forked from WA-Catalog/plt_tn
914 B
914 B
Ato amiko ny adidy hanatanterahana ireo voadiko aminao
Ny voatery hanao zavatra iray dia lazaina toy ny hoe ao amin'ny olona iray ny adidy hanao zavatra. DH: "Tsy maintsy manatanteraka ireo voadiko aminao aho" na "Tsy maintsy manao izay nampanantenaiko Anao fa hataoko aho"
nihazona ny tongotro tamin'ny fianjerana Ianao
Ny tongotra eto dia manondro ilay olona. Ny fianjerana dia mety ho maneho hoe voavonon'ireo fahavalony. DH: "nihazona ahy tsy hianjera Ianao" na "nihazona ahy tsy ho voavonon'ireo fahavaloko aho"
mba hahafahako mandeha eo anatrehan'Andriamanitra
Ny miaina sy hitan'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mandeha eo anatrehan'Andriamanitra. DH: "mba hahafahako miaina eo amin'ny fanatrehanao"
amin'ny fahazavan'ny velona
Eto ny "fahazavan'ny velona" dia mety ho maneho an'Andriamanitra mamela ny olona hiaina. DH: "amin'ny fiainana izay omenao" na "satria Ianao mamela ahy hiaina"