plt_tn/jdg/05/03.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny hiran'i Debora sy Baraka dia ravahin'ny hay kanto.

Mihainoa, ianareo mpanjaka! Mifantoha, ianareo mpitarika!

Ny firesak'i Debora sy Baraka amin'ireo mpanjaka sy mpitarika tahaka ny mihaino hira izy ireo.

ianareo mpanjaka ... ianareo mpitarika

Ilazana ireo mpanjaka sy mpitarika amin'ny ankapobeny izany, fa tsy mamaritra mpanjaka na mpitarika manokana akory.

rehefa nivoaka avy tany Seira Ianao, rehefa nandeha avy tany Edoma Ianao

Izany dia ilazana ny fotoana izay nandaozan'ireo Israelita an'i Edoma mba handresy ny vahoaka any Kanana. Ny fanomezan'i Yaveh hery ny vahoakany mba handresena ny vahoakan'i Kanana dia resahina toy ny hoe Izy no mpiady mitarika ny tafik'i Israely.

Seira

Seira dia tendrombohitra any amin'ny sisin-tanin'Israely sy Edoma.

nihorohoro ny tany, ary nihovitrovitra koa ny lanitra; ary ny rahona nandatsaka rano ihany koa.

Ny mety ho dikany dia 1) Izany dia asa soratra manasongadina ny herin'i Yaveh amin'ny famaritana azy ho tahaka horohoron-tany sy tafiotra na 2) Ny tahotry ny vahoakan'i Kanana raha ho avy hanafika azy ireo ny Israelita dia resahina toy ny hoe nihovitrovitra ny tany sy ny lanitra.