plt_tn/job/38/14.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown

# Niova tahaka ny fiovan'ny tanimanga ambanin'ny tombo-kase ny endriky ny tany
Amin'ny alina, ny olona dia tsy dia afaka mahita tsara, kanefa rehefa maraina dia mampiseho ny tena endriky ny zava-drehetra ny mazava, takaka ny tombo-kase maneho sary mazava tsara amin'ny tanimanga.
# ny zava-drehetra eo aminy dia miavaka mazava tsara tahaka ny fivalonan'ny lamba
Eto, ny "aminy" dia manondro ny tany. Io andian-teny io dia mitovy dika amin'ilay andian--teny voalohany amin'ity andininy ity.
# Avy amin'ireo olona ratsy fanahy no nanesorana ny 'hazavan'izy ireo
DH: "ny maraina no manala ny 'fahazavan'ny olona ratsy fanahy."
# ny 'hazavan'izy ireo
Ny ratsy fanahyy dia mihevitra ny aizina ho fahazavan'izy ireo, satria manao ny asa ratsin'izy ireo ao anaty aizina izy ireo ary tsy vahiny amin'ny alina izy ireo.
# ny sandry misandratr'izy ireo dia notapahana
Ny sandry mijoron'ny ratsy fanahy dia mampiseho ny herin'izy ireo sy ny fikasana hanao zava-dratsy, kanefa ny ratsy fanahy dia mitsahatra amin'ny fanaovana ireo zavatra ireo rehefa tonga ny fahazavan'ny maraina.