plt_tn/mat/04/14.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ao amin'ny andininy faha 15 sy 16, ny mpanoratra dia manambara ny tenin'Isaia mpaminany mba hampisehoana fa ny asa fanompoan'i Jesosy tao Galilia dia fahatanterahan'ny faminaniana.

Izany no nitranga

Maneho an'i Jesosy handeha hipetraka any Kaperinaomy izany.

izay nambara

Azo atao hoe DH: "izay nambaran'Andriamanitra"

Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly ... Galilia an'ireo Jentilisa!

Ireo faritany rehetra ireo dia mamaritra ny toerana mitovy ihany. Azo adika amin'ny fehezanteny feno io. DH: "Ao amin'ny faritanin'ny Zebolona sy Naftaly ... misy Jentilisa maro mipetraka ao amin'ny faritanin'ny Galilia!"

mankany amin'ny ranomasina

Ny ranomasin'i Galilia io.

Ireo olona nipetraka tamin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe

Eto ny hoe "maizina" dia fahamaizinana ara-moraly na fahotana, izay mampisaraka ny olona amin'Andriamanitra. Ary, ny "fahazavana" dia maneho ny hafatra marin'Andriamanitra izay mamonjy ny olona amin'ny fahotan'izy ireo. Kisarisarin'ireo olona tsy nanana fanantenana saingy ankehitriny dia manana fanantenana avy amin'Andriamanitra izany.

ireo izay nipetraka tamin'ny faritra sy ny aloky ny fahafatesana, dia teo amin'izy ireo no niposahan'ny fahazavana

Io dia manana hevitra mitovy amin'ny tapany voalohan'ny fehezanteny. Eto ny hoe "faritra sy aloky ny fahafatesana" dia maneho ny fahafatesana ara-panahy na ny fisarahana amin'Andriamanitra.