forked from WA-Catalog/plt_tn
36 lines
1.6 KiB
Markdown
36 lines
1.6 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra :
|
|
|
|
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
|
|
|
|
# Hoy ianareo hoe
|
|
|
|
ireo teny ireo dia notovanan'ny ankamaroan'ny fandikan-teny mba hanazavana fa mitanisa ireo namany amin'ny fanambarana manaraka i Joba.
|
|
|
|
# Andriamanitra mitahiry ny helony mba hohefain'ireo zanany
|
|
|
|
Ny heloka dia resahina toy ny zavatra izay azo tehirizina mba hampiasaina amin'ny manaraka. Eto, ny "manefa" dia manondro ny fanasazian'Andriamanitra nohon'ny fahotana. DH: "Andriamanitra dia mitahiry ny fahotan'ny olona, ary avy eo dia manasazy ny zanaky ny olona nohon'ny asa ratsiny Izy"
|
|
|
|
# Avelao ny tenany ihany no hanefa izany
|
|
|
|
Manomboka milaza ny heviny manokana i Joba. Fa tsara ny filazana izany mazava tsara. DH: "fa hoy aho hoe: 'aoka ny tenany ihany no hanefa izany'"
|
|
|
|
# Avelao ny masony hahita
|
|
|
|
Eto, ,y "maso" dia manondro olona. DH: "Aoka izy hahita"
|
|
|
|
# avelao izy hisotro ny fahatezeran'ilay Tsitoha
|
|
|
|
Ny fahatezeran'Andriamanitr eto dia resahina toy ny hoe zava-pisotro azon'ny olona andramana, ary ny manadrana dia sarin-tenin'ny fiainana ilay zava-pisotro. Tian'i Joba hiaina ny fahatezeran'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy.
|
|
|
|
# Satria inona no irarahiany ny momba ireo taranany mandimby azy rehefa tapaka ny isan'ireo volany?
|
|
|
|
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa ny fanasaziana ny zanaky ny olona ratsy fanahy dia tsy mety. DH: "Satria ny olona ratsy fanahy dia tsy mikarakara ny fianakaviany intsony aorian'ny fahafatesany!"
|
|
|
|
# tapaka ny isan'ireo volan
|
|
|
|
Io dia fomba mihaja entina hilazana fa maty izy.
|
|
|
|
# ny isan'ireo volany
|
|
|
|
Io dia manondro ny faharetan'ny fiainany
|