plt_tn/mat/13/13.md

2.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy manazava amin'ireo mpianany i Jesosy hoe nahoana no mampianatra amin'ny alalan'ny fanoharana Izy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 14, milaza ny tenin'Isaia mpaminany i Jesosy mba hampisehoana fa ny tsy fahazoan'ireo olona ny fampianaran'i Jesosy dia fahatanterahan'ny faminaniana.

Na dia mijery aza izy ireo, dia tsy mahita; ary na dia mihaino aza izy ireo, dia tsy mandre, na mahazo

Mampiasa fitovitoviana i Jesosy mba hilazana sy hanindriana amin'ireo mpianatra fa tsy manaiky ny hahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra ireo vahoaka.

Na dia mijery aza izy ireo, dia tsy mahita

Ny hoe "mahita" eto dia midika hoe mahazo. Azo atao mazava kokoa hoe inona no ho hitan'ireo olona. DH: "na dia mahita ireo zavatra ataoko aza izy ireo, dia tsy azon'izy ireo izany"

na dia mihaino aza izy ireo, dia tsy mandre, na mahazo

Azo atao mazava kokoa hoe inona no ho ren'ireo olona. DH: "na dia mandre izay lazaiko aza izy ireo, dia tsy hahazo izay tena tiako ambara"

Amin'izy ireo ny faminanian'Isaia no tanteraka, izay milaza hoe

Azo atao hoe DH: "Izy ireo no manatanteraka izay nolazain'Andriamanitra hatry ny ela tamin'ny alalan'Isaia mpaminany"

Rehefa mihaino dia handre ianareo, saingy tsy hahazo mihitsy; rehefa mijery dia hahita ianareo, saingy tsy hahatakatra

Fanombohan'ny tenin'Isaia mpaminany momba ireo olona tsy mino tamin'ny andron'Isaia io. Mampiasa io tenin'Isaia io i Jesosy mba hamaritana ireo vahoaka izay nihaino Azy teo. Mbola manindry ihany ireo teny ireo fa tsy manaiky ny hahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra ireo olona.

Rehefa mihaino dia handre ianareo, saingy tsy hahazo mihitsy

"handre zavatra ianareo, fa tsy ho azonareo izany." Azonao atao mazava hoe inona no ho ren'ireo olona. DH: "Handre izay lazain'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo mpaminany ianareo, fa tsy ho azonareo ny tena hevitr'izany"

rehefa mijery dia hahita ianareo, saingy tsy hahatakatra

Azonao atao mazava kokoa hoe inona no ho hitan'ireo olona.DH: "hahita izay ataon'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo mpaminany ianareo, fa tsy hahatakatra izany"