plt_tn/jas/02/18.md

1.6 KiB

Nefa mety misy olona miteny hoe

Mamaritra toe-javatra izay mbola tombatombana izay hanoheran'ny olona ny fampianarany i Jakoba. Mikatsaka ny hanitsy ny fahatakaran'ireo mpamaky ny amin'ny finoana sy ny asa izy.

Manam- pinoana ianao, ary izaho manan'asa

"Azo ekena raha manam-pinoana ny olona iray ary ny iray hafa manao asa tsara." Manazava ny fomba mety hifandiran'ny olona iray hanohitra ny fampianarany i Jakoba.

hasehoko anao koa ny finoako amin'ny alalan'ny asako

I Jakoba dia miresaka momba ny finoana toy ny hoe hita izany rehefa manao asa tsara ny olona iray. DH: "Hampiseho ny finoako amin'ny alalan'ny asa tsara aho"

Manam- pinoana ianao, ary izaho manan'asa ... Asehoy ahy ny finoanao

Miresaka momba ny finoana sy ny asa toy ny hoe zavatra izay mety hananan'ny olona iray ary hasehony amin'ny hafa i Jakoba.

Fa na ireo demonia aza mino izany, ka dia mangovitra izy ireo

"mino koa ireo demonia, fa mihovitrovitra amin-tahotra izy ireo.'' Oharin'i Jakoba amin'ireo izay milaza fa mino kanefa tsy manao asa tsara ny demonia. Ambaran'i Jakoba fa hendry kokoa ireo demonia satria matahotra an'Andriamanitra izy ireo raha tsy matahotra kosa ny hafa.

Tianareo ho fantatra va, ry lehilahy adala, fa ny finonana tsy misy asa dia tsy misy ilaina azy?

Ity dia fanontaniana fampisainana izay ampiasaina mba hibedesana ny olona izay tsy hihaino an'i Jakoba. DH: "Ry adala! Ny tsy fetezanareo hihaino ahy dia manaporofo fa tsy misy ilaina azy ny finoana tsy misy asa."

Tianareo ho fantatra ... tsy misy ilaina azy?

Mametraka ity fanontaniana ity i Jakoba mba hanehoana ny fampianarany manaraka. DH: "Hampisehoko aminareo, ... tsy misy ilaina azy."