forked from WA-Catalog/plt_tn
960 B
960 B
Misaora rehefa mahatsiaro ny fahamasinany ianareo
Ny anarana "fahamasinana" dia azo atao hoe "masina." DH: "Tsarovy fa Andriamanitra dia masina ka misaora Azy" na "Tsarovy izay nataon'Andriamanitra satria masina Izy ary isaory"
vetivety monja ny fahatezerany
"fotoana fohy monja no haharetan'ny hatezerany." Ny anarana "hatezerana" dia azo avadika ho "tezitra." DH: "tezitra mandritra ny fotoana fohy monja Izy"
vetivety monja
Eto ny "veitvety" dia maneho fotoana fohy dia fohy. DH: "fotoana fohy"
fa ny fankasitrahany kosa dia mandritra ny androm-piainana
Ny anarana "fankasitrahana" dia azo avadika ho mpamaritoetra "tsara." DH: "fa tsara amintsika Izy amin'ny fiainantsika rehetra" (UDB)
Tonga ny fitomaniana amin'ny alina
Ity dia miresaka momba ny "fitomaniana" sy "hafaliana" toy ny hoe zavatra izay afa-mandeha sy tonga amina fotoana voafaritra. DH: "Mety hitomany izahay mandritra ny alina, fa ho mirana kosa izahay ny maraina" (UDB)