forked from WA-Catalog/plt_tq
20 lines
1.3 KiB
Markdown
20 lines
1.3 KiB
Markdown
|
# Inona no nolazain'i Mosesy tamin'ireo Levita fa fantany momba azy ireo, raha mbola velona miaraka amin'izy ireo izy androany?
|
||
|
|
||
|
Mosesy nilaza tamin'ireo Levita fa mahafantatra ny momba ny fikomian'izy ireo sy ny fomba nataon'izy ireo nikomiana hanoherana an'i Yaveh.
|
||
|
|
||
|
# Nahoana i Mosesy no niteny tamin'ireo Levita mba hamory eo anatrehany ireo loholona rehetra eo amin'ny fokon'izy ireo ary ireo manam-boninahitra?
|
||
|
|
||
|
Mosesy niteny tamin'ireo Levita mba hamory ireo loholon sy manam-boninahitra mba hahafahany miteny ireo teniny eo an-tsofin'izy ireo sy miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona manohitra azy ireo.
|
||
|
|
||
|
# Inona no nolazain'i Mosesy fa fantany fa hitranga aorian'ny fahafatesany?
|
||
|
|
||
|
Mosesy nilaza fa aorian'ny fahafatesany dia hamitaka ny tenan'izy ireo tokoa ny vahoaka ary hiala amin'ny lalana izay nandidiany azy ireo.
|
||
|
|
||
|
# Inona no nolazain'i Mosesy fa hitranga rehefa hiala amin'ny lalana izay nandidiany azy ireo ny vahoaka?
|
||
|
|
||
|
Mosesy nilaza fa aretina no ho avy amin'ny vahoaka amin'ny andro manaraka aorian'ny fialan'izy ireo amin'ny lalana izay nandidian'i Mosesy azy ireo.
|
||
|
|
||
|
# Nahoana no nilazan'i Mosesy fa aretina no ho avy amin'ny vahoaka?
|
||
|
|
||
|
Mosesy nilaza fa aretina no ho avy satria hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh izy ireo, izay hahatonga azy ho tezitra amin'ny asan'ny tanan'izy ireo.
|