plt_tn/mat/05/13.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manomboka mampianatra momba ny fitovian'ireo mpianany amin'ny sira sy fahazavana i Jesosy.

Ianareo no siran'ny tany

Ireo mety ho dikany dia 1) toy ny sira izay mahatsara ny sakafo, ny mpianatr'i Jesosy koa dia tsy maintsy misintona ny olona mba ho tsara izy ireo. DH: "Ianareo dia tahaka ny sira ho an'ny olon'izao tontolo izao" na 2) toy ny sira izay mitahiry ny sakafo, ny mpianatr'i Jesosy dia tsy maintsy miaro ny olona mba tsy ho simba toetra tanteraka. DH: "Tahaka ny sira ho an'ny sakafo, ianareo dia ho an'izao tontolo izao"

raha ny sira no tonga matsatso

Ireo mety ho dikany dia 1) "raha lany ny hery hanaovan'ny sira ny asany" (UDB) na 2) "raha lany tsiro ny sira."

ahoana no ampasira izany indray?

"ahoana no hahatonga azy ho ilaina indray?' Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ireo mpianany. DH: "tsy misy fomba hahatonga izany hisy ilàna azy indray"

fa hariana sy ho hitsahin'ny tongotry ny olona sisa

Azo atao hoe DH: "raha tsy hoe harian'olona eny an-dalana ka hitsahiny."

Ianareo no fahazavan'izao tontonlo izao

Midika izany fa ireo mpanaradia an'i Jesosy dia nitondra ny hafatra momba fahamarinan'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra izay tsy mahalala ny Tompo." DH: ''Ianareo dia toy ny fahazavana ho an'ny olon'izao tontolo izao"

Ny tanàna miorina eo amin'ny havoana dia tsy azo hafenina

Amin'ny alina rehefa maizina, dia afaka mahita ny jiron'ny tanàna mamiratra ny olona. Azo atao hoe DH: "Mandritra ny alina, dia tsy misy afaka manafina ireo jiro izay mirehitra avy eny amin'ny tanàna eny an-tendrombohitra.