forked from WA-Catalog/plt_tn
28 lines
1.2 KiB
Markdown
28 lines
1.2 KiB
Markdown
# Ny ranomasoko no hany sakafoko
|
|
|
|
Ny mpanoratra manondro ny ranomasony toy ny hoe sakafo izay haniny. Izany midika fa malahelo loatra izy ka tsy afa-mihinana. DH: "Ny ranomasoko tahaka ny hanina ka tsy mihinana zavatra hafa ankoatra aho"
|
|
|
|
# andro aman'alina
|
|
|
|
Ity andianteny ity dia manondro ny andro manontolo ho fanondroana ny fiandohany sy ny fiafarany. DH: "tontolo andro"
|
|
|
|
# miteny amiko mandrakariva ireo fahavaloko
|
|
|
|
Izany dia fanitarana. Tsy miteny izany foana ireo fahavalony, fa mahalana ihany izy ireo no miteny izany.
|
|
|
|
# Aiza izay Andriamanitrao?
|
|
|
|
Ireo fahavalon'ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hanesoana azy ary hanehoana fa tsy mahita ny Andriamaniny mamonjy azy akory ireo izy ireo. DH: "Tsy eo akory ny Andriamanitrao hamonjy anao"
|
|
|
|
# tonga ao an-tsaiko
|
|
|
|
Ity dia fomba fiteny midika hoe mahatsiaro na mihevitra ny momban'ny zavatra iray. DH: "mahatsiaro"
|
|
|
|
# mandraraka ny fanahiko aho
|
|
|
|
Eto ny teny hoe "fanahy" dia manondro ny fihetseham-po. Ny mpanoratra miteny ny fanahiny toy ny hoe rano izay ararany. Ireo andianteny midika fa izy dia maneho ny ny alahelo ara-pihetseham-pony. DH: "maneho ny alaheloko aho"
|
|
|
|
# fifaliana sy fiderana
|
|
|
|
Ity andianteny ity dia mampiasa teny karazany roa mba hanehoana hevitra iray. DH: "fiderana amim-pifaliana"
|