plt_tn/luk/16/08.md

40 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Tapitra ny filazan'i Jesosy ilay fanoharana momban'ny tompo sy ny mpitantana ny trosany. Ao amin'ny andininy faha 9, dia manohy mampianatra ireo mpianany Jesosy.
# Avy eo ilay tompo nidera
Tsy nolazain'ny tantara hoe ahoana no nahafantaran'ilay tompo ny hetsik'ilay mpitantana.
# nidera
"niteny tsara" na "nankasitraka"
# niasa tamin-kafetsena izy
"nanao fihetsika mamitaka izy"
# ny zanak'izao tontolo izao
Ity dia maneho ireo tahaka ilay mpitantana tsy marina izay tsy miraharaha an'Andriamanitra. DH: "ny olon'izao tontolo izao"
# Miteny aminareo Aho
Ilay "Aho" dia maneho an'i Jesosy. Ny fehezanteny hoe "miteny aminareo Aho" dia manamarika ny faran'ny tantara ary izao Jesosy miteny ny olona ny fomba hampiarana ilay tantara amin'ny fiainan'izy ireo.
# mitadiava namana amin'ny alalan'ny vola tsy marina
Ny hifantohana eto dia ny fampiasana ilay vola mba hanampiana ny olona hafa, fa tsy amin'ny fomba nahazoan'ny mpanan-karena tamin'ny fitaka.
# vola tsy marina
"vola azo tamin'ny tsy marina"
# mety ho raisin'izy ireo
Ity dia mety maneho: 1) An'Andriamanitra any an-danitra, izay faly fa nampiasa vola hanampiana olona inareo, na 2) ireo namana izay nampianareo tamin'ny volanareo.
# fonenana mandrakizay
Ity dia maneho ny lanitra, izay misy an'Andriamanitra.