1.3 KiB
Aza matahotra ry Maria
Tsy tian'ilay anjely atahotra ny fisehoany i Maria, satria Andriamanitra naniraka azy niaraka tamin'ny hafatra tsara.
nahita sitraka tamin'Andriamanitra ianao
Ny fomba fiteny hoe "nahita sitraka" dia midika ho noraisain'olona tsara. Azo ovaina ilay fehezanteny mba hampisehoana an'Andriamanitra ho ilay mpandray anjara. DH: ''Andriamanitra dia nanapa-kevitra ny hanome anao ny fahasoavany" na hoe "Mampiseho anao ny hatsaram-panahiny Andriamanitra."
hitoe-jaza ianao ka hitondra zazalahy ao am-bohoka ... Jesosy ... zanak'ilay avo indrindra
Hitondra "zazalahy" ao am-bohoka i Maria izay ho antsoina hoe "Zanak'ilay Avo Indrindra." Jesosy noho izany dia olombelona naterak'olombelona, ary izy koa ilay Zanak' Andriamanitra. Ireo teny ireo dia tokony adika tsara.
ho antsoina hoe
Ireto ireo dika azo atao 1) ''Ny olona hiantso Azy hoe" na hoe 2) "Andriamanitra hiantso Azy hoe"
Zanak'ilay Avo Indrindra
Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy, ilay zanak'Andriamanitra.
manome azy ny seza fiandrianan'i Davida razambeny
Ny seza fiandrianana dia maneho ny fahefan'ny mpanjaka hanapaka. DH: ''manome azy fahefana hanapaka toy ny mpanjaka tahaka ny nataon'ny razambeny"
tsy hanam-pahataperana ny fanjakany
Ny teny hoe ''tsy hanam-pahataperana" dia manamafy fa mitohy mandrakizay izany.