plt_tn/mat/04/01.md

56 lines
1.9 KiB
Markdown

# Famahafantarana amin'ny ankapobeny
Eto ny mpanoratra dia manomboka fizaran-tantara vaovao izay nitoeran'i Jesosy 40 andro tany an'efitra, ka nakan'i Satana fanahy Azy tany. Ao amin'ny andininy faha 4, Jesosy dia miteny mafy an'i Satana tamin'ny alalan'ny teny avy ao amin'ny Deoteronomia.
# Jesosy notarihan'ny Fanahy
Azo atao hoe DH: "notarihan'ny Fanahy i Jesosy"
# mba halain'ny devoly fanahy
Azo atao hoe DH: "mba hahafahan'ny devoly maka fanahy an'i Jesosy."
# devoly ... ny mpaka fanahy
Ilazana olona roa mitovy ihany io. Mety mila mampiasa ny teny iray ihany ianao mba handikana azy roa.
# nifady hanina ... noana (Izy)
Maneho an'i Jesosy io.
# efapolo andro sy efapolo alina
"40 andro sy 40 alina." Io dia maneho fe-potoan'ny 24 ora. "40 andro"
# Raha Zanak'Andriamanitra Ianao, dia teneno
Tsara ny milaza fa fantar'i Satana fa zanak'Andriamanitra i Jesosy. Ireo mety ho dikany dia izao: 1) fakana fanahy hanao fahagagana ho an'ny tombotsoan'i Jesosy ihany io. DH: "Zanak'Andriamanitra Ianao, noho izany dia afaka mandidy" na 2) fiantsiana na fiampangana io. DH: "Porofoy amin'ny fandidianao fa Ianao no Zanak'Andriamanitra"
# Zanak'Andriamanitra
Fiantsoana manan-danja izay mamaritra ny fifandraisana misy eo amin'i Jesosy sy Andriamanitra.
# Ilay Zanak'Andriamanitra
Fiantsoana manan-danja ilazana an'i Jesosy io.
# teneno ho tonga mofo ireto vato ireto
Afaka adikanao amin'ny fiteny mivantana io. DH: "lazao amin'ireo vato ireo hoe: 'miovà ho mofo!'"
# mofo
Eto ny hoe "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "sakafo"
# Voasoratra hoe
Azo atao hoe DH: "Nosoratan'i Mosesy hatry ny ela izao soratra masina izao"
# Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona
Misy hevitra ambadika izany fa misy zavatra manan-danja kokoa noho ny hanina eo amin'ny fiainana.
# fa izay teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra
Eto ny hoe "teny" sy "vava" dia ilazana izay ambaran'Andriamanitra. DH: "fa amin'ny fihainoana izay rehetra ambaran'Andriamanitra"