plt_tq/sng/03/10.md

517 B

Ohatry ny ahoana ny seza filanjana an'i Solomona mpanjaka?

Ny filanjana dia nisy tsangatsangany izay vita tamin'ny volafotsy, lamosiny vita tamin'ny volamena, fipetrahana vita tamin'ny fitafy volomparasy, ary nohaingoina tam-pitiavana.

Iza no tian'ilay tovovavy hojeren'ireo vehivavin'i Jerosalema?

Tiany hijery an'i Solomona mpanjaka izy ireo.

Inona no nanaovan'i Solomona mpanjaka tamin'ny andron'ny fanambadiany?

Nanao satro-boninahitra izay nasatroky ny reniny azy tamin'ny andron'ny fanambadiany izy.