forked from WA-Catalog/plt_tn
880 B
880 B
noho izany
"Satria marina izay nolazaiko anareo"
ry rahalahy
Eto izany dia ilazana ireo namana Kristiana, ao anatin'izany na ny lehilahy na ny vehivavy.
isika dia mpitrosa
Paoly dia miresaka ny fankatoavana ho toy ny fanefana trosa. DH: "isika dia mila mankatoa"
fa tsy ao amin'ny nofo mba hiaina araky ny nofo
Mbola miresaka momba ny fankatoavana ho toy ny fanefana trosa ihany i Paoly. Afaka mampiasa ny teny hoe "mpitrosa" ianao. DH: "fa tsy mpitrosan'ny nofo isika, ary tsy voatery hankatoa ireo filan-dratsintsika"
Fa raha miaina araky ny nofo ianareo
"Fa raha velona hanatanteraka ny filan-dratsinareo fotsiny ianareo"
dia ho faty
"Azo antoka fa ho tafasaraka amin'Andriamanitra ianareo"
fa raha amin'ny Fanahy izay amonoanareo ny asan'ny tena
DH: "fa raha amin'ny herin'ny Fanahy masina no hampitsaharanareo ny fankatoavana ny filan-dratsinareo"