plt_tn/mat/05/31.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manohy mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalàn'ny Testamenta Taloha i Jesosy. Eto dia manomboka miresaka momba ny fisaraham-bady Izy.

voalaza ihany koa hoe

Andriamanitra no ilay iray izay "nilaza." Mampiasa ny filazana ny lasa i Jesosy eto mba hampazava tsara fa tsy manohitra an'Andriamanitra na ny tenin'Andriamanitra Izy. Fa kosa, milaza Izy fa ny fisaraham-bady dia tokony hisy raha misy antony marina ihany. Ny fisaraham-bady dia mety ho tsy rariny na dia manaiky ny didy ny hanomezana taratasy fisarahana aza ilay lehilahy.

aoka izy hanome

"tsy maintsy manome ... izy"

Fa Izaho kosa milaza

Ny hoe "izaho" dia fanamafisana. Mampiseho izany fa izay lazain'i Jesosy dia manan-danja mitovy amin'ny didy avy amin'Andriamanitra tany am-boalohany. Ezaho adika amin'ny fomba iray izay mampiseho izany fanamafisana izany io fehezanteny io. Jereo hoe ahoana no nandikanao izany tao amin'ny toko 5:21.

mampijangajanga azy

Ny lehilahy izay misaraka amin'ny vadiny tsy amin'ny antony no "mampijangajanga azy." Efa tsy mahagaga amin'ny kolontsaina maro ny miverina manambady, saingy raha tsy amin'ny antony ny fisarahana, dia fijangajangana ny fiverenana manambady tahaka izany.

azy aorian'ny fisarahany

Azo atao hoe DH: "azy aorian'ny nisarahan'ny vadiny taminy" na "ilay vehivavy nisara-bady"