forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1.3 KiB
Markdown
24 lines
1.3 KiB
Markdown
# azy ireo
|
|
|
|
Manondro ireo Jiosy tsy mpino io.
|
|
|
|
# izao tontolo izao
|
|
|
|
Eto ny teny hoe "izao tontolo izao" dia ilazana ireo olona izay monina eto amin'izao tontolo izao. DH: "ny olona eto amin'izao tontolo izao"
|
|
|
|
# inona no handraisana azy ireo izany fa fiainana avy amin'ny fahafatesana?
|
|
|
|
Mametraka fanontaniana i Paoly mba ho fanamafisana. Afaka adika hoe DH: "ahoana no handraisan'Andriamanitra azy ireo rehefa mino an'i Kristy izy ireo? Izany dia toy ny hoe nitsangan-ko velona indray izy ireo!"
|
|
|
|
# Raha voatokana ny vokatra voalohany, dia ny ampahany amin'ny kobam-bary koa
|
|
|
|
Miresaka momba an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba, ireo razan'ny Isiraely, ho toy ny "voaloham-bokatra" ho jinjana i Paoly. Izy ihany koa dia miresaka momba ny Isiraelita izay taranak'ireo lehilahy ireo ho toy ny "ampahany amin'ny kobam-bary" izay nataon'izy ireo avy amin'ny voa.
|
|
|
|
# Raha voatokana ny fakany, dia toy izany ihany koa ireo rantsany.
|
|
|
|
Miresaka momba an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba, ireo razan'ny Isiraely, ho toy ny "fakan-kazo" i Paoly, ireo ary ireo Isiraelita izay taranaky ireo lehilahy ireo, ho toy ireo ''rantsan-kazo"
|
|
|
|
# voatokana
|
|
|
|
Nanokana ny voaloham-bokatra izay nojinjain'izy ireo ho an'Andriamanitra foana ny olona. Eto ny teny hoe "voaloham-bokatra" dia maneho ny olona voalohany mino an'i Kristy.
|