plt_tn/mat/04/12.md

648 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Io no fanombohan'ny fizaran-tantara vaovao izay hamaritan'ny mpanoratra ny fiandohan'ny asa fanompoan'i Jesosy tao Galilia. Ireo andininy ireo dia manazava ny nankanesan'i Jesosy tany Galilia.

Ary

Ampiasaina io teny io eto hanamarika fiatona kely eo amin'ny fandehan'ny tantara. Eto i Matio dia manomboka milaza ny fizaran-tantara vaovao.

voasambotra i Jaona

Azo adika hoe DH: "nosamborin'ny mpanjaka i Jaona"

ao amin'ny zara-tanin'i Zebolona sy Naftaly

Ireo no anaran'ny ireo foko nonina tao amin'ireo faritra ireo talohan'ny nakan'ireo teratany vahiny ny tanin'Israely taona maro talohan'izany.