plt_tn/jas/01/17.md

28 lines
1.4 KiB
Markdown

# Ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy mitovy hevitra ihany. Ampiasain'i Jakoba ireo mba hanindriana fa ny zava-tsoa rehetra izay hananan'ny olona iray dia avy amin'Andriamanitra.
# Rain'ny fahazavana
Andriamanitra, ilay mpahary ny fahazavana rehetra eny an-danitra (masoandro, volana, kintana), dia voalaza fa "Rain'izy ireo."
# Miaraka aminy dia tsy misy fiovana na aloka nohon'ny fiodinana
Ity fomba fiteny ity dia maneho ny kisarisarin'Andriamanitra izay toy ny fahazavana tsy mba miova, tsy tahaka ny masoandro, volana, planeta, ary kintana, izay mifindrafindra eny amin'ny lanitra ary miova ny famirapiratany. DH: "Andriamanitra dia tsy miova toy ny ataon'ny masoandro, volana, ary kintana, izay miseho dia manjavona"
# hanome ... antsika
Ny teny hoe "antsika" eto dia manondro an'i Jakoba sy ireo mpamaky.
# hanome fahaterahana antsika
Andriamanitra, izay nitondra fiainana mandrakizay ho antsika, dia raisina toy ny hoe niteraka antsika.
# ny tenin'ny fahamarinana
Ny hafatra marin'Andriamanitra. Atao toy ny hoe izany no fomba "niterahan'Andriamanitra" antsika.
# karazana voaloham-bokatr'ireo
Mampiasa ny hevitry ny voaloham-bokatra ara-pomban'ny Hebreo i Jakoba mba hamaritana ny lanjan'ny Kristiana eo amin'Andriamanitra. Milaza amin'ny fomba tsy mivantana izy fa hisy mpino maro mihoatra izany amin'ny ho avy.