plt_tn/mat/05/33.md

2.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manohy mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalàn'ny Testamenta Taloha i Jesosy. Eto Izy dia manomboka miresaka momba ny voady fianianana.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hanjoa azy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny teny hoe "-nareo" ao amin'ny hoe "renareo" sy hoe "Izaho milaza aminareo" dia manondro olona maro. Ny hoe "aza mianiana" sy ny hoe "ento" dia manondro olon-tokana.

Ary koa, renareo

"Ary koa, renareo" na "Ity misy ohatra hafa. Ianareo"

renareo fa voalaza ... fianianana diso

Ataon'i Jesosy mazava eto fa miray hevitra amin'Andriamanitra sy ny teniny Izy. Saingy, miteny amin'ireo mpiaino Azy Izy mba tsy hampiasa izay tsy azy ireo mba hahatonga ny olona hino ny teniny. DH: "nilaza taminareo ny mpitarika fivavahanareo fa Andriamanitra dia niteny hoe... fianianana diso"

Aza mianiana fianianana diso, fa ento eo ... ny fianiananao

Ireo mety ho dikany dia 1) aza mianiana amin'ny Tompo fa hanao zavatra ianao kanefa avy eo tsy manao izany, na 2) aza mianinana amin'ny Tompo fa hainao hoe marina ny zavatra iray kanefa fantatrao fa tsy marina.

Fa Izaho kosa milaza

Ny hoe "izaho" dia fanamafisana. Mampiseho izany fa izay lazain'i Jesosy dia manan-danja mitovy amin'ny didy avy amin'Andriamanitra tany am-boalohany. Ezaho adika amin'ny fomba iray izay mampiseho izany fanamafisana izany io fehezanteny io. Jereo hoe ahoana no nandikanao izany tao amin'ny toko 5:21.

aza mianiana amin'ny zavatra rehetra ... fa tanànan'ny mpanjaka lehibe

Eto i Jesosy dia milaza fa tsy tokony hianiana amin'inona na inona ny olona iray. Ohatran'ny hoe nisy nampianatra fa tsy dia manafintohina raha tsy mitazona ny voadiny ny olona iray raha nianiana tamin-javatra hafa ankoatran'Andriamanitra, toy ny fianianana amin'ny lanitra, tany, na Jerosalema. Miteny i Jesosy fa samy ratsy ihany ireo satria an'Andriamanitra avokoa.

aza mianiana

Ny hoe "Aza mianiana amina fianianana diso" dia mamela ny mpiaino hianiana saingy mandrara azy hanao fianianana diso. Ny hoe "Aza mianiana akory" dia mandrara ny voady rehetra.

seza fiandrianan'Andriamanitra izany

Eto ny hoe "seza fiandrianana" dia maneho an'Andriamanitra manapaka tahaka ny mpanjaka. DH: "avy eto no hanapahan'Andriamanitra"

fitoeran-tongony izany

Io sarin-teny io dia midika fa ny tany koa dia an'Andriamanitra. DH: "tahaka ny fitoeran-tongotra izay hametrahan'ny mpanjaka ny tongony izany."

fa tanànan'ny mpanjaka lehibe izany

"fa tanàna izay an'Andriamanitra, ilay mpanjaka lehibe izany"