1.1 KiB
fa tsy takona izy
"fa tsy afaka nitazona miafina izay nataony izy." Mety hanampy ny filazana izay nataony. DH: "fa tsy afaka nitazona izany ho tsiambaratelo izy fa hoe izy ilay nikasika an'i Jesosy"
nangovitra izy
"nangovitry ny tahotra izy"
niankohoka teo Aminy
Ireo dika azo atao: 1) "Nandohalika nanoloana an'i Jesosy izy" na 2) "natory tamin'ny tany teo an-tongotr'i Jesosy izy." Tsy nianjera tsy nahy izy. Ity dia famantarana ny fanetre-tena sy fanajana ho an'i Jesosy.
teo imason'ny
"teo amin'ny" na ''teo amin'ny fanatrehan'ny"
Ry zanaka vavy
Ity dia karazana fomba firesahana amin'ny vehivavy. Ny fiteninao dia mety manana fomba hafa hampisehoana ity hatsaram-panahy ity.
ny finoanao no nahasitrana anao
"nohon'ny finoanao, dia sitrana ianao." Ny "finoana" dia afaka aseho toy ny hetsika. DH: "satria mino ianao, dia sitrana"
mandehana am-piadanana
Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "veloma" sady manome tso-drano. DH: "raha iny ianao mandeha iny, dia aza matahotra intsony" na ''Andriamanitra anie hanome fiadanana anao raha iny ianao mandeha iny.''