plt_tn/mat/07/13.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Rehefa mandika -teny ianao, dia mapiasà teny ilazana ny "malalaka" sy "lehibe" izay tena samihafa amin'ny hoe "tery" araka izay azo atao, mba hanindriana ny fahasamihafana eo amin'ireo vavahady sy lalana roa.

Midira amin'ny vavahady tery ... vitsy ireo izay mahita izany

Kisarisarina olona mandeha amina lalana ary miditra ao amina fanjakana iray avy eo amin'ny vavahady io. Ny fanjakana iray dia mora hidirana; ny anakiray kosa dia sarotra hidirana. Io dia sarin-teny izay midika fa ny olona iray dia tsy maintsy manaiky ny fiainan-tsarotry ny fankatoavana an'Andriamanitra mba hahazoana fiainana mandrakizay. Raha misafidy fiainana mora kokoa amin'ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra izy, dia hiditra any amin'ny helo.

Midira amin'ny vavahady tery

Mety ho mila afindranao eo amin'ny faran'ny andininy faha 14 io: "Noho izany, midira amin'ny vavahady tery."

vavahady ... lalana

Ireo mety ho dikany dia 1) maneho ny vavahady izay hidirana ao amina fanjakana sy ny ny lalana izay mitondra mankeo amin'ilay vavahady io. na 2) samy maneho ny fidirana ao amin'ilay fanjakana ny "vavahady" sy ny "lalana."

any amin'ny fahaverezana ... amin'ny fiainana

Ireo teny ireo dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "any amin'ny toerana hahafatesanareo ... any amin'ny izay hahavelomanareo"