plt_tn/mal/01/08.md

2.1 KiB

Rehefa manolotra biby jamba ho atao sorona ianareo, moa tsy ratsy ve izany?

Eto Yaveh mametraka ity fanontaniana ity mba hanaovana fanambarana. Ny fiasan'ity fehezanteny ity dia mibedy ny vahoaka. D.H: "Fantatrao tsara izay ratsy aminao mba hanolorana biby jamba ho an'ny sorona!"

Rehefa manolotra ny kilemaina sy marary ianareo, moa tsy ratsy ve izany?

Eto Yaveh mametraka ity fanontaniana mba hilazàna fanambarana iray. D.H: "Fantatrao tsara izay ratsy aminao mba hanolorana kilema sy marary!"

Asehoy any amin'ny governoranareo izany!

Eto Yaveh dia manome baiko mba hilazàna hevitra mifanaraka. D.H: "Raha asehonareo amin'ny governoranareo izany,"

Handray anareo ve izy na hampitraka ny tavanareo?"

Eto Yaveh mametraka ity fanontaniana ity mba hibedesana ireo olona. D.H: "Raha manao ireo zavatra ireo ianareo, dia fantatrareo tsara fa hanaiky anareo ny governoranareo."

hampitraka ny tavanareo Izy

Fampitrakana tavan'olona dia maneho fanekena Azy an-kasitrahana. D.H: "anaiky anao an-kasitrahana ve izy" na "hanaiky hamonjy anao ve izy"

Asehoy

atolotra tahaka ny fanomezana hampisehoana haja.

Ankehitriny ianareo dia mbola manontany ny endrik'Andriamanitra, mba hamindrany fo antsika

Tsy niresaka tamin'Andriamanitra intsony i Malakia. Niresaka nivantana tamin'ireo Israelita izy, nitsikera azy ireo izy tamin'ny fahasahiana'izy ireo nihevitra fa hamindra fo azy ireo Andriamanitra.

mbola manontany ny endrik'Andriamanitra

Eto ny "endrika" dia manambara an'Andriamanitra sy ny fanatrehany ihany koa. D.H: "mbola manontany an'Andriamanitra amin'ny fanatrehany"

fa amin'ny fanatitra toy izany eny an-tananareo, moa hampitraka ny tarehinareo ve Izy?

Eto Yaveh dia mametraka ity fanontaniana ity mba hanambarana fibedesana. D.H: "raha manolotra fanatitra tsy an-kasitrahana ianareo, dia tsy hampitraka ny lohanareo mihitsy Andriamanitra."

fa amin'ny fanatitra toy izany eny an-tananareo,

Ity andian-teny sarotra ity amin'ny Hebreo dia misy dikany amin'ny fomba maro samihafa amin'ireo dikan-teny vaovao.

eny an-tananareo

Eto ny "tanana" dia midika ny fitondran'ireo olona fanatitra. D.H: "nentina avy aminareo"