plt_tn/mat/01/22.md

920 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ataon'ny mpanoratra anaty farango sosona ny tenin'i Isaia mba hampisehoana fa ny fahaterahan'i Jesosy dia araka ny soratra masina.

Izany rehetra izany dia nitranga

Tsy miteny intsony ilay anjely. Manazava ny maha zava-dehibe izay voalazan'ilay anjely i Matio izao.

izay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany

Io dia azo atao hoe: "izay nasain'ny Tompo nosoratan'i Isaia hatry ny ela"

Indro... Imanoela

Eto i Matio dia milaza ny tenin'i Isaia.

Indro

"Jereo" na "Henoy" na "Tandremo tsara ny zavatra izay ho lazaiko aminareo." Io teny io dia manamafy izay ho lazaina manaraka.

Imanoela

Anarana lehilahy io.

izay midika hoe: "Amintsika Amndriamanitra."

Tsy ao amin'ny bokin'i Isaia io. Manazava ny hevitry ny anarana hoe "Imanoela" i Matio. Afaka adikanao amina fehezanteny misaraka io. DH: "Ny hevitr'io anarana io dia hoe 'Amintsika Andriamanitra.'"