plt_tn/luk/06/01.md

20 lines
951 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ary Jesosy sy ireo mpianany izao dia mandeha eny amin'ny tanimbary raha manomboka manontany an'ireo mpianatra ny Fariseo sasany momba izay ataon'izy ireo amin'ny andro Sabata izay, ao amin'ny lalàn'Andriamanitra, dia natokana ho an'Andriamanitra.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ny teny hoe "ianareo" dia maneho ireo mpianatra.
# Ary tamin'ny
Ity fehezanteny ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny tantara.
# nikosoka izany tamin'ny tanan'izy ireo
Nanao izany izy ireo mba hanasarahana ny voam-bary. DH: "Nokosehan'izy ireo tamin'ny tanana izany mba hanasarahana ireo voa amin'ny hodiny"
# Nahoana ianareo no manao zavatra izay tsy ara-dalàna ny manao azy amin'ny andro Sabata?
Nametraka io fanontaniana io izy ireo mba hiampangana ireo mpianatra fa nandika lalàna. DH: "Ny fangalana vary amin'ny andro Sabata dia tsy araky ny lalàn'Andriamanitra!"