plt_tn/mal/04/01.md

2.6 KiB

indro

"zahao" na "reneso" na "tandremo izay lazaiko anareo"

ho avy ny andro, mandoro toy ny fatana

Ny fitrangan'ny loza amin'izany fotoana izany dia voalaza toy ny andro nandoro ny tenany. Ny fitsaran'Andriamanitra dia volaza matetika toy ny afo.

ireo mpirehareha sy mpanao ratsy .

D.H: "sambatra ireo mpirehereha"

lasa mololo ireo mpirehareha sy mpanao ratsy

Ireo olona ireo dia voalaza fa ho lasa voly maina fotsiny ihany izy ireo ho an'ny fahamaizana. Izany no fampitahana ho an'ny baiboly miresaka ny olona toy ny hazo na voly izy ireo. D.H: "Ireo mpirehareha sy ireo mpanao ratsy rehetra dia ho may tahaka ny voly maina."

Ho avy ny andro handoro azy ireo

Eto ny "andro" dia midika ireo tantara izay hitranga amin'izany andro izany. D.H: "Handoro azy ireo Aho amin'izany andro izany"

hamela izany ho tsy hisy faka sy rantsany izany

ity teny ity dia mampitohy ny resaka amin'ny olona toy ny hazo na voly. Ka ny fialan'ny faka sy ny rantsana rehetra dia midika fahafatesana tanteraka. D.H: "tsy misy hiala"

ho anareo izay matahotra ny anarako,

Eto ny "anarako" dia midika ny tenan'i Yaveh.

ny masoandron'ny fahamarinana dia hiposaka miaraka amin'ny fanasitranana eny amin'ireo elany

Mety midika hoe 1) Yaveh, ilay miasa amin'ny fahamarinanana, dia ho avy sy hanasitrana amin'izany andro izany na 2) Hamelona ny olon'ny fahamarinana sy hanasitrana azy ireo i Yaveh amin'izany andro izany.

fanasitranana eny amin'ireo elany

Mety midika hoe 1) ny asa fanasitranana olona dia voalaza toy ny zavatra tahaka ny masoandro mitondra ny olona amin'ny alalan'ny dikan'ny elan'izany na 2) ny fanasitranana dia mahazo toerana eo ambany elatra, fa izany, ny fiarovana omen'Andriamanitra ny olona.

elany.

Ity dia niombonana tany Akaikin'ny Atsinanana Taloha hiresahana ny masoandro ho toy ny fananana elatra, mbamin'izay nandalo teo amin'ny lanitra. Mety midika hoe 1) Ny fiainan'ny masoandro manome taram-pahazavana dia voalaza toy ny elany na 2) na ny elatra dia nolazaina handrakofana ny vahoakan'Andriamanitra mba hanomezana azy ireo filaminana sy fiarovana.

Hivoaka ianareo, ary hitsambikina toy ny zanak'omby avy ao amin'ny fihinanam-bilona.

Eto ny fanavotana ny olon'i Yaveh dia voalaza fa zanak'omby kely navoaka avy ao amin'ny tanim-bilony izy ireo, navela hivoaka ny tanin'ahiny.

hanitsakitsaka ny ratsy ianareo, satria ho lavenona ambanin'ny faladian-tongotrareo izy ireo

EZto ny fandresen'ny vahoakan'Andriamanitra dia voalaza fa nandeha teo amin'ireo vatana may an'ireo fahavalony izy ireo.

ho lavenona izy ireo

Ny fahavalon'ny Israelita dia voalaza toy ny voadoro lasa lavenona.