plt_tn/mat/05/21.md

40 lines
1.8 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Manohy mampianatra momba ny fahatongavany hanatanteraka ny lalàn'ny Testamenta taloha i Jesosy. Eto no manomboka milaza momba ny vono olona sy ny fahatezerana Izy.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka amina vondron'olona momba izay mety hitranga amin'izy ireo tsirairay avy i Jesosy. Ny teny hoe "-nareo" ao amin'ny hoe "Efa renareo" sy ny hoe "lazaiko aminareo" dia manondro olona maro. Ny didy hoe "Aza mamono olona" dia manondro olon-tokana, saingy mety ho mila mandika izany amin'ny fanondroana olona maro ianao.
# voalaza tamin'izy ireo fahiny hoe
Azo atao hoe DH: "Nolazain'Andriamanitra tamin'ny razantsika hatry ny ela"
# Na iza na iza mamono olona dia ho helohina any amin'ny fitsarana
Eto ny hoe "fitsarana" dia misy hevitra ambadika hoe hisy mpitsara hanameloka ilay olona ho faty. DH: "Hisy mpitsara hanameloka izay rehetra mamono olon-kafa''
# mamono
Io teny io dia ilazana ny vono olona, fa tsy izay karazana famonoana rehetra.
# Fa lazaiko
Ny mpisolon-tena tampisaka "-ko" dia fanamafisana. Mampiseho izany fa izay lazain'i Jesosy dia manan-danja mitovy amin'ireo didy avy amin'Andriamanitra tany am-boalohany. Miezaha mandika izany amin'ny fomba iray izay mampiseho izany fanamafisana izany.
# rahalahiny
Ilazana mpiray finoana iray izany, fa tsy rahalahy ara-bakiteny na namana.
# ho helohina any amin'ny fitsarana
Ohatran'ny tsy manondro mpitsara izay olombelona i Jesosy fa an'Andriamanitra izay manameloka ny olona tezitra amin'ny rahalahiny.
# olom-poana ... Adala
Fanompana olona izay tsy afaka misaina tsara ireo. Ny hoe "adala" dia mifanakaiky amin'ny hoe "tsy misy saina," ary ny "olom-poana" dia manampy ny hevitry ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra.
# filan-kevitra
Filan-kevitra teo an-toerana io, fa tsy ilay Synedriona tao Jerosalema.