plt_tn/jdg/05/05.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mampiseho hay kanto ny hiran'i Debora sy Baraka.
# Nihovitrovitra ny tendrombohitra
Izany dia mety azo lazaina ihany koa hoe horohorontany ary azo eritreretina fa nihovitrovitra ny tendrombohitra satria natahotra an'i Yaveh ireo. DH: "Nihorohon'ny tahotra ny tendrombohitra"
# teo anatrehan'ny tavan'i Yaveh
"tava" eto dia entina ilazana ny fanatrehan'i Yaveh. DH: "teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
# eny na ny Tendrombohitra Sinay aza
Tamin'i Mosesy sy Israely tao amin'ny Tendrombohitra Sinay, dia nihovitrovitra izany. DH: "Fahiny ela be, eny na dia ny Tendrombohitra Sinay aza dia nihovitrovitra"
# Tamin'ny andron'i
Eto ny hoe "andro" dia midika fotoana lava be. DH: "Nandritra ny andro niainan'i"
# Samgara ... Anata ... Jaela
Anaran'olona ireo. Jereo ny fomba nandikanao ny teny "Samgara" sy "Anata" ao amin'ny 3:31 ary "Jaela" ao amin'ny 4:17.
# zanaka lahin'i Anata
Notonina ny rain'i Samgara mba ahafantarana an'i Samgara sy ny fahavelomany.
# nilaozana ireo lalam-be
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany mba hampazava ny antony nandaozan'izy ireo ireo lalam-be. DH: "Tsy nampiasa ireo lalam-be intsony ny vahoaka; satria natahotra ireo fahavalon'Israely izy ireo"
# ireo sakeli-dalana miolakolaka
Izany dia entina ilazana ireo lalan-kely izay fandehanan'ny olona sasany.