima.
\v 37 Ny fanorenana ny tranon'i Yaveh dia napetraka tamin'ny taona faha efatra, tamin'ny volan'ny Ziva.
\v 38 Tamin'ny taona faha-iraika ambin'ny folo, tamin'ny volan'i Bola, izay volana fahavalo, dia vita tanteraka tamin'ny lafiny rehetra sy ny famaritana rehetra ny trano. Nandany fito taona i Solomona nanamboatra ny tempoly.
\v 4 Nisy andry dimy amby efapolo teo, dimy ambin'ny folo amin'ny andalana iray. Nisy andry teo amin'ireo andalana telo, ary ny varavarankely tsirairay dia nifanandrify tamin'ny varavarankely telo hafa.
\v 5 Ny varavarana sy ny varavarankely rehetra dia natao ho efa-joro niaraka tamin'ireo andry, ary ny varavarankely nifanandrify tamin'ny varavarankely telo hafa.
\v 7 Nanorina ny rindrin'ny seza fiandrianana izay hitsarana azy i Solomona, dia ny efitranon'ny fahamarinana. Norakofana tamin'ny sedera isaky ny rihana izany.
\v 8 Ny tranon'i Solomona izay nonenany, tao amin'ny kianja hafa misy ny tanin-dapa, dia novolavolaina mitovy. Nanorina trano toy izany ho an'ny zanaka vavin'i Farao ihany koa izy, izay nalainy ho vady.
\v 12 Nisy andalana vato voatapaka telo sy tapaka andry sedara iray ny kianja lehibe izay nanodidina ny lapa toy ny kianja ao anatin'ny tempolin'i Yaveh ary ny tempolin'ny lavarangana.
\v 13 Nampaka an'i Hirama i Solomona mpanjaka ary nitondra azy avy any Tyro.
\v 14 Hirama dia zanaky ny mpitondra tena iray tao amin'ny fokon'i Naftaly; olon'i Tyro ny rainy, izay mpanao asa-tanana amin'ny varahina. Feno fahendrena sy fahazavan-tsaina ary fahaizana mba hanao asa lehibe amin'ny varahina i Hirama. Nandeha nankany amin'i Solomona Mpanjaka izy mba hiasa amin'ny varahina ho an'ny mpanjaka.
\v 15 Namboatra ireo andry roa tamin'ny varahina i Hirama, valo ambin'ny folo hakiho ny hahavony ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina ny tsirairay.
\v 16 Nanao kapitaly roa tamin'ny varahina voakosoka izy mba hapetraka eo an-tampon'ireo andry. Dimy hakiho ny hahavon'ny kapitaly tsirairay.
\v 17 Makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo ampiasaina ho an'ireo kapitaly no nandravaka ny tendron'ireo andry fito isaky ny kapitaly.
\v 18 Ka nanao andalana ampongamben-danitra roa nanodidina ny tendron'ny andry tsirairay i Hirama mba handravahana ireo kapitalin'izy ireo.
\v 19 Ireo kapitaly teo an-tendron'ireo andrin'ny lavarangana dia noravahana tamin'ny lilia, efatra hakiho ny hahavony.
\v 20 Tao amin'ireo kapitaly tamin'ireo andry roa ireo koa dia nahitana, ampongamben-danitra roanjato mitandahatra manodidina ny tampon'izy rehetra.
\v 21 Nanangana ireo andry tao an-davarangan'ny tempoly izy. Ilay andry teo ankavanana dia nantsoina hoe Jakina, ary ilay andry teo ankavia dia nantsoina hoe Boaza.
\v 22 Teo an-tendron'ireo andry dia nisy ireo haingo toy ny lilia. Izany no fomba nandrafetana ireo andry.
\v 23 Nanao ny koveta tamin'ny vy i Hirama, folo hakiho isaky ny sisiny. Dimy hakiho ny hahavony, ary telopolo hakiho ny manodidina ny koveta.
\v 24 Nisy tanatanamanga tao ambanin'ny sisiny nanodidina ny koveta, folo isaky ny hakiho, ary natambatra ho iray niaraka tamin'ny koveta raha ny koveta mihitsy no natao.
\v 25 Teo amin'ireo omby roa ambin'ny folo ilay koveta, telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, ary telo nanatrika ny antsinanana. Napetraka teo amin'ny tampon'ireo ilay koveta, ary nifanila ny faritry ny vodin'izy rehetra.
\v 26 Natevina tahaka ny sakan'ny tanana ilay koveta, ary ny sisin'izany dia naorina toy ny sisin'ny kaopy, toy ny famoan'ny lilia. Omby rano roa arivo bata ilay koveta.
\v 27 Nanao tongotra varahina folo i Hirama. Efatra hakiho ny halavan'ny tongotra tsirairay ary efatra hakiho ny velarany, ary telo hakiho ny hahavony.
\v 28 Toy izany ny fanaovana ireo tongony.
\v 29 Nisy takelaka teo anelanelan'ireo zana-kazo ireo, ary nisy liona, omby sy kerobima teo amin'ireo takelaka sy teo amin'ireo zanan-kazo. Teo ambony sy tao ambanin'ireo liona sy ireo omby dia nisy fehiloha voatefy tsara.
\v 30 Nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia ny tsanganany rehetra, ary nisy tohana tao ambanin'ny sisiny efatr'ilay koveta. Nasiana fehiloha ny sisin'ny tsirairain'ireo fanohanana.
\v 31 Boribory toy ny faladia ny fisokafana, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary tao anatin'ny satro-boninahitra izay iray hakiho ny halavany. Voasoratra teo amin'ny fisokafany, ary ny takelak'ireo dia efa-joro, fa tsy boribory.
\v 32 Tao ambanin'ny takelaka ireo kodia efatra, ary ny tanan-kodia sy ireo fitoerany dia tao amin'ny tsanganana. Ny hahavon'ny kodia iray dia iray hakiho sy sasany.
\v 33 Ary natao toy ny kodian'ny kalesy ireo kodia. Ireo fitoerany, ireo sisiny, ireo tanamasoandrony, sy ireo ivony dia natao vy avokoa.
\v 34 Nisy sorony efatra tamin'ireo sisiny efatry ny tsanganan'ny tsirairay, natao tao amin'ny tsanganana ihany.
\v 35 Teo an-tampon'ireo tsanganana dia nisy fehim-barika iray izay antsasaka hakiho ny halaliny, ary eo an-tampon'ilay tsanganana no namatorana ireo tohana sy ireo takelaka.
\v 36 Voasoratr'i Hirama kerobima, liona, sy hazo rofia ny velaran'ireo fanohanana sy ireo takelaka izay nandrakotra ireo toerana malalaka, ary voadidina fehiloha ireo.
\v 38 Nanao koveta varahina folo i Hirama. Ny koveta iray dia afaka mitahiry rano efapolo bata. Efatra hakiho ny sakan'ny koveta tsirairay avy ary nisy koveta iray isaky ny tsanganana folo.
\v 39 Nanao tsanganana dimy teo amin'ny lafiny atsimon'ny tempoly izy ary dimy teo amin'ny lafiny avaratry ny tempoly. Nataony teo amin'ny sisiny antsinanana ny koveta, manatrika any atsimon'ny tempoly.
\v 40 Nanao ny koveta sy ny lapelina ary ny lovia famafazana i Hirama. Ka dia vitany ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona Mpanjaka tao an-tempolin'i Yaveh:
\v 48 Nanao ny fanaka rehetra izay tao an-tempolin'i Yaveh tamin'ny volamena i Solomona: dia ny alitara volamena sy latabatra izay nametrahana ny mofon'ny fanatrehana.
\v 6 Nampidirin'ireo mpisorona teo amin'ny fitoerany ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, tao amin'ny efitra anatin'ny trano, dia tao amin'ny toerana masina indrindra, ambany elatr'ireo Kerobima.
\v 7 Fa namelatra ny elany teo amin'ny fitoeran'ny fiara ireo kerobima, ary nanarona ny fiara sy ny bao izay nilanjana azy izany.
\v 8 Lava tokoa ireo bao hany ka hita avy eo amin'ny fitoerana masina teo anoloan'ny efitra anatiny ny tendrony, saingy tsy hita avy eny ivelany ireo. Ary mbola eo ireo mandrak'ankehitriny.
\v 18 Fa hoy i Yaveh tamin'i Davida raiko hoe: ‘Fa nataonao tao am-ponao ny hanorina trano ho an'ny anarako, dia tsara ny nanaovanao izany tao am-ponao.
\v 19 Na izany aza dia tsy hanorina ilay trano ianao; fa kosa, ny zanakao lahy, izay teraka avy amin'ny voanao, no hanorina ny trano ho an'ny anarako.’
\v 20 Notanterahin'i Yaveh ny teny izay nolazainy, fa nitsangana handimby ny toeran'i Davida raiko aho, ka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny nampanantenain'i Yaveh. Naoriko ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny trano.
\v 25 Ankehitriny ary, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tanteraho izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: ‘Tsy ho foana aminao ny hanana olona hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo imasoko, raha mitandrina ny handeha eo anatrehako ny taranakao, tahaka ny nandehananao teo anatrehako.’
\v 27 Fa tena honina ety an-tany tokoa ve Andriamanitra? Indro, iza tontolo izao sy ny lanitra aza tsy omby Anao—mainka fa ity tempoly izay naoriko ity!
\v 28 Kanefa mba henoy re ity vavaky ny mpanomponao sy ny fangatahany ity, ry Yaveh Andriamanitro; mihainoa ny antso sy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio.
\v 29 Enga anie ka hisokatra amin'ity tempoly ity andro aman'alina ny masonao, eo amin'ny toerana izay nilazanao hoe: “Ho ao ny anarako sy ny fanatrehako.’—mba hihainoana ny vavaka hataon'ny mpanomponao izay manatrika ity toerana ity.
\v 30 Koa mihainoa ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izahay. Eny, mihainoa avy any amin'ny toerana honenanao, avy any an-danitra; ary rehefa mihaino Ianao, dia mba mamelà.
\v 31 Raha manota amin'ny namany ny olona iray ka tsy maintsy hampanaovina fianianana, ary raha tonga ka manao fianianana eo anatrehan'ny alitaranao ato amin'ity trano ity izy,
\v 32 dia mihainoa avy any an-danitra ka miasà; tsarao ireo mpanomponao, mba hanameloka ny meloka ary hampanody izay nataony ho eo amin'ny lohany ihany, ary hanambara ny marina mba ho tsy manan-tsiny, sy hamaly soa azy nohon'ny fahamarinany.
\v 35 Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao ny vahoaka—raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy ireo, manaiky ny anaranao, ary miala amin'ny fahotany rehefa avy nampahorianao—
\v 36 dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin'ny taninao, izany nomenao ho lovan'ny olonao.
\v 37 Raha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany, na atao hoe misy areti-mandringana, fahamainan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga; na atao hoe misy fahavalo manafika ny vavahadin'ny tanàna ao amin'ny tanin'izy ireo, na misy loza na aretina—
\v 38 ary raha atao indray hoe misy vavaka sy fangatahana nataon'ny olona iray na ny Israely vahoakanao manontolo— izay samy mahalala ny loza any am-pony avy raha mamelatra ny tanany ho amin'ity tempoly ity izy.
\v 39 Dia mihainoa any an-danitra, ilay toerana honenanao, mamelà ary miasà, ary valio soa ny olona rehetra noho izay ataony; Ianao mahalala ny fony, fa Ianao dia Ianao ihany no mahalala ny fon'ny olombelona rehetra.
\v 40 Ataovy izany mba hahatahoran'izy ireo Anao amin'ny andro rehetra hiainan'izy ireo eo amin'ny tany izay nomenao ny razanay.
\v 41 Fanampin'izany, mahakasika ireo vahiny izay tsy anisan'ny Israely vahoakanao: raha tonga avy any amin'ny firenen-davitra izy nohon'ny Anaranao—
\v 42 fa handre momba ny anaranao lehibe, ny tananao mahery, ary ny sandrinao misandratra izy ireo— rehefa tonga sy mivavaka manatrika ity tempoly ity izy ireo,
\v 43 dia mihainoa re any an-danitra, izay toerana honenanao, ary ataovy izay rehetra angatahin'ilay vahiny aminao. Ataovy izany mba hahafantaran'ny vondron'olona rehetra eto an-tany ny anaranao ka hahatahoran'izy ireo Anao, araka ny ataon'Israely olonao manokana. Ataovy izany mba hahafantaran'izy ireo fa ity trano izay naoriko ity dia antsoina amin'ny anaranao.
\v 46 Raha atao hoe manota aminao izy ireo, satria tsy misy olona tsy manota, ary raha atao hoe tezitra amin'izy ireo Ianao ka manolotra azy ireo ho eo amin'ny fahavalo, ka alain'ny fahavalo ho babo ho any amin'ny taniny izy ireo, na lavitra na akaiky.
\v 48 Ka miverina aminao amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo any amin'ny tanin'ireo fahavalony izay nambabo azy izy ireo, ary raha atao hoe mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razan'izy ireo, ary manandrify ny tanàna izay nofidinao izy ireo, ary manandrify ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao.
\v 49 Dia mihainoa ny vavak'izy ireo sy ny fangatahan'izy ireo famonjena, any an-danitra, izay toerana honenanao, ary hanamarina ny raharaha ho azy ireo Ianao.
\v 50 Mamelà ny olonao, izay nanota taminao, sy ny fahotany rehetra izay nandikany ny didinao. Mihantrà azy ireo manoloana ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, mba hiantran'ny fahavalon'izy ireo ny vahoakanao ihany koa.
\v 51 Vahoakanao izay nofidianao izy ireo, izay navotanao avy tany Egypta toy ny avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by.
\v 52 Mivavaka aho mba hisokatra amin'ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny fangatahan'ny Israely olonao ny masonao, mba hihaino azy ireo na oviana na oviana hiantsoany Anao.
\v 57 Homba antsika anie Yaveh Andriamanintsika, tahaka ny nombàny an'ireo razantsika.
\v 58 Tsy handao antsika anie Izy na hahafoy antsika, mba hampitongilaniny ho Aminy ny fontsika, mba hiaina amin'ny lalany rehetra sy hitandrina ireo didy aman-dalàny ary ireo fitsipiny, izay nandidiany an'ireo razantsika.
\v 59 Aoka ireo teny izay nambarako, izay nangatahiko teo anatrehan'i Yaveh, ho akaikin'i Yaveh Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ny mpanompony sy ny Israely olony, araka izay ilaina isan'andro;
\v 60 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa i Yaveh, no Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa!
\v 64 Ny andron'io ihany dia natokan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja teo anoloan'ny tempolin'i Yaveh, fa teo no nanolorany ny fanatitra dorana, ny fanatitra vary, ary ny tavin'ny fanati-pihavanana, satria kely loatra raha handraisana ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny tavin'ireo fanati-pihavanana ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh.
\v 3 Ary hoy Yaveh taminy hoe: “Efa reko ny vavakao sy ny fangatahanao izay nataonao teo anatrehako. Efa natokako ho Ahy, ity trano izay natsanganao ity, mba hametrahako ny anarako ho ao mandrakizay. Ny masoko sy ny foko dia ho eo foana amin'ny fotoana rehetra.
\v 5 dia hametraka ny sezan'ny fiandrianan'ny fanjakanao eo amin'ny Israely mandrakizay aho, tahaka ny nampanantenaiko tamin'i Davida rainao, hoe: ‘Ny taranakao dia tsy hiala eo amin'ny seza fiandrian'Israely mihitsy.’
\v 6 Fa raha mivily ianao, ianao na ireo zanakao, ka tsy mitandrina ireo didiko sy ireo lalàko izay napetrako eo anatrehanao, ary raha mandeha ka manompo andriamani-kafa ary miankohoka eo amin'izy ireo ianao,
\v 7 dia ho esoriko amin'ny tany izay nomeko azy ireo Israely; ary ity trano izay efa natokako ho an'ny anarako ity, dia ho esoriko tsy ho hitan'ny masoko, ary Israely dia ho tonga tahaka ny zavatra faneso sy hihomehezana eo amin'ireo vahoaka rehetra.
\v 8 Ho rava ho antontam-bato ity tempoly ity, ary izay rehetra mandalo eo amin'izany dia ho gaga ka hisiotsioka. Hanontany izy ireo hoe: ‘Nahoana i Yaveh no nanao izao tamin'ity tany sy trano ity?’
\v 9 Ny hafa hamaly hoe: ‘Satria nahafoy an'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, izay nitondra ny razam-ben'izy ireo nivoaka ny tany Egypta, ary nifikitra tamin'ireo andriamani-kafa ka niankohoka ary nanompo azy ireo. Izany no antony nitondran'i Yaveh izany loza rehetra izany tamin'izy ireo.’”
\v 15 Izao manaraka izao no anton'ny fitakiana amin'ny asa izay napetrak'i Solomona Mpanjaka: mba hananganana ny tempolin'Yaveh sy ny lapany, mba hananganana an'i Milo sy ny rindrin'i Jerosalema, ary ny mba hananganana ny manda fiarovan'i Hazora, Megido, ary Gazera.
\v 16 Niakatra ary naka an'i Gazera i Farao mpanjakan'i Egypta. Nodorany izany ary novonoiny ireo Kananita tao an-tanàna. Ary dia nomen'i Farao an'ny zanany vavy, vadin'i Solomona, ho fanomezana ho an'ny fampiakaram-bady ny tanàna.
\v 17 Ka dia naverin'i Solomona natsangana i Gazera sy Beti-horona Ambany,
\v 18 Baleta sy Tadmora any an'efitra any amin'ny tany Joda,
\v 19 sy ireo tanàna fitehirizana rehetra izay nananany, sy ireo tanànan'ireo kalesiny ary ireo tanànan'ny mpitaingin-tsoavaliny, ary izay rehetra niriany ho atsangana ho fahafinaretany tao Jerosalema, tao Libanona, ary tamin'ny tany rehetra eo ambanin'ny fifehezany.
\v 24 Nifindra avy tao amin'ny tananàn'i Davida mba ho any amin'ny trano izay natsangan'i Solomona ho azy ny zanaka vavin'i Farao. Taty aoriana, dia nanangana an'i Milo i Solomona.
\v 25 Manolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana in-telo isan-taona eo ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Yaveh i Solomona, mandoro ditin-kazo manitra miaraka amin'ireo eo ambony alitara izay eo anatrehan'i Yaveh. Ka vitany ny tempoly ary ampiasainy izany ankehitriny.
\v 1 Rehefa nandre ny lazan'i Solomona momba ny anaran'i Yaveh ny mpanjakavin'i Sheba, dia tonga hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra izy.
\v 2 Tonga tany Jerosalema niaraka tamina rodobe lava dia lava, nisy rameva nitondra zava-manitra, volamena be dia be, ary vato sarobidy maro izy. Nony tonga izy, dia nambarany tamin'i Solomona avokoa izay tao am-pony rehetra.
\v 3 Novalian'i Solomona ny fanontaniany rehetra. Tsy nisy tsy voavalin'ny mpanjaka ny fanontaniany.
\v 4 Rehefa nahita ny fahendren'i Solomona rehetra ny mpanjakavavin'i Sheba, ny lapa izay naoriny,
\v 5 ny sakafo teo an-databany, ny sezan'ny mpanompony, ny asan'ireo mpanompony sy ny fitafian'izy ireo, ary ny mpitondra ny kapoakany ihany koa, sy ny fomba nanolorany fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh, dia talanjona tokoa izy.
\v 7 Tsy nino aho raha tsy tonga tety, ary nahita maso izany aho ankehitriny. Tsy ampy antsasany amin'ny fahendrena sy harenanao no voatantara tamiko! Nihoatra izay reko ny lazanao.
\v 9 Hoderaina anie i Yaveh Andriamanitrao, izay mahita sitraka aminao, sy nametraka anao teo amin'ny seza fiandrianan'i Israely. Satria tian'i Yaveh mandrakizay Israely, nataony mpanjaka ianao, mba hanaovanao ny rariny sy ny fahamarinana!”
\v 12 Nataon'ny mpanjaka tsangam-bato ho an'ny tranon'i Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka, ary lokanga sy valiha ho an'ireo mpihira ny hazo almoga. Tsy nisy hazo almoga betsaka toy izany tonga na hita intsony mandraka androany.
\v 14 Ary ny volamena tonga tao amin'i Solomona tao anatin'ny herintaona dia talenta volamena milanja 666,
\v 15 afa-tsy ny volamena nentin'ireo mpanakalo sy mpivarotra. Ireo mpanjaka rehetra tany Arabia sy ireo governora tao amin'ny firenena ihany koa dia nitondra volamena sy volafotsy tany amin'i Solomona.
\v 16 Nanao ampinga lehibe roanjato vita tamin'ny volamena voatefy i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato no nanaovana ny iray tamin'izany.
\v 17 Nanao ampinga telonjato vita tamin'ny volamena voatefy ihany koa izy. Ka volamena telo mane no nanaovana ny iray tamin'ny ampinga; napetraky ny mpanjaka tao amin'ny lapan'ny Alan'i Libanona ireo.
\v 27 Nanana volafotsy tao Jerosalema ny mpanjaka, maro toy ny vato teo amin'ny tany izany. Nataony betsaka toy ny hazo aviavy teny amin'ny tany lemaka ny hazo sedera.
\v 28 Nanana soavaly izay novidiana tany Egypta sy Silisia i Solomona. Novidian'ny mpivarotry ny mpanjaka isan'andiany izy ireo, ary samy nanana ny vidiny avy ny andiany iray.
\v 29 Ny kalesy dia tany ivelan'i Egypta no novidiana ary sekely volafotsy eninjato ny iray, ary soavaly 150 sekely ny iray. Maro tamin'ireo no namidy tamin'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana rehetra.
\v 2 ireo firenena voakasik'izay nolazain'i Yaveh tamin'ireo vahoakan'i Israely hoe: “Tsy handeha eo amin'izy ireo ianao mba hanambady, na izy ireo ho eo aminao, satria izy ireo dia hampitodika ny fonao amin'ireo andriamanitr'izy ireo tokoa.” Kanefa i Solomona tia an'ireo vehivavy ireo.
\v 3 Nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato i Solomona. Nampitodika ny fony ireo vehivavy ireo.
\v 4 Fa rehefa niha-antitra i Solomona, dia nampitodika ny fony tamin'ireo andriamani-kafa ireo vadiny; fa tsy tena nanankim-po tanteraka tamin'i Yaveh Andriamaniny izy, tahaka ny fon'i Davida rainy.
\v 5 Fa i Solomona dia nanaraka an'i Astarta, ilay andriamani-bavin'ireo Sidoniana, ary nanaraka an'i Milkoma izy, ilay sampy vetavetan'ireo Amonita.
\v 11 Noho izany dia hoy i Yaveh tamin'i Solomona: “Satria nanao izany ianao ary tsy nitàna ny fanekem-pihavanana sy ireo lalàko izay nandidiako anao, dia ho alako aminao tokoa ny fanjakana ary homeko ny mpanomponao.
\v 14 Dia nanangana fahavalo iray ho an'i Solomona i Yaveh, dia i Hadada ilay Edomita. Avy amin'ny fianakavian'andrian'i Edoma izy.
\v 15 Rehefa tao Edoma i Davida, dia niakatra mba handevina ny maty i Joaba ilay lehiben'ny tafika, ny olon-drehetra izay voavono tao Edoma.
\v 16 Nitoetra tao nandritra ny enim-bolana i Joaba sy Israely rehetra mandra-pahavoavono ny lehilahy rehetra tao Edoma.
\v 17 Fa i Hadada dia nalain'ireo mpanompon'ny rainy tao Egypta niaraka tamin'ireo Edomita hafa, satria i Hadada dia mbola zazalahy kely.
\v 18 Niala tao Midiana izy ireo ary tonga tao Parana, izay nakan'izy ireo olona miaraka aminy ho any Egypta, ho any amin'i Farao mpanjakan'i Egypta, izay nanome trano sy tany ary sakafo ho azy.
\v 19 Nahita sitraka lehibe teo imason'i Farao i Hadada, ka nomen'i Farao vady izy, dia ny rahavavim-badiny, ilay rahavavin'i Tapanesa mpanjakavavy.
\v 21 Raha mbola tao Egypta izy, dia nandre i Hadada fa nodimandry any amin'ireo razany i Davida ary i Joaba ilay kapitenin'ny miaramila dia maty, hoy i Hadada tamin'i Farao: “Avelao aho handeha, mba ho afaka ho any amin'ny fireneko.”
\v 22 Dia hoy i Farao taminy: “Fa inona no tsy ampy anao eto amiko, no mitady ho any amin'ny firenenao ianao ankehitriny?” Dia namaly i Hadada hoe: “Tsy misy. Mba avelao handeha re aho.”
\v 23 Nanangam-pahavalo hafa ho an'i Solomona ihany koa Andriamanitra, dia i Rezona zanak'i Eliada, izay nandositra an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba tompony.
\v 24 Nanangona olona ho azy i Rezona ka lasa kapitenina tafika kely izy, rehefa nandresy ny olon'i Zoba i Davida. Ireo lehilahin'i Rezona dia nankany Damaskosy ary nipetraka tany, ka nofehezin'i Rezona i Damaskosy.
\v 27 Ny antony nananganany ny tanany tamin'ny mpanjaka dia satria nanorina toerana tao Milo sy nanampina ny lavaka tamin'ny rindrin'ny tanànan'i Davida rainy i Solomona.
\v 28 Jeroboama dia lehilahy iray mahery. Hitan'i Solomona fa zatovolahy miasa izy, ka nomeny alalana nibaiko ireo asa rehetra tao amin'ny tranon'i Josefa.
\v 34 Kanefa, tsy haka ny fanjakana iray manontolo amin'ny tanan'i Solomona Aho. Fa kosa, nanao azy ho mpanapaka amin'ny andro rehetra hiainany, nohon'ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, ilay iray izay nitandrina ireo didiko sy ireo lalàko.
\v 35 Fa haka ny fanjakana eo an-tanan'ny zanany Aho ka hanome izany anao, dia ireo foko folo.
\v 36 Hanome foko iray ho an'ny zanak'i Solomona Aho, mba hanana fanilo mandrakariva eo anatrehako ao Jerosalema i Davida mpanompoko, tanàna izay nofidiko mba hasiana ny Anarako.
\v 37 Haka anao Aho, ka hanapaka ianao mba hanatanteraka izay rehetra irinao, dia ho mpanjaka eo amin'i Israely ianao.
\v 38 Raha mihaino izay handidiko anao rehetra ianao, ary raha mandeha amin'ireo lalako sy manao izay marina eo imasoko, mba hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ary hanangana trano azo antoka ho anao, tahaka ny nananganako ho an'i Davida, ary hanome anao an'i Israely Aho.
\v 40 Ka nikasa ny hamono an'i Jeroboama i Solomona. Fa i Jeroboama niakatra ary nandositra tany Egypta, tany amin'i Sisaka mpanjakan'i Egypta, dia nijanona tao Egypta izy mandra-pahafatin'i Solomona.
\v 41 Raha ny amin'ny raharaha hafa mikasika an'i Solomona, izay rehetra nataony sy ny fahendreny, moa ve tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ireo tantara momba an'i Solomona ireo?
\v 42 Nanjaka tao Jerosalema tamin'ireo Israely rehetra i Solomona nandritra ny efapolo taona.
\v 43 Nodimandry tany amin'ireo razambeny izy ary nalevina tao amin'ny tanàn'i Davida rainy. Dia lasa mpanjaka taoriany i Rehoboama zanany lahy.
\v 10 Ireo zatovolahy izay niara-lehibe tamin'i Rehoboama niteny taminy ary nanao hoe: “Miresaha amin'ireo vahoaka izay niteny taminao fa i Solomona rainao dia nanao ny ziogan'izy ireo ho mavesatra kanefa ianao tsy maintsy hanamaivana izany. Tokony hilaza amin' izy ireo ianao hoe: ‘Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko.
\v 11 Koa ankehitriny, na dia nampitondra zioga mavesatra anareo aza ny raiko, dia mbola hanampy ny zioganareo aho. Ny raiko nanafay anareo tamin'ny karavasy fa izaho kosa hanafay anareo amin'ny maingoka.’”
\v 12 Ka tonga tany amin'i Rehoboama tamin'ny andro fahatelo i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra, araka ny nandidian'ny mpanjaka rehefa niteny izy hoe: “Miverena eto amiko amin'ny andro fahatelo.”
\v 16 Rehefa hitan'ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia namaly azy ny vahoaka ary nanao hoe: “Inona no mba anjaranay ao amin'i Davida? Tsy manana lova ao amin'ny zanaka lahin'i Jese izahay! Mankanesa any an-dainareo, ry Israely. Ankehitriny jereo ny ankohonanao, ry Davida.” Dia niverina tany an-dainy ny Israely.
\v 20 Rehefa rèn'ny Israely rehetra fa efa niverina i Jeroboama dia nampaniraka nampiantso azy ho ao amin'ny fivorian'izy ireo, ary nanao azy ho mpanjakan'ny Israely rehetra. Tsy nisy olona na iray aza nanaraka ny fianakavian'i Davida, afa-tsy ny fokon'i Joda irery ihany.
\v 23 “Ilazao i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda, ny taranak'i Joda sy i Benjamina rehetra, ary ireo olona ambiny rehetra; lazao hoe:
\v 24 ‘Izao no tenin'i Yaveh: Aza manafika na miady amin'ny rahalahinao vahoakan'i Israely ianao. Ny lehilahy tsirairay dia tsy maintsy miverina any amin'ny tranony, satria avy Amiko izao zavatra izao.’” Dia nihaino ny tenin'i Yaveh izy ireo, ary niverina sy nandray ny lalany, ary nankatò ny teniny izy ireo.
\v 28 Ary Rehoboama mpanjaka nitady hevitra ary nanamboatra zanak'omby volamena roa; dia hoy izy tamin'ny vahoaka: “Sarotra ho anareo ny hiakatra ho any Jerosalema. Indro, ireto ny andriamanitrareo, ry Israely, izay nitondra anareo niakatra niala ny tany Egypta.”
\v 3 Avy eo ilay lehilahin'Andriamanitra nanome famantarana ny androtr'iny ihany, nanao hoe: “Izao no famantarana nolazain'i Yaveh: ‘Indro, hiparitaka ny alitara, ary hiraraka ny lavenona eo aminy.’”
\v 22 fa niverina sy nihinan-kanina sy nisotro rano tao amin'ilay toerana izay nolazain'i Yaveh anao mba tsy hihinanana hanina na hisotroana rano, dia tsy halevina any amin'ny fasan'ireo razambenao ny vatanao.’”
\v 31 Rehefa avy nandevina azy izy ireo, dia niresaka tamin'ireo zanany lahy ilay mpaminany antitra, nanao hoe: “Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin'ny fasana izay nandevenana an'ilay lehilahin'Andriamanitra. Ampandrio eo akaikin'ny taolany ny taolako.
\v 32 Satria ny hafatra izay nambarany nohon'ny tenin'i Yaveh, tamin'ny alitara tao Betela sy tamin'ireo trano rehetra any amin'ny toerana avo any amin'ireo tanànan'i Samaria, dia hitranga tokoa.”
\v 33 Taorian'io dia tsy niala tamin'ny fomba ratsiny i Jeroboama, fa mbola nanohy nanondro mpisorona avy amin'ny karazan'olona ho amin'ny toerana ambony ihany. Izay te-hanompo dia natokany ho mpisorona.
\v 34 Lasa fahotana tamin'ny fianakavian'i Jeroboama sy nahatonga ny fianakaviany ho potika sy ringana teto ambonin'ny tany izany.
\v 2 Hoy i Jeroboama tamin'ny vadiny hoe: “Mitsangàna re ary manovà endrika, mba tsy ho fantatry ny olona fa vadiko ianao, ary mandehana any Silo, fa any no misy an'i Ahia mpaminany; izy ilay niresaka ny momba ahy, nilaza fa ho lasa mpanjakan'ireo olona ireo aho.
\v 5 Hoy i Yaveh tamin'i Ahia hoe: “Indro, ho avy eto aminao ny vadin'i Jeroboama mba hitady toro-hevitra mahakasika ny zanany lahy, satria marary izy. Izao sy izao lazaina azy, satria rehefa tonga izy, dia mody hanao toy ny vehivavy hafa izy.”
\v 6 Rehefa ren'i Ahia ny feon'ny tongony raha izy niditra ny varavarana iny, dia hoy izy hoe: “Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama. Nahoana ianao no mody manao olon-kafa? Nirahina hilaza vaovao ratsy ho anao aho.
\v 7 Mandehana, lazao Jeroboama fa i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia niteny hoe: ‘Nasandratro tamin'ireo olona ianao mba hahatonga anao ho mpitarika ny vahoakan'Israely.
\v 10 Noho izany, indro, hitondra loza amin'ny fianakavianao Aho; handringana ny zazalahy rehetra ao Israely Aho, na ny andevo na ny afaka, ary hanafoana tanteraka ny fianakavianao, tahaka ny olona mandoro zezika mandra-pahalevon'izany.
\v 11 Na iza na iza an'ny fianakavianao izay maty ao amin'ny tanàna dia ho hanin'ireo amboa, ary na iza na iza maty any an-tsaha dia ho hanin'ireo voron'ny lanitra satria Izaho, Yaveh no efa nilaza izany.’
\v 19 Ary ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama, ny nanakaramany ady sy nanjakany, dia indro, nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ireo.
\v 25 Ary tamin'ny fahadimy taona nanjakan'i Rehoboama mpanjaka no tonga nanafika an'i Jerosalema i Sisaka mpanjakan'i Egypta.
\v 26 Nalainy avokoa ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo harena tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalainy avokoa ny zavatra rehetra; nalainy ihany koa ireo ampinga volamena rehetra izay namboarin'i Solomona.
\v 27 Nanao ampinga varahina teo amin'ny toeran'izy ireo ihany koa i Rehoboama Mpanjaka ary nanankina ireo teo an-tanan'ireo mpifehy ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka.
\v 28 Isaky ny niditra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, dia nolanjain'ireo mpiambina ireo; ary nentin'izy ireo niverina tao amin'ny tranon'ny mpiambina.
\v 29 Ary ireo zavatra hafa mahakasika an'i Rehoboama, sy izay nataony rehetra, moa ve tsy efa voasoratra ao anatin'ny Bokin'ny tanataran'ny mpanjakan'i Joda ireo?
\v 30 Nisy ady mandrakariva teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama.
\v 31 Koa nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Rehoboama ary niaraka nalevina tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida. Ny anaran'ny reniny dia i Nama ilay Amonita. Abia zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\v 7 Ny amin'ny ireo raharaha hafa mahakasika an'i Abia, dia izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ireo? Nisy ady teo amin'i Abia sy Jeroboama.
\v 8 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Abia, ary dia nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Davida izy. Asa zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\v 14 Fa ireo fitoerana avo tsy mba nesorina. Na izany aza, ny fon'i Asa dia voatokana ho an'i Yaveh tanteraka nandritra ny androny rehetra.
\v 15 Nentiny ho any an-tranon'i Yaveh ny zavatra izay voatokan'ny rainy, sy ireo zavany izay voatokana vita tamin'ny volafotsy sy volamena, ary ireo fanaka.
\v 16 Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely, tamin'ny andron'izy ireo rehetra.
\v 17 Nanao herisetra tamin'i Joda i Basa mpanjakan'ny Israely ka nanangana an'i Rama, mba tsy hamelany ny olona hiala na hiditra ao amin'ny tanin'i Asa mpanjakan'i Joda.
\v 19 “Aoka hisy fifanekena amiko sy aminao, tahaka izay nisy teo amin'ny raiko sy ny rainao. Indro, efa nampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho. Ravao ny fanekenao sy Basa mpanjakan'Israely, mba hialany amiko.”
\v 20 Nihaino an'i Asa mpanjaka i Beni-hadada ka nandefa ireo mpifehy ny tafiny, ary dia nanafika ny tanànan'Israely izy ireo. Nanafika an'i Iona, Dana, Abelabeti-maka, ary ny Kinerota rehetra, niaraka tamin'ny tanin'i Naftaly rehetra izy ireo.
\v 21 Ary rehefa ren'i Basa izany dia natsahany ny fananganany an'i Rama ary niverina tany Tirza izy.
\v 22 Ary dia nanao fanambarana teo amin'i Joda rehetra i Asa Mpanjaka. Tsy nisy na iray afa-niala. Nalain'izy ireo avokoa ireo vato sy ny hazon'ny Rama izay nanorenan'i Basa ny tanàna. Ary dia nampiasain'i Asa Mpanjaka izany fitaovana fanamboarana izany mba hananganana an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa.
\v 23 Ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Asa, ny heriny rehetra, izay nataony rehetra, ireo tanàna naoriny rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ireo? Kanefa nandritra ny androm-pahanterany dia narary tamin'ny tongony izy.
\v 24 Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Asa ka dia nalevina niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida rainy. I Josafata zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy.
\v 31 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Nadaba, sy izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Israely ve ireo?
\v 32 Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely tamin'ny andron'izy ireo rehetra.
\v 5 Ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Basa, izay nataony, sy ny heriny, moa ve ireny tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo?
\v 6 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Basa ary nalevina tany Tirza, ary Elaha zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\v 7 Dia tonga nanohitra an'i Basa sy ny fianakaviany ny tenin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany zanak'i Hanany, nohon'ny ratsy rehetra izay nataony teo imason'i Yaveh, mba hampatezitra azy amin'ny asan'ny tanany, toy ny fianakavian'i Jeroboama, ary satria efa namono ny fianakavian'i Jeroboama rehetra ihany koa izy.
\v 11 Rehefa nanomboka nanjaka sy napetraka teo amin'ny seza fiandrianany i Zimry, dia namono ny fianakavian'i Basa rehetra izy. Tsy namela lehilahy iray tamin'ny havana sy naman'i Basa ho velona izy.
\v 12 Koa noringanin'i Zimry ny fianakavian'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Yaveh izay nolazainy hanohitra an'i Basa tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany,
\v 13 nohon'ny fahotan'i Basa rehetra sy ny fahotan'i Ela zanany izay nataon'izy ireo, sy ny nitarihan'izy ireo ny Israely hanota, mba ho nahafahan'izy ireo nihantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin'ny sampin'izy ireo.
\v 16 Ireo tafika nitoby tany dia nandre ilay teny hoe: “Nikonokonona i Zimry ary efa namono ny mpanjaka.” Koa tamin'izany andro izany tany an-toby, ny Israely rehetra dia nanambara an'i Omry, ho mpifehy ny tafika, ho mpanjaka eo amin'i Israely.
\v 18 Rehefa hitan'i Zimry fa efa azo ny tanàna, dia niditra tao amin'ny fiarovana mafy izay nikambana tamin'ny lapan'ny mpanjaka izy ary nandoro ny trano teo aminy; tamin'izany fomba izany no nahafatesany tao anaty afo.
\v 19 Izany dia nohon'ny fahotana vitany tamin'ny fanaovana izay ratsy teo imason'i Yaveh, tamin'ny fanarahana ny fomban'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay efa nataony, mba hitarika ny Israely hanota.
\v 20 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Zimry, sy ireo fivadihana izay nataony, moa ve ireo tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely?
\v 21 Avy eo dia nozaraina ho antoko roa ireo vahoakan'Israely. Nanaraka an'i Tibny zanak'i Ginata ny antsasaky ny vahoaka, mba hanao azy ho mpanjaka, ary ny antsasany nanaraka an'i Omry.
\v 22 Fa nahery noho ireo olona nanara-dia an'i Tibny zanak'i Ginata ireo olona nanaradia an'i Omri. Ka maty i Tibnia; ary lasa mpanjaka i Omri.
\v 27 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika izay nataon'i Omry, sy ny hery izay nasehony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve ireo?
\v 28 Koa dia nodimandry niaraka tamin'ireo razany i Omry ary nalevina tany Samaria ary Ahaba zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\v 34 Nandritra ny fitondran'i Ahaba, dia namerina nanorina an'i Jeriko i Hiela avy any Betela. Hiela dia nametraka ny fototry ny tanàna tamin'ny ain'i Abirama, zanany lahimatoany; ary Segoba, faralahiny; dia namoy ny ainy raha nanorenany ireo vavahadin'ny tanàna, araka ny tenin'i Yaveh izay nolazainy tamin'i Josoa zanak'i Nona.
\v 12 Dia namaly izy hoe: “Raha mbola velona koa Yaveh Andriamanitrao, dia tsy manana mofo aho, fa sakafo eran'ny tanana anaty siny sy menaka kely anaty tavoara ihany. Indro, manangona tapa-kazo roa aho mba hahafahako miditraao dia mahandro izany ho ahy sy ho an'ny zanako, mba hihinananay izany, ary ho faty.”
\v 13 Hoy Elia taminy: “Aza matahotra. Mandehàna ary ataovy araka izay efa nolazainao, nefa anaovy mofo kely aho aloha ary ento mivoaka eto amiko izany. Ary rehefa vita izany dia manaova ho anao sy ho an'ny zanakao.
\v 14 Fa Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, miteny hoe: ‘Tsy ho foana ny sinin-tsakafo, na hijanona hikoriana ny tavoaran'ny menaka, mandra-pahatonga ny andro handatsahan'i Yaveh ny orana eto an-tany.”
\v 18 Ka hoy ny reniny tamin'i Elia: “Inona no olanao amiko, ry lehilahin'Andriamanitra? Tonga eto amiko mba hampatsiahy ahy ny fahotako ary hamono ny zanako ve ianao?”
\v 20 Nihiaka tamin'i Yaveh izy ary niteny hoe: “Yaveh Andriamanitro o, moa ve nitondra loza teo amin'ilay mpitondratena izay hijanonako ihany koa Ianao, tamin'ny famonoana ny zanany?”
\v 21 Avy eo dia naninjitra ny tenany intelo teo amin'ilay zaza i Elia; nihiaka mafy tamin'i Yaveh izy ary niteny hoe: “Yaveh Andriamanitro o, mitalaho Aminao aho, avelao re hiverina ao aminy ny ain'ity zaza ity.”
\v 5 Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: “Mandehana mitety ny tany hatrany amin'ny loharano sy ireo lohasahan-driaka rehetra. Fa mety hahita ahi-maitso hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy ho very ny biby fiompy rehetra.”
\v 9 Dia namaly Obadia hoe: “Inona no fahotako, no atolotrao eo an-tanan'i Ahaba ny mpanomponao, mba hamonoany ahy?
\v 10 Raha mbola velona koa Yaveh Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nandefasan'ny tompoko olona hitady anao. Na oviana na oviana no misy firenena na fanjakana miteny hoe: ‘Tsy ato Elia, dia ampanaovin'i Ahaba fianianana hianiana fa tsy nahita anao izy ireo.
\v 11 Nefa ankehitriny hoy ianao: ‘Mandehana, teneno ny tomponao fa atsy Elia.’
\v 12 Vantany vao miala aminao aho, ny fanahin'i Yaveh hitondra anao any amin'ny toerana tsy fantatro. Ka raha handeha aho ary hiteny amin'i Ahaba, ary raha tsy hahita anao izy, dia hovonoiny aho. Kanefa izaho, mpanomponao, dia nanompo an'i Yaveh hatramin'ny fahatanorako.
\v 13 Moa tsy nolazaina taminao ve, ry tompoko, izay nataoko rehefa novonoin'i Jezebela ny mpaminanin'i Yaveh, ny fomba nanafenako ny mpaminanin'Yaveh zato ka dimampolo avy no tao anaty lava-bato sy ny namahanako mofo sy rano azy ireo?
\v 18 Dia namaly Elia hoe: “Tsy nitondra korontana ho an'Israely aho, fa ianao sy ny fianakavian'ny rainao no olona nampisy korontana tamin'ny alalan'ny fialanareo tamin'ny didin'i Yaveh sy ny fanarahanareo an'i Bala.
\v 19 Koa ankehitriny, mandefasa teny ary hangony eto amiko ny Israely rehetra ao an-tendrombohitr'i Karmela, miaraka amin'ireo mpaminanin'i Bala 450 sy ireo mpaminanin'i Aseraha efajato izay nihinana teo an-databatr'i Jezebela.”
\v 21 Ary Elia nanatona ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: “Mandra-pahoviana ianao no hiova hevitra hatrany? Raha i Yaveh no Andriamanitra, dia manaraha Azy. Fa raha i Bala no Andriamanitra, dia manaraha azy.” Fa ny olona tsy namaly teny azy.
\v 23 Koa aoka ireo no hanome omby roa ho antsika. Aoka izy ireo hisafidy omby iray ho an'izy ireo sy handrasarasa izany, ary hampandry izany eo amin'ny kitay, nefa tsy handrehitra afo eo ambanin'izany. Dia hikarakara ilay omby iray hafa aho ka hametraka izany eo amin'ny kitay, ary tsy hanisy afo eo ambanin'izany
\v 24 Dia hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho hiantso ny anaran'i Yaveh, ary ny Andriamanitra izay hamaly amin'ny afo, dia Aoka izy no ho Andriamanitra.” Koa namaly ny olona rehetra ary niteny hoe: “Mety izany.”
\v 25 Ary hoy i Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: “Mifidiana omby iray ho anareo, ary homano mialoha izany, fa olona betsaka ianareo. Dia antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asina afo eo ambanin'ny omby.”
\v 26 Dia naka ny omby izay nomena azy izy ireo ary nikarakara izany, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina mandra-pitatao-vovonana izy ireo, nanao hoe: “Ry Bala o, mihainoa anay.” Nefa tsy nisy feo, na nisy namaly akory. Nandihy nanodidina ny alitara namboariny izy ireo.
\v 27 Nony mitatao-vovonana dia naneso azy ireo i Elia nanao hoe: “Miantsoa mafy ihany! fa andriamanitra izy! angamba mbola mieritreritra izy, na manamaivana ny tenany, na nisy dia nalehany, na angamba matory izy ka tokony nofohazina.”
\v 30 Dia hoy i Elia tamin'ny olona rehetra: “Manatona eto amiko,” dia nanatona azy ny olona rehetra. Dia namboatra ny alitaran'i Yaveh izay rava tanteraka izy.
\v 31 Naka vato roa ambin'ny folo Elia, ny vato tsirairay avy dia maneho ny iray amin'ireo fokon'ireo zanaka lahin'i Jakoba_ilay Jakoba niavian'ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: “Israely no ho anaranao.”
\v 33 Nandahatra ny kitay ho an'ny afo izy, nandrasarasa ny omby, ary nametraka ireo omby voarasa teo amin'ny kitay. Hoy izy hoe: “Fenoy rano ny siny efatra ka araraho eo amin'ny fanatitra dorana sy eo amin'ny kitay.”
\v 36 Nitranga izany tamin'ny fotoan'ny fanatitra tamin'ny sorona amin'ny hariva, ary Elia mpaminany dia nanatona akaiky ka niteny hoe: “Ry Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama, sy Isaka, ary Israely, aoka ho fantatra eto anio fa Ianao no Andriamanitra eto amin'ny Israely, ary izaho dia mpanomponao, ary nanao izao zavatra rehetra izao araka ny teninao aho.
\v 37 Mihainoa ahy, ry Yaveh, mihainoa ahy, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Ianao, Yaveh, dia Andriamanitra, ary Ianao no nampitodika ny fon'izy ireo taminao indray.”
\v 38 Ary ny afon'Yaveh nilatsaka ka nandevona ny fanatitra dorana, ary koa ny kitay, ireo vato, ary ny vovoka, ary nandritra ny rano izay tao amin'ny hady kely.
\v 42 Koa niakatra mba hihinana sy hisotro i Ahaba. Dia niakatra teo an-tampon'i Karmela i Elia, niondrika teo amin'ny tany izy, ary nametraka ny tavany teo anelanelan'ny lohaliny.
\v 43 Ary hoy izy tamin'ny mpanompony: “Miakara ankehitriny, ka mitazàna eny amin'ny ranomasina.” Dia niakatra ny mpanompony ka nitazana ary nanao hoe: “Tsy misy na inona na inona.” Ka hoy indray i Elia: “Mandehana indray, impito.”
\v 44 Ary nony fanim-pitony dia hoy ny mpanompony: “Indro, misy rahona miakatra avy amin'ny ranomasina, kely tahaka ny tanan'olona.” Dia namaly i Elia hoe: “Miakara ka lazao amin'i Ahaba hoe: ‘Ataovy vonona ny kalesinao ka midina mialohan'ny hanakanan'ny orana anao’”
\v 45 Ary vetivety monja raha niha-maintin'ny rahona sy rivotra ny lanitra, dia nisy oram-be. Ary i Ahaba nitaingina kalesy ka niakatra nankany Jezirela,
\v 46 fa ny tanan'i Yaveh dia nomba an'i Ahaba. Nisikina ny akanjony teo amin'ny fehin-kibony izy ary nihazakazaka teo alohan'i Ahaba teo amin'ny fidirana mankao Jezirela.
\v 8 Ka nitsangana izy ary nihinana sy nisotro, ary nandeha tamin'ny hery azony tamin'izany sakafo izany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina ho any Horeba, ilay tendrombohitr'Andriamanitra.
\v 9 Nandeha tao amin'ny zohy iray tany izy ary nitoetra tao amin'izany. Dia tonga taminy ny tenin'i Yaveh ary nilaza taminy hoe: “Inona no ataonao ato, ry Elia?”
\v 10 Elia namaly hoe: “Be zotom-po ho an'i Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro aho, satria efa nahafoy ny fanekenao ny olon'Israely, nandrava ireo alitaranao, ary namono ireo mpaminaninao tamin'ny sabatra. Ankehitriny izaho, dia izaho irery, no sisa tavela ary mikasa ny hifofo ny aiko koa izy ireo.”
\v 11 Yaveh namaly hoe: “Mivoaha ka mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra eo anoloako.” Ary nandalo i Yaveh, ka nisy rivotra mahery namely ny tendrombohitra ary namaky ireo vatolampy ho potipotika teo anatrehan'i Yaveh, kanefa tsy tao anatin'ny rivotra i Yaveh. Ary taorian'ny rivotra, dia nisy horohoron-tany tonga, kanefa tsy tao anatin'ny horohoron-tany i Yaveh.
\v 20 Avy eo dia nandao ireo ombiny i Elisa ka nihazakazaka nanenjika an'i Elia; hoy izy: “Avelao re aho hanoroka ny raiko sy ny reniko, ary hanaraka anao aho avy eo.” Dia hoy i Elia taminy: “Miverena ary, kanefa saino izay efa nataoko taminao.”
\v 21 Ka niverina avy any amin'i Elia i Elisa ary naka ny ziogan'omby, namono ireo biby, ary nahandro ny hena tamin'ny hazo ziogan'omby. Dia nomeny ny olona izany ka nihinana izy ireo. Avy eo dia nitsangana izy, nanaraka an'i Elia ary nanompo azy.
\v 5 Tonga indray ireo iraka ka nanao hoe: “Izao no lazain' i Beni-hadada hoe: ‘Nandefa teny taminao aho fa ianao dia tsy maintsy hanolotra ny volafotsinao, ny volamenanao, ireo vadinao, ary ireo zanakao ho ahy.
\v 6 Nefa haniraka ireo mpanompoko any aminao aho rahampitso amin'ny ora toy izao, ary hitady ny tranonao sy ny tranon'ireo mpanomponao izy ireo. Hisambotra amin'ny tanany izy ireo ka haka izay rehetra mafinaritra ny mason'izy ireo.’”
\v 11 Namaly ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: “Lazao i Beni-hadada hoe: ‘Tsy misy olona mametraka ny fiadiany, ka tokony hirehareha ho amin'ny nanesorany izany.’”
\v 12 Dia nandre izany hafatra izany i Beni-hadada raha nisotro izy, dia izy sy ireo mpanjaka ambaniny izay tao anatin'ny lain'izy ireo. Beni-hadada nandidy ireo lehilahiny hoe: “Milahara ho amin'ny ady ianareo.” Dia nanomana ny tenan'izy ireo ho amin'ny ady izy ireo mba hamely ny tanàna.
\v 22 Dia nanatona ny mpanjakan'Israely ny mpaminany ka niteny taminy hoe: “Mandehana, atanjaho ny tenanao, ka takaro sy omano izay ataonao, satria amin'ny herintaona dia hiakatra hanohitra anao indray ny mpanjakan'i Syria.”
\v 28 Dia nanatona akaiky ny lehilahin'Andriamanitra iray ka niteny tamin'ny mpanjakan'ny Israely hoe: “Hoy Yaveh hoe: ‘Satria ireo Syriana efa niteny fa Yaveh dia andriamanitry ny havoana, fa tsy mba andriamanitr'ireo lohasaha, dia hapetrako eo an-tananao ity tafika lehibe ity, ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh.”’
\v 39 Raha nandalo iny ny mpanjaka, dia niantso mafy ny mpanjaka ilay mpaminany ary niteny hoe: “Nivoaka ho any anaty ady mangotraka ny mpanomponao, ary miaramila iray no nanakana sy nitondra fahavalo ho ahy ka niteny hoe: ‘Jereo ity lehilahy ity. Raha tsy hita amin'ny fomba rehetra izy, dia ny ainao no homena ho solon'ny ainy, na raha tsy izany dia handoa talenta volafotsy ianao.’
\v 40 Nefa satria ny mpanomponao dia mbola raikitra tamin'ny fandehanana tetsy sy teroa, dia nitsoaka ilay miaramila fahavalo.” Avy eo dia niteny taminy ny mpanjakan'Israely hoe: “Izao no ho sazinao—ny tenanao izao mihitsy no efa nanapa-kevitra izany.”
\v 2 Niresaka tamin'i Nabota i Ahaba nanao hoe: “Omeo ahy ny tanim-boalobokao, mba ho zaridainana legiomako izany, satria akaikin'ny tranoko. Ho takalon'izany, homeko tanim-boaloboka tsaratsara kokoa ianao, na raha tianao, dia homeko vola sandan'izany ianao.
\v 7 Ary Jezebela vadiny namaly azy hoe: “Fa tsy mbola manapaka ny fanjakan'ny Israely ve moa ianao? Mitsangàna ary misakafoana; aoka ho faly ny fonao. Ho alaiko ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita.”
\v 11 Ka nanao izay nofariparitan'i Jezebela tamin'izy ireo, araka ny voasoratra ao amin'ny taratasy izay nalefany ho azy ireo ny lehilahin'ny tanànany, ireo loholona sy ny mpanankarena izay nipetraka tao amin'ny tanànan'i Nabota.
\v 15 Ary rehefa ren'i Jezebela fa notoroham-bato i Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: “Mitsangàna ary alaivo ho fananana ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita, izay nandà ny hanome anao ny vola ho sandany, satria efa tsy velona intsony i Nabota, fa efa maty.”
\v 18 “Mitsangàna ary mandehana mihaona amin'i Ahaba mpanjakan'Israely, izay mipetraka any Samaria. Ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, any amin'izay nandehanany mba ho alainy ho fananana.
\v 19 Tsy maintsy miresaka aminy ianao ary lazao hoe izao no lazain'i Yaveh: ‘Sady efa namono ve ianao no mbola naka ho fananao ihany koa?’ Ary holazainao azy hoe izao no lazain'Yaveh: “Eo amin'ny toerana izay nilelafan'ny amboa ny ràn'i Nabota, no hilelafan'ny amboa ny rànao koa, eny, ny rànao.’”
\v 20 Hoy i Ahaba tamin'i Elia: “Efa nahita ahy ve ianao, ry fahavaloko?” dia namaly i Elia hoe: ‘Efa hitako ianao, satria efa nivarotra ny tenanao mba hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh ianao.
\v 21 Izao no lazain'Yaveh aminao: ‘Indro, hitondra loza eo aminao sy hanimba tanteraka ary hamongotra eo aminao ny zanaka lahy rehetra sy ny andevo ary ny lehilahy afaka ao Israely Aho.
\v 22 Hataoko tahaka ny fianakavian'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata ny fianakavianao, ary tahaka ny fianakavian'i Basa zanaka lahin'i Ahia, satria nihantsy Ahy tamin'ny fahatezarana ary nitondra an'ny Israely hanota ianao.’
\v 29 “Hitanao ve ny fanetren-tenan'i Ahaba eto anatrehako? Satria manetry ny tenany eto anatrehako izy, dia tsy hitondra ny loza efa ho avy amin'ireo androny Aho; amin'ny andron'ny zanany lahy no hitondrako loza eo amin'ny fianakaviany.”
\v 3 Ary ny mpanjakan'i Israely dia efa niteny tamin'ny mpanompony hoe: “Mba fantatrareo ve fa Ramota-gileada dia antsika, saingy tsy manao na inona na inona isika mba hakana izany eo an-tanan'i mpanjakan'i Arama?”
\v 4 Dia hoy izy tamin'i Josafata: “Hiaraka amiko hiady any Ramota-gileada ve ianao?” Josafata namaly ny mpanjakan'i Israely hoe: “Izaho dia tahaka anao, ny vahoakako dia tahaka ny vahoakanao, ary ireo soavaliko dia tahaka ireo soavalinao.”
\v 5 Hoy i Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: “Mitadiava re tari-dalana avy amin'ny tenin'i Yaveh ny amin'izay tokony hataonao voalohany.”
\v 6 Dia nampivory ireo mpaminany niaraka ny mpanjakan'Israely, lehilahy efajato, ary teneno izy ireo hoe: “Tokony ho any Ramota-gileada ve aho mba hiady, sa tsy tokony?” Dia hoy izy ireo hoe: “Manafiha, fa ny Tompo hanome izany ho eo an-tanan'ny mpanjaka.”
\v 12 Ary ny mpaminany rehetra naminany nitovy, nanao hoe: “Tafiho Ramota-gileada ka mahazoa fandresena, fa i Yaveh efa nanolotra azy ho eo an-tanan'ny mpanjaka.”
\v 13 Ny mpitondra hafatra izay nandeha niantso an'i Mikaia niteny taminy, nanao hoe: “Indro ankehitriny, ny tenin'ireo mpaminany dia manambara zavatra tsara ho an'ny mpanjaka tamin'ny vava iray. Aoka re ny teninao mba ho tahaka ny iray amin'ireo ary milaza zavatra tsara.”
\v 15 Rehefa tonga teo amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: “Ry Mikaia, tokony handeha hiady any Ramota-Gileada ve izahay, sa tsia?” Mikaia namaly azy hoe: “Manafiha ka mandrese. Hanolotra azy ho eo an-tanan'ny mpanjaka i Yaveh.”
\v 16 Ary hoy ny mpanjaka taminy hoe: “Impiry moa aho no nila anao hianiaiana mba tsy hiteny na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Yaveh afa-tsy ny marina ihany?”
\v 19 Dia hoy Mikaia hoe: “Noho izany henoy ny tenin'i Yaveh: nahita an'i Yaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo miaramilan'ny lanitra rehetra dia nijoro teo akaikiny teo an-kavanany sy teo an-kaviany.
\v 20 Hoy i Yaveh hoe: “Iza no hitaona an'i Ahaba, mba hiakatra izy ka ho lavo any Ramota-gileada?’ Ny iray tamin'izy ireo niteny izao ary ny iray hafa niteny izao.
\v 21 Avy eo dia nisy fanahy iray nandroso, nijoro teo anoloan'i Yaveh, ka nanao hoe: ‘Izaho no hitaona azy.’ Dia hoy Yaveh taminy hoe: ‘Amin'ny fomba ahoana?’
\v 30 Ny mpanjakan'i Israely niteny tamin'i Josafata hoe: “Hody olon-kafa aho ary hirotsaka ao anaty ady, fa ianao kosa hanao ny akanjon'ny mpanjaka ihany.” Dia nody ho olon-kafa ny mpanjakan'Israely ka nirotsaka tany anaty ady.
\v 31 Dia nandidy ny kapitenin'ny kalesiny roa amby telopolo ny mpanjakan'i Syria, nanao hoe: “Aza manafika ny miaramila kely na ny lehibe. Fa ny mpanjakan'i Israely ihany no tafiho.”
\v 32 Ary rehefa nahita an'i Josafata ireo kapitenin'ny kalesy dia nanao hoe: “Iny tokoa no mpanjakan'Israely.” Nihodina izy ireo mba hamely azy, ka niantsoantso mafy i Josafata.
\v 34 Fa nisy lehilahy iray nandefa ny zana-tsipìkany kitoatoa ary nahavoa ny mpanjakan'i Israely teo anelanelan'ireo fiarovan-tratrany. Ary i Ahaba niteny tamin'ny mpamily ny kalesiny hoe: “Mihodìna ka ento mivoaka ny ady aho, fa naratra mafy aho.”
\v 35 Nihamafy ny ady tamin'izany andro izany ary ny mpanjaka dia notohanana hitsangana tao amin'ny kalesiny nanatrika ny Syriana. Maty izy nony hariva. Nijininika avy teo amin'ny ratrany ka hatrany amin'ny vodi-kalesy ny rà.
\v 45 Ary ny raharaha hafa mahakasika an'i Josafata, sy ny hery izay nasehony, ary ny fomba niadiany, moa ve ireo tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda?
\v 49 Dia hoy Ahazia zanaka lahin'i Ahaba tamin'i Josafata hoe: “Aoka mba hiara-hiantsambo amin'ny mpanomponao ny mpanompoko.” Fa i Josafata tsy namela izany.