plt_tn/mal/02/10.md

2.6 KiB

Famapahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto i Malakia mpaminany dia manomboka miresaka amin'ireo Israelita namany.

Tsy ray tokana ihany ve no antsika rehetra? Tsy Andriamanitra tokana ihany ve no nahary antsika?

Mametraka ity fanontaniana ity i Malakia mba hampahatsiahivana ireo Israelita namany mahakasika izay efa fantatr'izy ireo. D.H: "Fantatrareo fa ray iray no ananantsika rehetra, izay Andriamanitra efa nahary ny firenena ivelan-sika. " na "Fantatrareo rehetra fa Andriamanitra no ray amintsika Israelita rehetra, satria Izy ilay iray izay nanao ny firenen-tsika."

Tsy Andriamanitra tokana ihany ve no nahary antsika?

ity fanontaniana ity dia maneho fanambarana. D.H: "Zavatra mitovy amin'Andriamanitra tanteraka izay nahary antsika izany"

nahary antsika

Ity dia mety maneho an'Andriamanitra mamorona an'ny Hebreo ao amin'ny firenena.

Nahoana isika olona tsirairay avy no kely finoana amin'ny rahalahiny, maniratsira ny faneken'ireo razambentsika?

Mametraka ity fanontaniana ity i Malakia mba hilazana mafy ireo Israelita namany. Ity fanontaniana ity dia mety hanehoana fanambarana iray. D.H: "Tokony tsy hampijaly ireo rahalahantsika sy tsy manaja ny faneken'Andriamanitra amin'ny tsy fankatoavana ny didiny tantraka isika, toy izay efa nataonareo."

kely finoana i Joda

Eto ny "Joda" dia maneho ireo olona ao amin'ny faritr'i Joda, ary indrindra izay naha kely finoana azy ireo tamin'i Yaveh dia voalaza toy ny lehilahy iray nantsoina hoe "Joda." D.H: "Ny olon'ny Joda dia kely finoana"

Zavatra maharikoriko no nisy tao Israely sy tao Jerosalema

D.H: "Efa nanao zavatra maharikoriko tany Israely sy Jerosalema ny olona"

Fa naniratsira ny fitoerana masin'i Yaveh izay tiany i Joda

Eto ny "Joda" dia mbola maneho ny olon'Israely indray. D.H: "Fa ny olon'ny Joda efa naniratsira ny toerana masin'i Yaveh"

ka nanambady ny zanaka vavin'andriamani-kafa

Ny olon'ny Joda dia mbola naneho indray toy ny olona iray nantsoina hoe "Joda" D.H: "nanambady vehivavy avy amin'ny firenen-kafa, vevihavy izay nanompy sampy."

Aoka Yaveh hanala ireo lain'i Jakoba ilay lehilahy izay

Ny faharavan-javatra dia voalaza matetika toy ny fanasorana avy amin'ny zavatra hafa. D.H: "Ho ringanin'i Yaveh ny olona ao amin'ny lain'i Jakoba izay" na "Ho vonoin'i Yaveh ny olona ao amin'ny fiarahamonin'Israely izay"

lain'i Jakoba

Eto ny "lain'i Jakoba" dia midika fiarahamonin'Israely.

Jakoba

Eto "Jakoba" dia maneho an'ireo Israelita rehetra, satria Jakoba dia iray amin'ireo patriarka izay taranak'ireo Israelita.

ilay nifoha sy ilay namaly

Ity teny ity dia toa midika "ny olona rehetra tanteraka"