plt_tn/mat/06/01.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manohy mampianatra ireo mpianany amin'ny Toriteny eo an-tendrombohitra, izay niantomboka tao amin'ny 5:1 i Jesosy. Ato amin'ity fizarana ity, dia miresaka ny amin'ny "asa fahamarinana" ho an'ny fanaovan-tsoa, fivavahana, ary fifadin-kanina i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny teny hoe "-nareo" sy "anareo" dia manondro olona maro.

eo anatrehan'ny olona ianareo mba ho hitan'izy ireo

Midika izany fa hanaja azy ireo izay mahita ilay olona. Azo atao hoe DH: "eo anatrehan'ny olona mba hahafahan'izy ireo mahita anareo ary manome haja anareo nohon'ny ny zava-bitanareo"

Rainareo

Fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra io.

aza mitsoka trompetra misarika ny hafa

Io sarin-teny io dia midika fanaovana zavatra iniana atao mba hisarihana ny sain'ny hafa. DH: "aza misarika ny hafa ho an'ny tenanao tahaka ny olona izay mitsoka trompetra ao anaty vahoaka"

Lazaiko marina aminareo

"milaza ny marina aminareo aho." Io fehezanteny io dia fanindriana izay ho lazain'i Jesosy manaraka.