plt_tn/job/14/01.md

36 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Blame History

This file contains ambiguous Unicode characters

This file contains Unicode characters that might be confused with other characters. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

# Fampahafantarana aminny Ankapobeny :
Ity toko ity dia manohy ny tenin'i Joba izay nanomboka tao amin'ny 12:1. miteny amin'Andriamanitra i Joba.
# Ny olona, izay natera-behivavy
Io dia manondro ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy; izay rehetra teraka teto amin'izay tontolo izao.
# miaina andro vitsy monja
Io dia fanitarana mba hanamafisana fa ny olona ny miaina fotoana fohy monja. DH: "miaina fotoana fohy monja"
# feno fahoriana
Ny "feno fahoriana" dia mampiseho ny fiainana olana maro. DH: "manana olana maro" na "mijaly mafy"
# Mitsimoka amin'ny tany toy ny voninkazo izy ary voakapa
Tahaka ny fiainan'ny voninkazo, ny fiainan'ny olona iray dia fohy ary mora maty.
# mandositra toy ny aloka izy ary tsy maharitra
Ny hafohin'ny fiainan'ny olona iray dia ampitahaina amin'ny aloka izay mora manjavona.
# Mba mijery an'ireny ve Ianao?
Ny tian'i Joba lazaina dia ny tsy filany an'Andriamanitra mba mba hiaino tsara Azy. DH: "tsy mijery an'ireo Ianao" na "tsy mihaino tsara ireo Ianao. Aza dia henoina loatra re aho"
# mijery
Eto, ny fijerevana olona dia mampiseho ny fihainiana azy mba hitsarana azy. DH: "mihaino" na "mitady ny hadisoana"
# Moa entinao ho tsaraina miaraka aminao aho?
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahagagany fa mitsara azy Andriamanitra na dia tsy miy fotony tahaka ny voninkazo aza izy. DH: "Kanefa dia mitsara ahy Ianao"