plt_tn/jas/01/22.md

28 lines
1019 B
Markdown

# Aoka ho mpankatoa ny teny
Mila mankatoa ireo teny sy didin'Andriamanitra izy ireo.
# Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mpankatoa, dia tahaka ny olona izay mandinika ny tarehiny voajanahary anaty fitaratra izy
Ny olona izay mihaino ny tenin'Andriamanitra kanefa tsy mankatoa izany dia raisina toy ny olona izay mijery fitaratra ary avy eo dia manadino ny endriny.
# tarehiny voajanahary
ny tarehiny araka ny tena izy
# Mandinika ny tenany izy ... manadino avy hatrany
Ny olona izay mijery ny tarehiny ary manadino ny endrik'izay hitany avy hatrany dia tahaka ny olona izay mandre ny tenin'Andriamanitra ary manadino izay reny.
# Fa ny olona izay mandinika tsara ny lalànan'ny fahafahana tonga lafatra
Mbola tohin'ny kisarisarin'ny lalàna izay toy ny fitaratra ihany io.
# lalànan'ny fahafahana tonga lafatra
"ny lalàna tonga lafatra izay mamela ny olona ho afaka''
# ho tahiana amin'ireo asany izany olona izany
Azo atao hoe DH: "Hitahy io lehilahy io Andriamanitra raha mankatoa ny lalàna izy"