forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1021 B
Markdown
24 lines
1021 B
Markdown
# Famaphafantarana amin'ny Ankapobeny:
|
|
|
|
Manohy ny fanoritsoritany ny olona ratsy fanahy i Bildada.
|
|
|
|
# Ho maina avy any ambany ny fakany ...hanapahana ireo sampany
|
|
|
|
Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy maty sy tsy manana taranaka toy ny hoe hazo izay maina faka sy malazo rantsana ary tsy mamoa. DH: "Ho faty izy ary tsy hamela taranaka, ho tahaka ny hazo izay maina ny fakany ary malazo avoko ny rantsany rehetra"
|
|
|
|
# hanapahana ireo sampany
|
|
|
|
DH: "Halazo ny rantsany"
|
|
|
|
# Ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy; tsy hanana anarana eny an-dalana izy
|
|
|
|
Ireo andian-teny ireo dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana ny tsy hahatsiarovan'iza n'iza azy aorian'ny fahafatesany.
|
|
|
|
# Ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy
|
|
|
|
Io dia miresaka ny "fahatsiarovana" ny olona ratsy fanahy toy ny hoe olona maty: "Tsy hisy na iza na iza eto an-tany ka hahatsiaro azy"
|
|
|
|
# tsy hanana anarana eny an-dalana izy
|
|
|
|
Io dia fomba fiteny. DH: "Tsy hisy amin'ireo mpandeha eny an-dalana akory hahatsiaro ny anarany"
|