plt_tn/mat/03/10.md

2.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manohy mananatra an'ireo Fariseo sy ireo Sadoseo i Jaona Mpanao Batisa.

Ary efa napetraka eo am-pototrin'ny hazo ny famaky. Koa ireo hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia ho kapaina ary hatsipy any anaty afo

Io sarin-teny io dia midika fa efa vonona ny hanafay ireo mpanota Andriamanitra. Azo atao hoe DH: "Eo amin'Andriamanitra ny famakiny ary vonona ny hanapaka sy handoro izay hazo mamoa voa ratsy Izy" na "Toy ny olona izay manomana ny famakiny hamaky sy handoro ny hazo izay mamoa voa ratsy, Andriamanitra koa dia vonona ny hanafay anareo nohon'ny amin'ny fahotanareo"

ho amin'ny fibebahana

"mba hampiseho fa nibebaka ianareo"

izy izay tonga aoriako

Jesosy ilay olona izay tonga aorian'i Jaona.

mahery noho izaho

"lehibe noho izaho"

Hanao Batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy

Io sarin-teny io dia mampitaha ny batisan'i Jaona amin'ny rano amin'ny batisa amin'ny afo izay ho avy. Midika izany fa ny batisan'i Jaona dia manadio ny olona amin'ny fahotan'izy ireo amin'ny fomba hita maso. Ny batisan'ny Fanahy Masina sy ny afo no tena hanadio ny olona amin'ny fahotan'izy ireo. Raha azo ato, dia ampiasao ny teny hoe "manao batisa" ao amin'ny fandikan-teninao mba hitazonana ny fampitahana amin'ny batisan'i Jaona.

Efa eny an-tanany ny fikororohany mba hanadiovana ny famoloany

Io sarin-teny io dia mapitaha, ny fomba hanasarahan'i Kristy ny olo-marina amin'ny olona tsy marina, amin'ny fomba fanasarahan'ny olona ny vary amin'ny akofa. DH: "Kristy dia tahaka ny olona iray izay efa eo an-tanany fikororohany"

eny an-tanany ny fikororohany

Eto ny hoe "eny an-tanany" dia midika fa efa vonona ny hiasa ilay olona. DH: "Mitazona fikororohana i Kristy satria efa vonona izy"

fikororohana

Fitaovana fanatontonana vary mba hampisarahana ny vary amin'ny akofa izany. Rehefa mavesatra ny fitontonan'ny vary dia hoentin'ny rivotra ny akofa izay tsy ilaina. Toy ny angady izy saingy misy nifiny izay vita amin'ny hazo.

mba hanadiovana ny famoloany

Tahaka ny lehilahy miaraka amina fikororohana izay vonona ny hanadio ny famoloany i Kristy.

ny famoloany

"ny taniny" na "ny tany izay hanasarahany ny vary amin'ny akofa"

hanangonana ny variny any an-tsompitra ... handoro ireo akofa amin'ny afo izay tsy mety maty

Io dia sarin-teny mampiseho hoe ahoana no hanasarahan'Andriamanitra ireo olo-marina amin'ny olon-dratsy. Ireo marina dia ho any an-danitra tahaka ny vary izay ho any amin'ny fitehirizam-bokatry ny tantsaha iray, ary ho doran'Andriamanitra amin'ny afo tsy mety maty ireo olona tahaka ny akofa.

tsy mety maty

Azo atao hoe DH: "tsy ho faty mandrakizay"