forked from WA-Catalog/plt_tn
858 B
858 B
Ho entiko miverina izy ireo
Ny teny "izy ireo" manondro ireo fahavalon'Andriamanitra
ny lalin'ny ranomasina
Izany dia fomba fiteny izay manondro ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany izay mety tadiavin'ny olona handosirana an'Andriamanitra.
hanorotoro ireo fahavalonao
Ny fahapotehan'ireo fahavalon'Israely tanteraka dia lazaina toy ny hoe notorotoroin'ny Israelita tao ambany tongony izy ireo. DH: "handavo tanteraka ireo fahavalonao"
mandroboka ny tongotrao anaty rà
Ny herisetra avy amin'ny fahapotehan'ireo fahavalo dia lazaina ho tena endrika kisarisary, toy ny hoe ny Israelita hijoro ao anaty ràn'ireo fatin'ny fahavalony"
hahafahan'ny lelan'ireo amboanao hanan-jara
Ny fandatsahan-drà avy amin'ny ady amin'ireo fahavalon'Israely dia lazaina toy ny hoe tena lehibe ka dia holelafin'ny alika amin'ny lelany ny rà mandriaka.