1.6 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Davida vao avy niteny fa mampiseho ny voninahitr'Andriamanitra ny voahary.
ny tenin'izy ireo ... ny lahateniny
Izany dia manondro ireo "teny" tsy voalazan'ny voahary izay mampiseho ny voninahitr'andriamanitra.
Ny tenin'izy ireo mivoaka
Ny teny dia faritana toy ny hoe olona izany ary mivoaka miaraka amin'ny hafatra. DH: "ireo teny izay lazain'ny voahary dia tahaka ny olona mivoaka."
hatrany am-paran'ny tany ny lahateniny
Ireo teny voatondro dia azo ampiana ao amin'ny fandikan-teny. DH: "hatrany am-paran'ny tany no mivoaka ny lahateniny"
nanangana lay ho amin'ny masoandro izy
Ny mpanotratra eto dia miteny ny toerana izay noharian'i Yaveh ho an'ny masoandro toy ny hoe lay. DH: "nanao toerana ho an'ny masoandro Izy"
teo amin'ireo
Ny teny hoe "ireo" dia mety hoe manondro ny lanitra.
Ny masoandro dia tahaka ny mpampakatra mivoaka avy ao amin'ny efitranony
Ny mpanoratra miteny ny masoandro miposaka tahaka ny hoe mpampiakatra. DH: "Ny masoandro dia tahaka ny mpampakatra mandeha amim-pifaliana mankeo amin'ny ampiakariny"
tahaka ny lehilahy mahery izay mifaly rehefa manao ny fihazakazahany
Izany dia mampitaha ny masoandro amin'ny atleta mba hanamafisana ny hery sy hazavan'ny masoandro.
lehilahy mahery
"mpihazakazaka aingam-pandeha"
fara-vodilanitra
Ny tendro iray hihaonan'ny tany sy ny habakabaka.
ny iray hafa
Ny "hafa" eto dia midika ny fara-vodilanitra iray hafa. Izany dia azo ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "hatrany amin'ny fara-vodilanitra iray hafa"
tsy misy afa-mandositra ny hafanany
Izany dia azo atao amin'ny fomba mihiba. DH: "mahatsapa ny hafanany ny rehetra"