plt_tn/luk/04/20.md

1.1 KiB

mpitandrina

Ity dia maneho mpiasan'ny synagoga iray izay namoaka sy nanala tamim-pitandremana tsara sy fanehoana fanajana ilay horonan-taratasy misy ny Soratra Masina.

nibanjina Azy

Ity fomba fiteny ity dia midika hoe "nifantoka taminy" na "nijery Azy tsara"

Ity Soratra Masina ity dia tanteraka eo am-pihainoanareo

Jesosy dia milaza fa nanatanteraka izany faminaniana izany Izy tamin'ny asa sy teniny tamin'izany fotoana izany. DH: "Hanatanteraka izay voalazan'io Soratra Masina io Aho izao nareo mihaino Ahy izao"

eo am-pihainoanareo

Ity fomba fiteny ity dia midika hoe "Rehefa mihaino Ahy ianareo"

gaga tamin'ny tenim-pahasoavana izay naloaky ny vavany

"gaga tamin'ireo tenim-pahasoavana izay nolazainy." Eto ny "fahasoavana" dia mety meneho ny 1) fahaizan'i Jesosy miresaka na ny fahaizany mandresy lahatra, na 2) fa Jesosy niresaka teny momban'ny fahasoavan' Andriamanitra.

Fa tsy ilay zanak'i Josefa ve ity?

Ny olona dia nihevitra fa Josefa no rain'i Jesosy. Josefa dia tsy mpitarika relijiosy, ka dia gaga izy ireo hoe mitory izay nataony ny zanany. DH: "Zanak'i Josefa fotsiny io!" na "Josefa ihany no rainy!"